Fivoriamben’ny Distrika 1995 “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”
1 Manana antony firy tokony hifaliana isika? Azo inoana fa vitsy amintsika no nanandrana nanao lisitra azy rehetra. Na dia miaina ao amin’ny tontolo iray feno fikorontanana sy tsy azo antoka aza isika, dia manana antony maro be aoka izany tokony hifaliana. Mifanentana amin’izany àry dia “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana” no foto-kevitra mampahery ho an’ny fivoriamben’ny distrika 1995.
2 Midera an’i Jehovah isika satria nampianatra antsika ny fahamarinana izy. (Isaia 54:13; Jaona 8:32). Isika indray kosa dia mizara amim-pifaliana ny fahamarinana amin’izay rehetra mitady filaminana sy fahasambarana. (Ezek. 9:4; Asa. 20:35). Ny firahalahiana kristiana misy eo amintsika koa dia mitondra fifaliana ho antsika. Ny fianakaviana ara-panahy sy feno fitiavana iray dia mitondra fahafaham-po sy fahasambarana. Ireo dia vitsivitsy ihany amin’ireo antony mahatonga ny fifaliantsika ka manosika antsika hidera an’i Jehovah. Ireo lahateny sy fampisehoana amin’ny fivoriambe dia hanintona ny saintsika ho amin’ireo antom-pifaliana fanampiny araka ny Soratra Masina amin’izao andro farany feno fikorontanana izao.
3 Fivoriambe telo andro: Efa nanao fandaharana tamin’ny mpampiasa anao ve ianao mba hahazoana andro tsy hiasana mba ho anisan’ny mpanatrika ny fivoriambe mandritra ireo telo andro feno? Ireo ray aman-dreny manana zanaka mbola mianatra ka hanatrika ny iray amin’ireo fivoriambe raha mbola tsy mifarana ny taom-pianarana, dia tokony hampahafantatra amim-panajana ireo mpampianatra fa tsy ho tonga hianatra ny zanany ny zoma, noho io tapany lehibe amin’ny fanompoam-pivavahan’izy ireo io. Aiza ny fivoriambe akaiky anao indrindra? Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1995 dia nanome ny lisitry ny daty sy ny toerana ho an’ireo fivoriambe sivy eto Madagasikara. Izao dia efa nampahafantatra anao ny tsipiriany ho an’ny kongregasionanao ny mpitantsoratry ny kongregasionanao. Ankoatra ny teny malagasy, dia hisy fivoriambe amin’ny teny frantsay.
4 Ny fandaharana dia hanomboka ny zoma amin’ny 9.40 maraina ary hifarana ny alahady eo amin’ny 3.50 tolakandro. Ny asabotsy sy ny alahady, dia hanomboka amin’ny 9.30 maraina ny fandaharana.
5 Hanatrika ve ianao?: Ampirisihina mafy isika mba hanatrika ny fivoriambe mandritra ireo telo andro feno. Fa nahoana moa? Maniry antsika ho eo i Jehovah. Amin’izao andro izao dia iharam-panafihana mafy ny finoantsika sy ny fahasalamantsika ara-panahy. Nanoro hevitra momba ny tokony ‘tsy hahafoizana ny fiarahantsika miangona’ i Paoly tamin’ny fotoana iray izay nahitan’ireo Kristiana tany Jodia fanerena lehibe. (Heb. 3:12, 13; 10:25). Ireo Filipiana dia niaina ‘teo anivon’ny taranaka fangoloka sy miolakolaka’. Kanefa, izy ireo dia ‘namirapiratra tamin’ny naha-mpanazava teo amin’izao tontolo izao’. (Fil. 2:15, NW). Nahoana ireny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany ireny no hafa? Satria izy ireo dia nanaraka tamim-pankatoavana ny fitarihan’ny fanahy masina izay nanome toromarika azy ireo mba hiara-mivory “hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara”. — Heb. 10:24.
6 Maniry hitaona antsika ho amin’ny mifanohitra amin’izany itỳ tontolo itỳ, ka mampihena ny faniriantsika hiara-mivory amin’ireo rahalahintsika sy hidera an’i Jehovah. Amin’itỳ taona itỳ dia asaina isika mba hanaiky ny fitaoman’ny fanahin’i Jehovah sy hankafỳ ireo telo andro feno amin’ny fivoriambe. Tapa-kevitra ny hiara-manatrika amin’ny fianakaviantsika manontolo ve isika? Mila ny manatanjaka ny fitiavantsika sy ny finoantsika amin’ny fomba tsy tapaka isika. I Jehovah dia nanome fivoriambe fanao isan-taona mba hanampiana antsika amin’io lafiny io.
7 Mitondrà raki-java-tsoa mody: Ahoana no ahafahanao mandray soa be indrindra avy amin’ny fivoriambe? Raha atao bango tokana, ny valiny dia hoe “fifantohan-tsaina”. Tsy mora izany eo anivon’ny fitambaran’olona tsy tohinina sy mirotoroto ankehitriny. Mety ho hitan’ny tanora feno tanjaka ho sarotra ny fifantohan-tsaina, kanefa izy io dia zava-tsarotra atrehintsika rehetra rehefa manatrika ny fivoriamben’ny distrika isika. Ho hitantsika fa ho mora kokoa ny fifantohan-tsaina raha mandamin-javatra mialoha isika. Manontania tena hoe: ‘Inona no foto-kevitr’ilay fivoriambe?’ Saintsaino ilay izy! ‘Nahoana no handeha aho ary inona no hataoko mandritra ireo telo andro? Ho feno fanarian-dia ve ny takarivako, sa efa nandahatra fotoana ampy mba hialan-tsasatra sy hanaovana famerenana ireo hevitra nisongadina tamin’ny fivoriambe aho?’
8 Ny lahatsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aogositra 1984 (na wF 1/5/84) hoe “Fisaintsainana sa Nofinofy?” dia nanolotra fanipazan-kevitra maromaro momba ny fomba handraisan-tsoa be indrindra avy amin’ny fivoriana iray ary avy eo dia nanao izao fanatsoahan-kevitra izao: ‘Ny fifehezana ny saina angamba no lafin-javatra lehibe indrindra.’ Rehefa manomboka ny mpandahateny iray, dia mazàna isika no manaraka tsara, kanefa angamba eny antenatenan’ilay lahateny, dia mamela ny saintsika “hibirioka” isika. Ahoana no ahafahantsika misoroka ny tsy hitrangan’izany?
9 Ny fanipazan-kevitra nomena tamin’ny lasa dia mendrika ny haverimberina satria mandaitra. Raha mbola azo atao koa, dia miezaha hahazo fialan-tsasatra ampy isaky ny alina. Tsy mora foana akory izany satria mety hisy dia tsy maintsy hatao, ary raha mipetraka any amin’ny hotely ianao, dia mety tsy hatory aloha na hiala sasatra tsara toy ny any an-tranonao. Ny fandaminan-javatra tsara mazàna dia hamela anao hahazo ny fialan-tsasatra ilaina.
10 Ny fandraisana an-tsoratra tsotra dia voaporofo fa fanampiana iray eo amin’ny fifantohan-tsaina. Raha miezaka mandray an-tsoratra fanazavana be loatra ianao, dia mety ho very tanteraka ny hevitra tena lehibe sasany. Ho fanipazan-kevitra dia mandraisa an-tsoratra amin’ny fikendrena ny hampiseho famintinana an’ilay fandaharana amin’ny mpianatra ny Baiboly iray na ny olona iray izay voatana eo am-pandriana. Na dia mety tsy hieritreritra olona iray manokana ao an-tsaina aza ianao, dia hanana zava-kendrena amin’ny fandraisana an-tsoratra, ary aorian’ny fivoriambe dia mety hahita fahafahana hampiseho zavatra nisongadina tamin’ny fandaharana rehefa manao fitoriana tsy ara-potoana amin’ny havana tsy mpino. Amin’ny fandraisana an-tsoratra sy amin’ny fizarana izay renao, dia tsy ho vetivety dia ho hadinonao ilay fanazavana. Ny firesahana momba ny zavatra iray dia mampitombo ny fitadidiana azy.
