FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/95 p. 1
  • Fitondran-tena Kristiana any An-tsekoly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitondran-tena Kristiana any An-tsekoly
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Mihazòna tanjaka ara-panahy, mitoera ho madio ho amin’ny fanompoana an’i Jehova
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Ry tanora kristiana — Miorena mafy amin’ny finoana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Hatanjaka Tsara ve ny Finoanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Tena Mino ny Vaovao Tsara ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 8/95 p. 1

Fitondran-tena Kristiana any An-tsekoly

1 Raha tanora kristiana mbola mankany an-tsekoly ianao, dia mila finoana matanjaka mba hitanana ny tsy fivadihanao. Misetra naman-dratsy sy tarehin-javatra izay mety hitsapa ny finoanao ianao. Zava-dehibe ny hampiharanao ny torohevitr’i Petera mba ‘ho tsara ny fitondran-tenanao eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra noho ny ahitany ny asa tsara ataonao’. (1 Pet. 2:12). Mila herim-po sy fahatapahan-kevitra ianao mba hiatrehana io zava-tsarotra io.

2 Ao an-tsekoly na any ivelan’ny sekoly, dia tafihin’ny fitaomana mandoto hanao firaisana alohan’ny fanambadiana, hampiasa fiteny maloto, hihinana paraky na hifoka sigara, sy hidoroka zava-mahadomelina, ianao. Isan’andro dia tojo fakam-panahy izay mandrahona ny hanimba ny fitondran-tenanao tsara ianao. Tahaka ireo olon-dehibe, dia tsy maintsy ‘miezaka mafy hiaro ny finoana’ ianao raha tianao ny hiaritra ireo fisedrana toy izany. — Joda 3; jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1991, pejy faha-23-26.

3 Any an-tsekoly, dia misy fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana sy fetin’izao tontolo izao. Fantatrao ve hoe inona avy ireo fetim-pirenena sy fety ara-pivavahana atao ao an-tsekolinao? Raha mipoitra ny tarehin-javatra sarotra, moa ve ianao ho afaka ‘hanana fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanao tsara’? — 1 Pet. 3:16.

4 Mety haka fanahy anao ny fitaomana feno fitaky ny fanaovana spaoro na zavatra ivelan’ny ora fianarana any an-tsekoly. Tsy maintsy mailo ianao mba hamantatra ny fomba ahafahan’ireny fanaovan-javatra toa mahafinaritra ireny mampanaiky lembenana ny finoanao. Ilaina ny mifidy namana izay ahafahanao mankamamy “fifanakalozana fampaherezana”, ka samy ampandrosoana amin’ny alalan’ny finoan’ny ankilany ny tsirairay avy. — Rom. 1:12, NW.

5 Afaka miaritra ianao noho ny fanampian’i Jehovah: Mitsapa tsy an-kijanona ny finoanao i Satana. Mety ho mafy ny fisedrana tsy maintsy iaretanao, kanefa ireo valisoa dia mahatonga izany rehetra izany ho mendrika ny hatao. (1 Pet. 1:6, 7, NW). Tsy afaka miaritra amim-pahombiazana amin’ny herinao irery ianao; tsy maintsy miankina amin’i Jehovah ianao mba hahazoana fanampiana. Nampirisika mafy ny mpianany toy izao i Jesosy: “[Aza mitsahatra ny miambina ary mivavaha mandrakariva, NW] mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy”. (Matio 26:41). Tena zava-dehibe ny fifehezana sy ny fifehezan-tena. — 1 Kor. 9:27.

6 Tadidio foana fa ampamoahina eo anatrehan’i Jehovah ianao noho ny fitondran-tenanao. (Mpit. 11:9). Na dia mety ho tsy hitan’ny hafa aza izay ataonao, dia mahafantatra izay ataonao i Jehovah ka hamoaka didim-pitsarana. (Heb. 4:13). Tokony hanosika anao ‘hiasa amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anao’ ny faniriana amim-pahatsorana hampifaly azy. (Fil. 2:12). Fanampiana lehibe ny famakiana isan’andro ny Tenin’Andriamanitra. Izy io dia feno torohevitra faran’izay tsara sy ohatra tsara dia tsara hotahafina. — Heb. 12:1-3.

7 Ry ray aman-dreny, manana anjara asa tena lehibe ianareo. Mila manara-maso ny zanakareo ianareo, mahafantatra ireo zava-manahirana atrehiny ary manolotra fanampiana rehefa ilaina izany. Manana fifandraisana tsara amin’ny zanakareo ve ianareo? Nampianatra tsara azy ireo ny fahazoana amim-pankasitrahana ny hevitry ny lalàna sy ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ve ianareo? Rehefa miatrika fanerena na fakam-panahy izy ireo, matanjaka ve ny zanakareo, sa manaiky ho resy mora foana? Kivy ve izy ireo satria tsy maintsy ho hafa noho ireo mitovy taona aminy? Amin’ny maha-ray aman-dreny anareo, dia manana andraikitra hanampy azy ianareo. (Deot. 6:6, 7). Raha manao tsara ny asanareo ianareo, dia afaka manampy azy ireo ho mpandresy eo amin’ny ady ho amin’ny finoana. — Ohab. 22:6.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara