Fandaharana Vaovaon’ny Andro Fivoriambe Manokana
1 “Aoka Ianareo ho Olona Ampianarin’i Jehovah” no loha hevitry ny fandaharana vaovaon’ny andro fivoriambe manokana manomboka amin’ny Septambra. (Jaona 6:45). Tena manampy antsika hanana fiainana mahafa-po ny fampianarana araka an’Andriamanitra avy amin’i Jehovah. Izy io dia mampitombo ao amintsika fankasitrahana lalina ny lovantsika ara-panahy. Ny ezaka ataontsika mba hanampiana ny hafa handre ny vaovao tsara dia mahatonga antsika ho mpikambana mahasoa eo anivon’ny fitambaran’olona. Io andro fivoriambe manokana io dia hanasongadina ireo fitahiana ankafizin’ireo olona ampianarin’i Jehovah.
2 Ilay fandaharana dia hampifanohitra ny soa avy amin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra sy ny loza avy amin’ny fahalalana araka an’izao tontolo izao. Hahita mazava kokoa isika ny fomba anomezan’i Jehovah ilay fanabeazana ambony karazana indrindra — ny fanabeazana miorina amin’ny Teniny, ny Baiboly. Hisy lafiny telo amin’ny fanompoam-pivavahana hoantitranterina, izay ahatsapantsika faharavoravoana noho isika ampianarin’i Jehovah. Fanampin’izany, ireo tanora dia hampirisihina hanahaka an’ireo ohatra miavaka ao amin’ny Baiboly, toa an’i Davida sy i Timoty, sy hanorina ny fiainany manodidina ny asa ara-panahy. Hihamatanjaka ny finoantsika rehefa hasongadina koa ny tsy fivadihan’ireo be taona. Ireo vao nanolo-tena ka mahafeno fepetra, dia ho azo atao batisa. Aloha ben’ny andron’ny fivoriambe, dia tokony hampahafantatra ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha an’izany faniriany izany izy ireo.
3 Ny lahateny lehibe indrindra amin’ny andro fivoriambe manokana dia mitondra ny lohateny hoe “Ampianarin’i Jehovah Hanao ny Sitrapony”. Izy io dia hanamafy ny antony ilantsika rehetra ny tsy hitsahatra hianatra sy ny hitoetra amin’ny finoana ary ny hanohy hanao fandrosoana. Hampirisihina isika hanahaka an’i Jehovah amin’ny fampianarana ny hafa ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Hisy fanandraman-javatra mampahery hampiseho ny fomba nanampian’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana olona maro mba hampianarin’i Jehovah. Hasongadina ireo zavatra mahasoa vitan’ny fandaharam-pampianarana maneran-tanin’i Jehovah.
4 Manaova fandaharana raikitra mialoha mba hanatrehana. Ampirisiho ny olona liana rehetra ho tonga. Miandrasa mafy ny hampianarin’ilay Mpampianatra Lehibe antsika zava-tsoa maro. — Isaia 30:20, NW.