FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/98 p. 3-6
  • Aoka Ianao Hahita Vokatra eo Amin’ny Fanompoanao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka Ianao Hahita Vokatra eo Amin’ny Fanompoanao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Itoriana ny Vaovao Tsara
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Aoka isika hitandrina mandrakariva ny fampianarantsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Handray Soa Ianao Raha Manana ny Faritaninao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara ny Fotoananao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 11/98 p. 3-6

Aoka Ianao Hahita Vokatra eo Amin’ny Fanompoanao

1 Mihamaizina ny lanitra, ary injay misy feo hafahafa mihamafy ka tonga firohondrohona mankarenin-tsofina. Misy rahona mitarehin-tsetroka midina. Inona izany? Andiam-balala miisa an-tapitrisany maro no tonga handrava tanteraka ny tany! Misy fahatanterahany amin’izao andro eo amin’ny asa fitoriana ataon’ireo mpanompon’Andriamanitra voahosotra sy ny olona betsaka namany, io fisehoan-javatra nolazalazain’i Joela mpaminany io.

2 Nanamarika toy izao Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 May 1998, pejy faha-11, fehintsoratra faha-19: “Ny andiam-balalan’Andriamanitra amin’ny andro maoderina dia nanao fanambarana feno tao ‘an-tanànan’ny’ Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina. (Joela 2:9) (...) Mbola eo am-pananihana ny vato misakana rehetra foana izy ireo, ka miditra any an-tokantranon’ny olona an-tapitrisany maro, manatona ny olona eny amin’ny arabe, miresaka amin’izy ireny amin’ny alalan’ny telefaonina, ary mifandray amin’izy ireny araka izay fomba rehetra azo atao, eo am-panambarana ny hafatr’i Jehovah.” Tsy tombontsoa lehibe ve ny mandray anjara amin’io asa nanendren’Andriamanitra io?

3 Tsy tahaka ny valala ara-bakiteny, izay tsy manan-java-kendrena afa-tsy ny hamahan-tena fotsiny, isika, fa miahy be dia be ny amin’ny ain’ireo izay itoriantsika amin’ny maha mpanompon’i Jehovah antsika. Irintsika ny hanampy ny hafa hianatra ireo fahamarinana be voninahitra voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy hanao dingana izay hitarika ho amin’ny famonjena azy ireo mandrakizay. (Jaona 17:3; 1 Tim. 4:16). Noho izany, dia irintsika ny hahita vokatra eo amin’ny fomba hanatontosantsika ny fanompoantsika. Na inona na inona fomba fitoriana ampiasaintsika, dia tokony handinika isika raha manatontosa azy io amin’ny fomba sy amin’ny fotoana izay hahazoana vokatra tsara indrindra isika. Koa satria “eo am-piovana ny sehatr’ity tontolo ity”, dia tsara ny hamakafakantsika ny fomba fanaovantsika zavatra sy ny tari-dresaka ataontsika mba hahazoana antoka fa, na dia zava-tsarotra aza ny hoe mahita vokatra araka izay azo atao, dia miatrika izany isika. — 1 Kor. 7:31, NW.

4 Mbola andry iankinan’ny fanompoantsika ihany ny isan-trano, na dia miezaka miresaka amin’ny olona amin’ny fomba maro aza isika. Hitanao ve fa matetika no tsy ao an-trano ny olona na revo mijery televiziona izy ireo rehefa mitsidika any ianao? Tena mahakivy mihitsy izany, satria tsy afaka mizara ilay hafatra momba ny vaovao tsara amin’izy ireo ianao! Ahoana no ahafahanao miatrika io zava-tsarotra io?

