Vaovao Teokratika
Îles Vierges (Amerikana): Nitondra fifaliana lehibe ny tampon’isa vaovaon’ny mpitory 647 sy ny tontalin’isan’ny fampianarana Baiboly 778, tamin’ny Novambra.
Meksika: Tamin’ny Novambra, dia mpitory 411 292 no namerina filazana asa. Tampon’isa vaovao io.
République Centrafricaine: Niavaka tamin’ny tampon’isa vaovaon’ny mpitory 1 846 ny asa fitoriana nandritra ny volana Oktobra. Ny fandaharan’ny andro fivoriambe manokana dia natao tamin’ny toerana 19, ka 5 577 ny tontalin’isan’ny mpanatrika ary 32 no natao batisa.
Sri Lanka: Nisy mpitory 1 873 namerina filazana asa tamin’ny Novambra, izany hoe nisy fitomboana tsara dia tsara 9 isan-jato.
Taïwan: Ankoatra ny tampon’isan’ny mpitory 2 523, ny filazana asa tamin’ny Novambra dia nampiseho tampon’isa vaovao tamin’ny fiverenana mitsidika 44 514 sy fampianarana Baiboly 4 234.