11 Na dia tsy hisy sakafo hatolotra intsony aza, dia mbola misy ihany fandaniana lehibe tafiditra amin’ny fanofana ny toerana hanaovana ny fivoriambe, ka anisan’izany matetika ny fandaniana fanampiny eo amin’ny fitaovana fanamafisam-peo, zavatra vita an-tsoratra, sy ny sisa. Ahoana no andoavana an’ireny fandaniana ireny? Amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo ataontsika, na lela vola izany na seky atao amin’ny anaran’ny “Vavolombelon’i Jehovah”. Izany dia mifanaraka amin’ny Salamo 96:8 sy ny 2 Tantara 31:12.
12 Manome voninahitra an’i Jehovah amin’ny alalan’ny fitondran-tena araka an’Andriamanitra ireo mpidera an’Andriamanitra amim-pifaliana: Tamin’ny taon-dasa dia nisy teny fankasitrahana nampahery momba ny fitondran-tenantsika voaray avy tamin’ny mpiasan’ny hotely fandraisam-bahiny iray sy ireo mpiasa tao amin’ilay toerana nanaovana ny fivoriambe. Ny mpitantana ny hotely iray dia nanambara toy izao: “Fifaliana mandrakariva ny mampiantrano ny Vavolombelona satria izy ireo dia manana faharetana sy tia miara-miasa ary manara-maso akaiky an’ireo zanany.” Ny talen’ny hotely hafa iray dia nilaza fa toa sambatra kokoa sy voalamina kokoa noho ny antokon’olona hafa ny Vavolombelona. Na dia ny lehibe indrindra natao tao amin’ilay faritra aza ny fivoriambentsika, dia nilaza toy izao izy: “Ny fitarainana sy ny fahasahiranana hitanay amin’izy ireo dia kely kokoa noho izay hitanay amin’ny antokon’olona izay vitsy lavitra noho izy ireo.”
13 Ny mpiasa iray hafa amin’ny hotely iray dia nampahafantatra fa ny fivoriambe iray natao vao haingana talohan’ny antsika dia niteraka fanimban-javatra be dia be, mbamin’ny halatra, na dia teo daholo aza ny mpiasan’ilay hotely. Kanefa momba ny fivoriambentsika, dia nanohy nilaza toy izao izy: “Tsy voatery hanahy momba izany izahay ny amin’ny Vavolombelona. (...) Rehefa eto ry zareo, dia tsy maintsy mihazona eo an-toerana olona iray na roa ho mpikarakara ny fikojakojana izahay ary izany dia mba hanamboatra fotsiny izay fahasimbana mety hitranga amin’ireo milina.”
14 Irintsika mba hitovy amin’izany avokoa ny tatitra rehetra voaray, nefa mampalahelo fa tsy izany no izy. Ny mpitari-draharahan’ny fivoriambe iray dia nanamarika hoe: “Aorian’ireo fotoam-pivoriana, dia maro amin’ny zatovo no mivorivory maro be ao amin’ny efitra fandraisan’olona [ao amin’ilay hotely] hatramin’ny alina be, mihomehy mafy be sy mikiakiaka. Izany dia manelingelina an’ireo vahiny hafa (...), izay hita ho sosotra. Ny tanora sasany dia mihazakazaka eny an-dalantsara, manakaratoka varavarana rehefa mifampitsidika efitrano ary miresaka mafy be ao amin’ny efitrano.”