5 Aoka ianao hahay hifanaraka amin’ny toe-javatra sy hahalala ny antonony: Teo amin’ny Isiraely tamin’ny taon-jato voalohany, dia nanarato tamin’ny alina ireo mpanarato. Nahoana no tamin’ny alina? Fotoana faran’izay tsara nahazoana hazandrano betsaka indrindra izany, na dia tsy fotoana nety indrindra tamin’ny tenany aza. Fotoana tena nahitam-bokatra indrindra izany. Nilaza toy izao Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 1992, rehefa niresaka momba an’io fomba fanao io: “Isika koa dia tokony hamantatra ny faritanintsika mba handehanana hanarato, raha azo atao ny milaza izany, rehefa ao an-tranony sy vonona ny hihaino ny ankamaroan’ny olona.” Asehon’ny fandinihana amim-pitandremana ireo fahazaran’ny fiaraha-monina fa any amin’ny faritra manamorona ny tanàn-dehibe maro sy ny faritra be trano fonenana, dia angamba ho ao an-trano ny olona rehefa mitsidika vao maraina isika ny asabotsy sy ny alahady, ary mandray tsara ny fahamarinana izy ireo. Kanefa, inona no azonao atao raha hitanao fa olona maro no tsy ao an-trano na lasa niangona? Raha izany no toe-javatra eo amin’ny faritra misy anao, moa ve ianao afaka manitsy ny fotoana hitorianao ho amin’ny antoandro kokoa na amin’ny tolakandro mihitsy aza? Izany no fomba tsara dia tsara hampitomboana ny fahitana vokatra eo amin’ny fanompoantsika, ary koa hampisehoana fiheverana ireo mpiara-belona amintsika, izay porofo iray ny amin’ny tena fitiavana kristianina. — Matio 7:12.

6 Ao amin’ny Filipiana 4:5 (NW ) ny apostoly Paoly dia mampahatsiahy antsika fa tokony ‘ho fantatry ny olona rehetra ny fahalalantsika ny antonony’. Mifanaraka amin’io toromarika ara-tsindrimandry io, dia irintsika ny hahay handanjalanja sy hahalala ny antonony eo amin’ny fomba fanaovantsika zavatra eo am-panatontosantsika amin-jotom-po sy amin-kafanam-po ny fitoriana nanendrena antsika. Tsy irintsika ny hiahotra ka ‘tsy hampianatra eo imason’ny olona sy ao amin’ny isan-trano’, fa ny hahazo antoka kosa fa manatontosa ny fitoriantsika isan-trano amin’ny fotoana mety sy ahitana vokatra isika. (Asa. 20:20). Mitovy amin’ireo mpanarato teo amin’ny Isiraely tamin’ny taonjato voalohany, dia hanao ny ‘fanaratoana’ amin’ny fotoana izay ahafahantsika mahazo vokatra be indrindra isika, fa tsy amin’ny fotoana izay hitantsika fa mety indrindra amin’ny tenantsika.

7 Fanitsiana inona no azo atao? Matetika no atao amin’ny valo ora sy sasany maraina na amin’ny sivy ora maraina ny fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ny asabotsy sy ny alahady, ka manao isan-trano avy hatrany any amin’ny faritany ireo mpitory, aorian’izany. Kanefa, ny fitambaran-doholona sasany dia nandamina ny handraisan’ireo mpitory anjara amin’ny endriny hafa amin’ny fanompoana toy ny fanambarana eny amin’ny arabe, eny amin’ny faritra be mpivarotra, na fiverenana mitsidika, alohan’ny handehanany hanao isan-trano eny amin’ny faritra be trano fonenana. Aorian’izany, dia manao isan-trano avy hatrany ireo mpitory ary mijanona any amin’ny fanompoana hatramin’ny antoandro be. Any amin’ny faritany sasany, dia ny tolakandro, fa tsy ny maraina no mety ho fotoana tsara indrindra hanaovana fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Mety handray anjara tsara amin’ny fahitana vokatra mitombo eny amin’ny fitoriana isam-baravarana ny fanitsiana toy izany.

8 Aoka ianao hahay hanavaka sy hahay handanjalanja: Rehefa miresaka amin’ny olona isam-baravarana isika, dia mahita fihetsika maro isan-karazany manoloana ny hafatra entintsika. Tompon-trano maro no mandray tsara, ny hafa tsy miraika, ary mbola misy vitsivitsy ihany mety ho tia manao ady hevitra na ho tia ady. Raha io farany io no mitranga, dia mampahatsiahy antsika ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina pejy faha-7, fa isika dia tsy mitady ny “ ‘handresy lahatra’ ireo olona izay tsy mampiseho fanajana ny fahamarinana”. Tsara ny miala, raha manohitra ilay tompon-trano. Tsy tokony hanao izay hampahatezitra ny olona mihitsy isika amin’ny fisisihana hiresaka aminy sy hampanaiky azy ny fomba fihevitsika. Tsy manery ny olona hihaino ny hafatra entintsika isika. Tsy ho fahalalana ny antonony izany no sady mety hiteraka zava-manahirana ho an’ny Vavolombelona hafa sy ilay asa amin’ny ankapobeny.

