Tokony Hanova Hatrany ve Aho?
Izay Fanompoantsika Ilay Fanjakana rehetra mivoaka dia manolotra fomba fampiseho maro samy hafa araka ny Soratra Masina, azontsika ampiasaina rehefa manao fanambarana. Tsy andrin’ny mpitory maro marisika tanteraka izay hahazoana ireo hevi-baovao sy izay hampiasana ireo tari-dresaka samy hafa. Manome izay ilain’izy ireo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana amin’ny fanomezana fanoloran-kevitra maromaro isam-bolana.
Mety tsy hahatsapa anefa ianao fa ilaina ny hanova hatrany izay ampiasainao. Angamba ianao tsy manana afa-tsy ora vitsivitsy isam-bolana mba handraisana anjara amin’ny asa isan-trano. Rehefa nandeha ny fotoana, dia mety ho nampiasa fomba fampiseho izay nety taminao ianao, ary nahazo vokatra tsara tamin’ny fampiasana izany. Mety hiankina amin’ireo andinin-teny sasany fampiasa matetika ianao, anisan’izany ny Salamo 37:9-11, ny 2 Petera 3:13, ny Apokalypsy 21:4, sy ny hafa. Raha izany no izy, dia tsy tokony hahatsiaro ho voatery hanova matetika ka hanao fomba fampiseho hafa ianao. Ny tanjontsika voalohany dia ny hizara amin’ny hafa ny fanantenana momba ilay Fanjakana sy ny hanampy azy hahafantatra izay tsy maintsy ataony mba ho mendrika ny fitahian’i Jehovah. Raha toa ianao mahita ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, fomba fampiseho amin’ny ilana azy indrindra sy manintona, izay tianao hampiasaina sy hahazoanao vokatra tsara, dia aza misalasala mampiasa azy ireny.