Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Hafiriana no tokony hitarihana fampianarana Baiboly amin’ny boky Fahalalana amin’ny olona iray?
I Jehovah dia mitahy ny fandaminany amin’izao andro izao. Mahita porofon’izany isika isan-taona, rehefa misy olona vaovao an’arivony maro miandany amin’ny fahamarinana. Hita ho fiasana mandaitra mba hanatanterahana izany ny boky Fahalalana. Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1996 dia nampiseho fa io boky io dia novolavolaina mba hanampiana ny mpianatra Baiboly iray hanao fandrosoana ara-panahy haingana ihany, ka angamba ho tonga hatramin’ny batisa ao anatin’ny volana vitsivitsy.
Noho izany antony izany, dia nanoro hevitra toy izao io Tilikambo io ihany, pejy faha-17: “Rehefa nahavita ny fianarany Baiboly tamin’ny boky Fahalalana ny olona iray ary vita batisa, dia mety tsy hilaina ny hitarihana aminy fianarana araka ny fanao, amin’ny boky faharoa.”
Ahoana raha tsy atao batisa ny olona iray, nefa vita ny boky Fahalalana? Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996, pejy faha-6, fehintsoratra faha-23, dia nampahatsiahy antsika ilay hevitra nohazavaina tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana momba ny tsy hiaraha-mianatra boky fanampiny amin’ny mpianatra iray ihany, rehefa vita ny boky Fahalalana. Midika ve izany fa tsy liana ny hanampy mpianatra Baiboly iray ankoatra an’izay isika? Tsia. Tiantsika ny hahazoan’ny olona fahalalana fototra ny fahamarinana. Kanefa, antenaina fa ao anatin’y fe-potoana fohifohy ihany, ny mpampianatra mahay iray dia ho afaka hanampy mpianatra tsotra iray tso-po hahazo fahalalana ampy mba hanaovana fanapahan-kevitra amim-pisainana tsara mba hanompo an’i Jehovah. Angamba, noho ny toe-javatra misy azy manokana, ny mpianatra Baiboly sasany dia mety haniry hianatra imbetsaka kokoa noho ny indray mandeha isan-kerinandro mihitsy aza.
Ekena fa ny mpianatra sasany dia handroso miadana kokoa noho ny hafa. Nefa raha toa, rehefa avy nianatra ny boky Fahalalana, izay mety haharitra ela kokoa noho ny atao amin’ny hafa, ilay olona, ka tsy nanapa-kevitra ny haniry hifandray amin’ny kongregasiona ny tenany, ilay mpitory dia tokony hiresaka momba ilay tarehin-javatra amin’ny iray amin’ireo loholona ao amin’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Kongregasiona. Raha misy toe-javatra manala tsiny azy na tsy toy ny mahazatra, dia mety ho azo ekena ny hanomezana fanampiana fanampiny. Izany dia mifanaraka amin’ilay fotopoto-pitsipika fonosin’izay voambara ao amin’ny fehintsoratra faha-11 sy faha-12 eo amin’ny pejy faha-17 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1996.
Ny fankasitrahana noho ny fandraisana na dia fahalalana fototra ny fahamarinana aza dia tokony hanosika ilay mpianatra hanatrika ireo fivoriana kristiana. Izany dia mety hitarika ilay mpianatra hanome porofo mazava ny amin’ny faniriany hanompo an’i Jehovah. Raha tsy hita miharihary ny fankasitrahana ara-panahy toy izany aorian’ny nitarihana fianarana tao amin’ny boky Fahalalana nandritra ny elaela, dia mety ho fahendrena ny hampitsaharana ilay fianarana.