Vaovao Tsara no Torintsika
1 Tena tombontsoa mahatalanjona mihitsy ny antsika, mitondra ny “vaovao tsara ny amin’ny zavatra tsara”! (Rom. 10:15, NW ). Manana hafatra mamelombelona hozaraina amin’ny olona, izay ao anatin’ny fisafotofotoana izaitsizy sy ny fahakiviana, isika. Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo hahatakatra fa manolotra “vaovao tsara ny amin’ny zavatra tsara kokoa”, isika? — Isaia 52:7, NW.
2 Manomàna hafatra mifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra: Hisy vokany mahasoa ny resaka ataontsika eny amin’ny fanompoana, raha mifantoka amin’ny zavatra tsara isika. Noho izany, rehefa manomana izay holazaintsika sy mijery ny zavatra vita an-tsoratra hatolotsika isika, dia mila manasongadina lafin-javatra tsara momba ilay hafatra. Raha feno fatokian-tena sy hafanam-po isika rehefa mizara ny fanantenantsika miorina amin’ny Baiboly, dia afaka manantena vokatra mampahery isika. — Ohab. 25:11.
3 Na dia mangoraka aza isika, rehefa misy olona milaza fa nisy fiantraikany teo aminy ny toe-piainana miharatsy eo amin’izao tontolo izao, dia tokony hasehontsika aminy ilay tena vahaolana ho an’ny zava-manahirana ny olombelona, dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Na dia rehefa miresaka momba ny ‘andro famalian’i Jehovah’, ho avy aza isika, dia tiantsika ny hampiseho fa “vaovao tsara ho an’ny mpandefitra” izy io, raha ny marina. (Isaia 61:1, 2, NW ). Afaka manome toky ny mpihaino antsika isika, fa ny zavatra rehetra ataon’i Jehovah dia hitondra ny fahasambarana lehibe indrindra sy ny vokatra tsara indrindra, amin’ny farany.
4 Aoka ianao ho tena faly, rehefa mampiseho ny fahamarinana: Rehefa voamariky ny olona ny endritsika falifaly sy ny toe-peontsika feno fatokian-tena, dia vonona kokoa ny hihaino izy ireo. Raha hitan’ny mpihaino antsika fa mijery ny lafy tsaran-javatra isika, dia ho tsikariny fa ‘mifaly amin’ny fanantenana’ isika. (Rom. 12:12). Amin’izay, dia mety hirona kokoa handray ny vaovao tsara izy ireo. Tena manana antony tsara tokoa hampisehoana fihetsika manorina sy feno fifaliana foana isika, eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fanompoantsika.
5 Amin’ny maha mpitory ny vaovao tsara antsika, dia tsy mizara fahalalana fotsiny no ataontsika. Ny fitoriantsika dia manome fanantenana iray azo antoka ny amin’ny fiainana tsara kokoa dieny ankehitriny, ary koa ny amin’ny hoavy. (1 Tim. 4:8). Rehefa manatona ny olona tsirairay isika, dia ho hita taratra eo amin’izay lazaintsika fa mijery ny lafy tsaran-javatra isika, ka hanampy ny olona hanaiky ny vaovao tsara izany. Rehefa tandremantsika izay lazaintsika sy ny fomba ilazantsika azy, dia aoka isika hisarika ireo olona tso-po handray ilay vaovao tsara mampientam-po izay torintsika!