15 Ny zava-manahirana hafa iray nitoetra efa hatramin’ny taona maro dia ny hamaroan’ireo rahalahy mifampiresaka eny an-dalantsara sy any ivelan’ny toeram-pivoriana mandritra ny fotoam-pivoriana. Tamin’ny fivoriambe iray tamin’ny taon-dasa, dia nisy taratasy iray avy tamin’ny mpianatra ny Baiboly iray, hita tao amin’ny vata fanaovana fanomezana. Izao no novakina tao: “Mbola tsy tafintohina sy tsiravina toy izany mihitsy aho noho ny tabataba, fihahohahoana, firesahana, sy fiadaladalana, teny amin’ireo lalantsara nandritra ireo lahateny. (...) Mbola tsy Vavolombelona aho, fa olona vao mianatra ny tahotra sy ny fanajana araka an’Andriamanitra fotsiny.” Azo antoka fa tsy hisy na dia iray amintsika aza haniry hamela soritra hoe tsy ampy fankasitrahana ny fandaharan’i Jehovah isika.
16 Amin’ny fotoana rehetra dia tokony hanontany tena isika hoe: ‘Misolo tena an’iza aho, ary nahoana aho no manatrika itỳ fivoriambe itỳ?’ Ny fahasalamantsika ara-panahy sy ny fifikirantsika amin’Andriamanitra, dia hita taratra eo amin’ny fitenintsika, ny fitondran-tenantsika, sy ny fankasitrahantsika ny fandaharana ara-panahy. (Jak. 3:13; 1 Pet. 2:2, 3, 12). Ireo rahalahy izay niaritra fameperana sy fandrarana tao anatin’ny taona maro dia matetika no voamarika ho manaraka tsara sy feno fanajana lavitra any amin’ny fivoriambe, mijanona eo amin’ny toerany, mifantoka amin’ireo lahateny sy fampisehoana.
17 Mampita hafatra ny fitafianao sy ny fanamboaranao tena: Ao amin’ny 1 Samoela 16:7, dia ampahatsiahivina antsika fa “ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo”. Araka izany, dia mitsara antsika mifototra amin’ny fisehoantsika ivelany ny olona matetika. Ny fitafiantsika sy ny fanamboarantsika tena dia voadinika amin’ny an-tsipiriany, indrindra fa rehefa manatrika fivoriambe iray ho amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny fampianarana momba ny fiainana kristiana isika. Raha tanora mandeha any an-tsekoly ianao na raha mahatonga anao hifandray akaiky amin’ny olona izay manaraka ny fomban’itỳ tontolo itỳ ny asanao, dia mety ho zava-tsarotra ny hifikitra amin’ireo fari-pitsipika kristiana momba ny fihaingoana maotina.
18 Maro samihafa ny fari-pitsipika momba ny fitafiana sy ny fanamboaran-tena manerana izao tontolo izao. Ny Kristiana dia antenaina hanao fitafiana maotina sy mahamendrika. Iza no tokony hamaritra izany? Tokony ho azon’ireo ray aman-dreny antoka fa ireo zanany zatovo dia tsy mitafy tahaka an’ireo tanoran’itỳ tontolo itỳ any an-tsekoly. Tari-dalana manorina no nomena mba hanampiana antsika hanao fanapahan-kevitra marim-pototra amin’io raharaha saro-pady io. Mampirisika ny hijerena indray ilay lahatsoratra tao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Febroary 1987 hoe “Les vêtements: que représentent-ils pour vous?”, izahay. Inona no voamarika tamin’ny sasany tamin’ireo fivoriambentsika tamin’ny taon-dasa?
19 Taorian’ny iray tamin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra”, dia naharay izao fanamarihana izao izahay: “Tena nisy fivoarana be dia be ireo rahalahy sy anabavy teo amin’ny fitafiany sy ny fanamboarany tena ary ny fitondran-tenany, tany amin’ny fivoriambe tamin’itỳ taona itỳ. (...) Mbola misy ihany anefa toe-javatra sy fahazarana sasany izay ilana fivoarana bebe kokoa.” Taorian’ny fivoriambe hafa iray, dia nisy nitatitra fa tena nisarika ny maso ny fitafiana tsy maotina. Nilaza ilay tatitra fa nanafintohina ny hafa ny fitafian’ny sasany. Ny olona tsy mpikambana sasany tonga tao dia nahamarika koa ilay fitafiana tsy maotina. Ny akanjon’ny sasany dia sady mampihanjahanja loatra no mifinjifinjy loatra.
