Fandaharana Vaovao ho An’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany
1 Manomboka amin’ny Septambra, ny foto-kevitra ho an’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany dia hoe “Mihainoa ka Mianara Manaraka ny Tenin’Andriamanitra”. Io foto-kevitra io, miorina amin’ny Deoteronomia 31:12, 13, dia manome fototra mifanentana ho an’ilay fandaharana manontolo mba hanasongadinana lesona ilaintsika hianarana sy hampiharina.
2 Na dia mihaino fanambarana ara-tsindrimandry mamitaka aza ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao, dia tena ilain’ny tsirairay avy amintsika ny mihaino ny Tenin’Andriamanitra sy ny mianatra manaraka azy io. (Lioka 11:28; 1 Tim. 4:1, NW ). Ho amin’izany no nanaovana ilay fandaharana ho an’ny fivoriamben’ny fizaran-tany, mba hanomezana fampaherezana sy fanampiana ho an’ireo mpitory, fianakaviana, loholona, sy mpisava lalana. Ny asabotsy, dia hisy fitohitohizan-dahateny mizara efatra momba ilay loha hevitra hoe “Fiatrehana Ireo Zava-manahirana Antsika — Amin’ny Fanehoana Fitandremana ny Tenin’Andriamanitra”. Ary ny alahady maraina, dia hisy fitohitohizan-dahateny mitondra ny lohateny hoe “Ny Fomba Ifehezan’ny Soratra Masina Amin’ny Rariny”. Ilay fandaharana manontolo dia hanolotra fampaherezana ara-panahy, izay tsy tokony havelanao sy ny fianakavianao handalo.
3 Ny asabotsy sy ny alahady, dia samy hisy fanoloran-kevitra azo ampiharina ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, hatolotra sy hanaovana fampisehoana. Hisy koa fanandraman-javatra sy fanadinadinana mampahery sy ahitana fianarana, hatolotra. Noho izany, amin’ny fanatrehana sy ny fihainoana amin’ny fikendrena ny hampihatra izay ianaranao, dia ho tsara toerana kokoa ianao mba hanaraka amin’ny fomba feno ireo didy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.
4 Iray amin’ireo zavatra hisongadina amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany ny batisan’ireo rahalahy sy anabavy vao avy nanolo-tena. Ela be alohan’io fanambarana ampahibemaso ny fanoloran-tenany io, ireo mpilatsaka hatao batisa dia tokony hilaza amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha ny faniriany hatao batisa, mba hahafahan’izy io hanao fandaharana ho amin’ny fivorian’ireo loholona miaraka amin’izy ireo.
5 Ny lahateny ampahibemaso amin’io fivoriamben’ny fizaran-tany io dia mitondra ny lohateny hoe “Nahoana no Tarihin’ny Baiboly?” Asao ireo olona liana mba hanatrika. Amin’ny fiandrasana amim-panantenana ny fampaherezana sy ny fanampiana tena ilaina izay horaisinao sy ny fianakavianao, dia manaova planina hentitra ny hanatrika ilay fandaharana manontolo.