9 Alohan’ny hanombohana hiasa ny faritany iray, dia ho fahendrena ny manamarina ny karatra momba ny faritany mba hijerena ny adiresin’ireo olona izay nilaza tamintsika fa tsy maniry hotsidihina izy. Raha misy ny adiresy toy izany, dia tokony hilazana ny amin’izay trano tsy hotsidihina ny mpitory tsirairay miasa any amin’izany faritany izany. Tsy tokony hisy olona hanapa-kevitra samirery ny hitsidika ireny trano ireny, tsy misy toromarika avy amin’ny mpiandraikitra ny fanompoana mba hanao izany. — Jereo ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1994, ao amin’ny Valin’ireo Fanontanianareo.

10 Afaka mampitombo ny fahitantsika vokatra isika, amin’ny fananana fahaiza-manavaka rehefa manao fitoriana isan-trano. Aoka ianao handinika tsara rehefa manatona trano iray. Raha mahita olona revo mijery televiziona ianao, dia afaka manontany raha misy amin’izy ireo afaka mihaino ilay hafatra momba ny vaovao tsara na tsia, na manolora gazety fotsiny. Raha tsy vonona hihaino ny olona amin’io fotoana io, dia angamba tsara raha dinganina io trano io amin’izay fotoana izay, ka raisina an-tsoratra ny nomeraony. Afaka mijery indray ilay trano ianao alohan’ny handaozana ilay faritany na manisy marika ao amin’ny fakanao an-tsoratra hoe hiverenana indray rehefa afaka kelikely.

11 Mety tsara koa ny hananana fahaiza-manavaka eo am-piezahantsika mba hiasa tanteraka ny faritanintsika. Raha olona maro no tsy ao an-tranony rehefa mitsidika voalohany isika, dia ilaintsika ny manao ezaka fanampiny mba hihaonana amin’izy ireny. (Rom. 10:13). Raha tsy hita taorian’ny fanandramana vitsivitsy natao tao anatin’ny fotoana samy hafa tamin’ny andro, toy ny vao maraina be na rehefa harivariva, ohatra, ilay olona, dia mety ho azo atao ny hiresaka aminy amin’ny alalan’ny telefaonina, any amin’ny faritra sasany. Raha tsy izany, dia azo apetraka amim-pahamalinana eo am-baravarana ny taratasy mivalona na taratasy fanasana, indrindra raha vitaina matetika amin’ny fomba ara-dalàna ny fiasana ilay faritany. Angamba ho azo atao tsara ny hiresaka amin’ilay olona amin’ny fotoana manaraka iasana ilay faritany.

12 Tokony tsy hiresaka maharitra eo am-baravarana isika, rehefa ratsy ny toetr’andro. Mitandrema mba tsy handoto ny gorodona, rehefa asaina handroso. Mampiasà fahaiza-manavaka tsara rehefa manambana ny alika iray mivovò. Rehefa miasa any amin’ny trano misy rihana, dia mitenena moramora ary aza manao tabataba izay hanelingelina ny mpanofa hafa sy hampahafantatra fa ao ianao.

13 Aoka ianao hilamina sy ho mendrika: Noho ny fandaminan-javatra tsara, dia afaka manalavitra ny fisian’ny antokon’olona mivorivory maro be eo amin’ilay faritany, ka misarika ny mason’ny olona, isika. Mety hatahotra ny tompon-trano sasany amin’izany. Tsy irintsika ny hanaovana izay hiheverana fa “manafika” ireo faritra be trano fonenana isika. Tsara raha atao any amin’ny fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ny fandaharana hiasana ilay faritany. Tsy mampahatahotra firy ny tompon-trano ny mpitory vitsivitsy, toy ny fianakaviana iray, no sady tsy dia ilaina haverina halamina izy ireo eo am-piasana ilay faritany.

