Ny Fomba Hambolena Fahaiza-manjohy Hevitra
1 Ny fomba iray amaritana ny teny hoe “manjohy hevitra” dia hoe “miresaka amin’ny olona iray hafa mba hahatonga azy hanova ny zavatra ataony na heveriny”. Mba hahitanao vokatra kokoa eo amin’ny fanompoana, dia mila mamboly ny fahaizana manjohy hevitra miaraka amin’ireo olona hitanao ianao. (Asa. 17:2-4). Ahoana anefa no ahafahanao mamboly io fahaizana io?
2 Fisaintsainana no dingana voalohany: Eo am-pianaranao ireo fahamarinana ara-baiboly, dia ho hitanao fa hanampy anao ny misaintsaina momba ilay fanazavana ianaranao. Raha misy hevitra toa sarotra kokoa, dia makà fotoana hanaovana fikarohana sy hisaintsainana momba ny valiny. Miezaha hahatakatra tsara, tsy ireo fanazavana omena ihany, fa ireo antony araka ny Soratra Masina iorenan’ireo fanazavana ireo koa.
3 Ilaina ny manomana ny fanompoana: Eritrereto ny fomba hanazavanao ilay fahamarinana amin’ny karazan’olona samihafa. Manomàna fanontaniana mampisaintsaina iray, mba hanairana fahalianana. Tadiavo ny fomba hampidirana andinin-teny iray sy hanjohian-kevitra momba azy io. Hevero mialoha izay fanoherana mety hipoitra, ary eritrereto ny fomba hiresahana momba azy io. Mamarita hevitra misongadina iray ao amin’ilay boky na gazety atolotra, izay azo ampiharina amin’ny fomba tsara indrindra.
4 Araho ny ohatr’i Jesosy: Namela ny modely tsara indrindra i Jesosy, raha ny amin’ny fanjohian-kevitra amin’ny fomba mandaitra avy ao amin’ny Soratra Masina. Mba hamakafakana ny fomba nampianarany, dia diniho ilay fitantarana ao amin’ny Lioka 10:25-37. Mariho ilay fomba narahiny: 1) Misarika ny sain’ny olona ho amin’ny Soratra Masina, rehefa hamaly ny fanontaniany. 2) Manasa azy hiteny, ary manao teny fiderana azy, rehefa manome valin-teny marina izy. 3) Atao azo antoka fa mazava aminy foana ny ifandraisan’ilay fanontaniana sy ireo andinin-teny. 4) Mampiasa fanoharana manohina ny fony, mba hahazoana antoka fa azony ny tena hevitr’ilay valin-teny. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1986, pejy 27-28, fehintsoratra 8-10.
5 Ampiasao ilay fitaovana nomena antsika: Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina dia natonta mba hampiasaintsika eny amin’ny saha fanompoana. Ireo fampidiran-dresaka, sy ireo fomba famaliana fanoherana samihafa, ary ireo fomba fanjohiana hevitra ao anatiny dia manampy antsika hamboly fahaiza-manjohy hevitra. Ny boky Fanjohian-kevitra dia fitaovana sarobidy izay tokony hoentintsika miaraka amintsika foana eny amin’ny fanompoana. Tsy tokony hisalasala hampiasa azy io koa isika, rehefa mifampiresaka ara-baiboly amin’ny olona. Jereo indray ny pejy faha-7 sy faha-8 amin’io boky io, mba hahitana ny fomba fampiasa azy mba handraisan-tsoa be indrindra avy aminy.
6 Hanatsara ny fahakinganao eo amin’ny asa fitoriana sy fampianarana ny fambolenao fahaiza-manjohy hevitra. Izany dia hitondra fitahiana tondraka ho anao sy ireo izay hitanao eny amin’ny fanompoana.