20 Ny ankamaroan’ireo rahalahy sy anabavy dia manao akanjo maotina sy mendri-kaja rehefa eny amin’ny toerana anaovana ny fivoriambe. Aorian’izany anefa, any amin’ny hotely na restaurants, ny rahalahy sy ny anabavy sasany izay mbola manao insignes, dia niakanjo “sous-vêtements, jeans tonta, shorts tsy maotina, sy (...) fitafiana ara-damaody izay tsy mendrika ho an’ny vahoakan’Andriamanitra”. Raha mahamarika ireo loholona fa manana fironana hitafy toy izany ny sasany mandritra ny fanaovan-javatra amin’ny fotoana malalaka ananany, dia hety ny hanomezana torohevitra feno hatsaram-panahy nefa hentitra, mialoha ny fivoriambe, fa tsy mety ny fihaingoana toy izany, indrindra fa amin’ny maha-solontena manatrika fivoriambe kristiana iray. Avereno jerena miaraka amin’ny olona miara-mianatra ny Baiboly aminao, izay hanatrika ny fivoriambe, aza fady, ireo tari-dalana momba ny fitondran-tena sy ny fitafiana voasoritra etsy ambony.
21 Fakan-tsary sy caméras ary fitaovana fandraisam-peo: Mety ny manome fampahatsiahivana feno hatsaram-panahy momba ny fakan-tsary sy ny caméras ary ny fitaovana fandraisam-peo. Tsarovy, aza fady, fa raha mikasa hampiasa fakan-tsary sy caméras, caméscopes na karazana fitaovana hafa fandraisam-peo ianao, dia manehoa fiheverana an’ireo manodidina anao. Ny fivezivezena mandritra ireo fotoam-pivoriana na ny fakana horonan-tsary eo am-pitoerana fotsiny aza, dia afaka ny hanelingelina ny hafa. Tsy tokony hisy fitaovana, na inona na inona, fakana feo na sary, azo ampifandraisina amin’ny rafitra napetraka momba ny herim-baratra na feo na hanakana ny lalana eny anelanelan’ny laharan-tseza na ny lalan’olona. Na manapa-kevitra ny haka sary ianao na haka tapany amin’ny fandaharana amin’ny caméscope na amin’ny magnétophone, dia raharahan’ny tena manokana izany. Ny sary sy ny horonan-tsary dia afaka mampitamberina fahatsiarovana mahafinaritra rehefa jerena any aoriana. Ny fitaovana rehetra toy ireny dia tokony hampiasaina amim-pahamalinana, amin’ny fomba izay tsy hanelingelina ny hafa na hanakana anao tsy handray soa betsaka indrindra amin’ny fandaharana. Aorian’ny fodianao, hisy fotoana ve hamerenana hijery ireo horonan-tsary? Mety ho hitanao fa ho ampy ny mandray an-tsoratra.
22 Toerana ipetrahana: Tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika 1994 “Tahotra Araka An’Andriamanitra”, nahamarika fivoarana ve ianao raha ny amin’ny famandrihana toerana? Efa nisy fandrosoana vita, nefa mbola mila mitadidy izao fampahatsiahivana izao ihany isika: IREO HAVANA AKAIKY IHANY SY IZAY METY HIRAY FIARA AMINAO NO AZONAO AMANDRIHANA TOERANA. Eo isika amin’ny maha-vahinin’ny Fikambanana antsika. Ny fanofana ny toeram-pivoriana dia naloa tamin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo. Ho fanehoana fitiavana sy fiheverana ve ny hamandrihana toerana iray izay tsy azontsika antoka akory fa hisy hipetraka? Miala tsiny izahay fa tsy ho afaka hanome fahafaham-po amin’ny fangatahana faritra na efitra mitokana ho an’ireo izay manan-java-manahirana avy amin’ny tontolo iainana, toy ny tsy fahazakan-javatra sasany.
23 Ny fivoriambe tsirairay avy dia manao fandaharana ho an’ireo izay mila zavatra manokana, toy ny be taona sy ny kilemaina. Ataovy azo antoka, aza fady, ny tsy haka toerana amin’ny iray amin’ireny faritra ireny raha tsy mahafeno fepetra ho amin’izany ianao. Ary koa, aoka ianao ho mailaka ny hanampy an’ireo izay manan-javatra ilaina manokana mba hahita toerana raha tsy misy olona mpikarakara azy miaraka aminy.
24 Fikarakarana izay ilainao ara-tsakafo amin’ny fivoriambe: Ny takelaka fanampiny tamin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Febroary 1995 dia niresaka fa tsy hisy sakafo haroso eny amin’ny fivoriamben’ny distrika. Ary koa, nisy tsipiriany nomena momba ny antony nanaovana io fanitsiana io, sy fanoloran-kevitra tsara dia tsara momba ny fomba hahafahan’ny rehetra hikarakara izay ilain’ny tenany eo amin’ny sakafo sy ny fisotro any amin’ny fivoriambe. Ho tsara ho an’ny rehetra ny tsy hoe hamerina hijery an’io takelaka fanampiny io fotsiny, fa ny hiara-mandinika azy io koa amin’ireo mpianatra ny Baiboly rehefa miomana ny hanatrika ny fivoriambe izy ireo. Zava-dehibe ny hampahafantarana ireo mpianatra ny Baiboly fa ny mpanatrika rehetra dia tokony hitondra izay zavatra hohaniny sy hosotroiny amin’ny fivoriambe.
25 Mba hanantitranterana hevitra sasany fotsiny, dia hirinao ny hahatsiaro ireo zavatra nanipazan-kevitra hoentina ho amin’ny fiatoana amin’ny antoandro: sakafo antoandro maivana sy tsotra ary mahavelona, mitovy amin’izay entin’ny olona any am-piasana, toy ny sandwich, voankazo nohamainina, voanjo, mofo mamy, sy voankazo. Azo atao ho anisan’ny zavatra hosotroina ny kafe, zava-pisotro mamy, ranom-boankazo, na rano ao anaty fitoerany tsy mora vaky na thermos. Raha ilaina ny vata fampangatsiahana kely, dia azo ekena izy ireny raha omby ao ambanin’ny sezanao. Kanefa, dia tsy tokony hoentina eny amin’ny toeram-pivoriambe kosa ny vata fampangatsiahana lehibe fitondra amin’ny pique-nique, ny zava-pisotro misy alkaola, ny fitoeran-javatra vita amin’ny tavoahangy. Tokony hohalavirina ny misakafo na mihinankinan-javatra mandritra ireo fotoam-pivoriana amin’ny fandaharana. Izany dia hampiseho tsy fanajana ny sakafo ara-panahy aroso.
26 Tsara ny hisaintsainana momba ny hoe ny fotoana natokana ho an’ny fiatoana amin’ny antoandro dia natao mba hahafahantsika handray sakafo maivana sy hankafỳ fifaneraserana teokratika miaraka amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika. Amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah antsika, dia manaiky isika fa ny sakafo ara-panahy any amin’ireo fivoriambe dia zava-dehibe indrindra raha oharina amin’ny zavatra ara-nofo, ka tokony handamin-javatra mifanaraka amin’izany isika.
27 Amin’ny 18 Aogositra 1995, dia hanomboka ny voalohany amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”. Ny vavakay amim-pahatsorana dia ny hitahian’i Jehovah ny fiezahanareo hanatrika io fivoriambe io miaraka amin’ireo rahalahinareo sy anabavinareo, eo am-pieritreretantsika foana ny fomba hahatongavana ho mpidera an’i Jehovah amim-pifaliana.
[Efajoro, pejy 6]
Fampahatsiahivana ny Amin’ny Fivoriamben’ny Distrika
Batisa: Ireo mpilatsaka hatao batisa dia tokony ho eo amin’ny toerany, amin’ny faritra voatondro ho azy ireo, alohan’ny hanombohan’ny fandaharana ny asabotsy maraina. Voamarika fa ny sasany dia manao karazam-pitafiana tsy mendrika sy mampivily ny saina tsy ho amin’ilay fisehoan-javatra. Tokony hitondra fitafiana fitondra milomano maotina sy lamba famaohana izay mikasa hatao batisa. Aorian’ny lahatenin’ny batisa sy ny vavaka ataon’ilay mpandahateny, dia hanome toromarika fohy ho an’ireo mpilatsaka hatao batisa ny mpitari-draharaha ary avy eo dia hanasa hanao hira iray. Aorian’ny andininy farany, dia hitarika ny mpilatsaka hatao batisa ho any amin’ny toerana hanaovana batisa ireo mpikarakara ny mpanatrika. Koa satria raharaha manokana eo amin’ny olona iray sy i Jehovah ny batisa ho mariky ny nanolorany tena, dia tsy misy fandaharana hanaovana izay antsoina hoe batisa mitambatra, izay hifampisakambinana na hifampitantanan’ny mpilatsaka hatao batisa roa na mihoatra eo am-panaovana batisa azy.
Insignes: Anaovy eny amin’ny fivoriambe sy mandritra ny dianao mandroso sy miverina aza fady ilay insigne natao manokana ho an’ny 1995. Matetika izany no mahatonga antsika ho afaka hanao fanambarana tsara dia tsara eny am-pandehanana. Tokony horaisina amin’ny alalan’ny kongregasiona izy ireny satria tsy hisy any amin’ny fivoriambe. Aza hadinoina ny mitondra ny karatrao momba ny Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra. Tokony hanana any aminy koa ny karatra famantarana azy ireo mpianakavin’ny Betela sy ireo mpisava lalana.
Asa an-tsitrapo: Afaka manokana fotoana sasany ve ianao eny amin’ny fivoriambe mba hitondrana ny fanampianao ao amin’ny iray amin’ireo sampan-draharaha samihafa? Mety ho tena hilaina sy hitondra fahafaham-po lehibe ny fanompoana ireo rahalahy, na dia mandritra ny ora vitsivitsy monja aza. Raha maniry hitondra ny fanampianao ianao, dia iangaviana mba hiseho eo amin’ny Sampan-draharahan’ny Asa An-tsitrapo eny amin’ny fivoriambe. Azon’ireo ankizy latsaka ny 16 taona atao koa ny manao zavatra tsara dia tsara, amin’ny fiasana miaraka amin’ny rainy na ny reniny, na olon-dehibe hafa iray azo itokiana.
Teny fampitandremana: Amin’ny fitoerana ho mailo amin’ireo zava-manahirana mety hisy, dia hiaro tena amin’ny fahasahiranana tsy ilaina isika. Matetika ny mpangalatra sy ireo maty eritreritra no miremby an’ireo olona lavitra ny toerana misy azy. Aoka ho azonao antoka fa voahidy ny fiaranao amin’ny fotoana rehetra, ary aza avela hisy zavatra ho hita ao anatiny ka hitondra fakam-panahy hiditra ao an-keriny. Ireo mpangalatra sy mpangarom-paosy dia mizaha taratra an’ireo fihaonambe. Tsy ho fahendrena ny hamelana izay mety ho zava-tsarobidy eo amin’ny toeranao. Tsy azonao antoka fa Kristiana avokoa ny olona rehetra manodidina anao. Nahoana no haka fanahy olona? Nisy tatitra nilazana fa nisy olona tsy fantatra nanandrana nitaona am-pitaka ireo ankizy kely ho eny ivelany. ARAHO MASO HATRANY NY ZANAKAO AMIN’NY FOTOANA REHETRA.