14 Ny fitiavana filaminana dia mitaky ny hanarahan’ny ray aman-dreny maso amim-pitandremana ny fitondran-tenan’ny zanany, rehefa miasa eny amin’ny faritany. Tokony hitondra tena tsara ny ankizy rehefa miaraka amin’ny olon-dehibe eny am-baravarana. Tsy tokony havela hilalao na hivezivezy ny ankizy, ka hisarika ny sain’ny olona ao an-trano na ny mpandalo.

15 Maro no nahita vokatra tsara dia tsara tamin’ny fanatonana olona na taiza na taiza nety ho nahitana azy ireny — teny amin’ny arabe sy teny amin’ny parking ary teny amin’ny toeran-kafa. Eto koa, dia irintsika ny hanao fanambarana tsara dia tsara, tsy amin’ny alalan’ny tenintsika ihany fa amin’ny alalan’ny fahalalantsika ny antonony koa. Tokony hahazo antoka ny mpitory ao amin’ny kôngregasiôna tsirairay fa manaja ny faritry ny faritaniny izy ireo mba tsy hanelingelina be loatra ny mpandeha an-tongotra eny amin’ny toerana fivarotana, na ireo mpiasa eo am-perinasa. Mba hahazoana antoka fa manatontosa ny fanompoantsika amin’ny fomba milamina sy mendrika isika, dia ao anatin’ny faritany nanendrena antsika manokana ihany isika no hiasa, raha tsy hoe nisy fandaharana mazava tsara angaha natao tamin’ny alalan’ny Komitin’ny Fanompoana ao Amin’ny Kôngregasiôna iray hafa, mba hanomezana azy ireo fanampiana. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 10:13-15.

16 Ny kôngregasiôna sasany izay manana faritra maro azo anaovana fanambarana ampahibemaso dia nandamina azy ireny ho faritany. Misy karatra momba ny faritany omena ny mpitory tsirairay, na ny antoko-mpitory. Izany dia manamora ny famitana azy amin’ny fomba mandaitra sy hisorohana ny fisian’ny mpitory maro loatra miasa eo amin’ny faritra iray ao anatin’ny fotoana iray ihany, ary mifanaraka amin’ilay foto-pitsipika ao amin’ny 1 Korintiana 14:40, manao hoe: “Aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana.”

17 Tokony ho mendrika hatrany sy hampiseho antsika ho minisitra mitondra ny anaran’i Jehovah, ny fisehoantsika ivelany. Marina koa izany raha ny amin’ny fitaovana ampiasaintsika. Mampihen-danja ny hafatra momba ilay Fanjakana ny kitapo efa tonta be sy ny Baiboly efa mihorongorona be ny sisiny na maloto. Voalaza fa ny fitafiana sy ny fisehoana ankapobe dia “fomba fampitana hafatra haingana izay manome ho an’ny olona manodidina filazalazana momba ny hoe iza sy hoe manao ahoana ianao, ary hoe aiza ho aiza ny toerana misy anao eo amin’ny fiaraha-monina”. Noho izany, dia tsy tokony hikorontana na hisavoritaka, na ho marevaka be na ho haingon’adala ny fisehoantsika ivelany, fa tokony ho ‘mendrika ny filazantsara’ foana. — Fil. 1:27; ampitahao amin’ny 1 Timoty 2:9, 10.

18 Nilaza toy izao ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 9:26: “Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra”. Tapa-kevitra ny hanao fanompoana mandaitra sy mahavokatra isika, ho fanahafana an’i Paoly. Mandray anjara amin-jotom-po amin’ny asa fanambarana isika, noho isika anisan’ilay ‘andiam-balalan’i Jehovah’ amin’izao andro izao. Noho izany, dia enga anie isika hampiasa ny fahalalana ny antonony sy ny fahaiza-manavaka kristianina mba hitondrana ilay hafatra famonjena any amin’ny olona ao amin’ny faritanintsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara