FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/95 p. 2
  • Miomàna ho Amin’ny Fahatsiarovana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miomàna ho Amin’ny Fahatsiarovana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Ho Fanomanana ny Fahatsiarovana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 4/95 p. 2

Miomàna ho Amin’ny Fahatsiarovana

Efa nampahafantarina ny amin’ny fotoana sy ny toerana marina hanaovana ilay fankalazana ve ny rehetra, anisan’izany ny mpandahateny? Fantatr’ilay mpandahateny ve fa tsy tokony hihoatra ny 45 minitra ny fandaharana?

Efa nisy olona notendrena ve hikarakara ny fahazoana ireo marika? (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 May 1990, pejy 16-18.) Efa nisy fandaharana natao ve mba hanisiana lamban-databatra madio sy vera ary lovia ampy tsara eo ambony latabatra?

Efa nisy fandaharana nomanina ve hanadiovana ny Efitrano Fanjakana aloha sy aorian’ilay fankalazana? Efa notendrena ve ireo mpikarakara ny mpanatrika sy mpanolotra ireo marika? Efa nisy fivoriana niarahana tamin’izy ireo ve mba handinihana ny andraikiny avy? Inona no fomba harahina mba hahazoana antoka fa hizotra tsara ny fanolorana ireo marika amin’ny mpanatrika rehetra?

Efa nisy fandaharana natao ve mba hanampiana ireo rahalahy sy anabavy be taona sy kilemaina mba hanatrika ilay fankalazana? Raha misy voahosotra mety ho voatana eo am-pandriana ka tsy ho afaka hanatrika, efa nisy fiomanana natao ve mba hanolorana ireo marika amin’izy ireo?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara