Aza Hadinoina ny Miverina!
1 “Tena nahafinaritra mihitsy iny resaka iny! Tsy maintsy mitadidy ny hiverina any aho.” Efa niteny toy izany ve ianao, ary avy eo dia nanadino ny tranon’ilay olona? Raha izany no izy, ny hany fomba tsy hanadinoanao fa hiverina ianao dia ny fandraisana an-tsoratra.
2 Raiso an-tsoratra daholo: Raha mbola ao an-tsainao ny resaka nifanaovanao tamin’ny olona liana iray, dia makà fotoana kely mba handraisana an-tsoratra ny filazalazana tsara homarihina rehetra momba ilay fitsidihana. Soraty ny anaran’ilay olona sy ny fomba hamantaranao azy. Raiso an-tsoratra ny adiresiny, fa aza vinavinaina fotsiny — hamarino tsara sao misy tsy marina ny nosoratanao. Mariho ilay foto-kevitra noresahinao, sy ny andinin-teny rehetra novakinao, ary ny zavatra vita an-tsoratra napetrakao.
3 Raha namela fanontaniana izay tokony hovaliana amin’ny fitsidihana manaraka ianao, dia raiso an-tsoratra izany. Nanjary nahafantatra zavatra momba ilay olona, ny fianakaviany, na ny fivavahany, ve ianao? Raha izany no izy, dia mariho izany. Avy eo, ny firesahanao momba izany, amin’ny fitsidihanao manaraka, dia hampiseho ny fanehoanao fiheverana manokana an’ilay olona. Farany, dia mariho ny andro sy ny fotoana nanaovanao ny fitsidihana voalohany, ary koa ny fotoana izay nolazainao fa hiverenanao. Amin’ny fandraisana an-tsoratra tsara, dia hanana fampahatsiahivana mazava ianao, ary ho azo inoana fa tsy hanadino ny fampanantenanao ny hiverina. — 1 Tim. 1:12.
4 Raha vao fenonao ilay taratasy firaiketana an-tsoratra, dia ampiaraho amin’ny fitaovana ilainao amin’ny fanompoana — kitapo, Baiboly, boky Fanjohian-kevitra, ary zavatra vita an-tsoratra — mba ho mora raisina foana. Tsara raha taratasy fandraisana an-tsoratra samy hafa no hanoratanao ireo tsy tratra an-trano sy ireo fiverenanao mitsidika soratana ao amin’ny taratasy fandraisana an-tsoratra isan-trano, izay tsy ampiasainao ho amin’ny fiverenanao mitsidika ireo olona tsy tratra an-trano. Mazava ho azy fa na inona na inona ezaka ataonao mba handraisana an-tsoratra ireo fiverenana mitsidika, dia ny tsy manadino ny hiverina any no tena zava-dehibe!
5 Mieritrereta momba ilay olona: Rehefa miomana ho amin’ny fanompoana ianao, dia jereo indray ilay fandraisana an-tsoratra misy ny fiverenanao mitsidika. Eritrereto ny olona tsirairay, sy ny tari-dresaka izay mety ho tsara hampiasaina amin’ny fitsidihana manaraka. Eritrereto ny fomba hampitomboana ny fahalianan’ilay olona, ka hahatongavany ho fampianarana Baiboly. Ny fiomanana mialoha toy izany dia afaka mampitombo ny vokatra hitanao, amin’ny maha mpitory ny vaovao tsara anao, ka noho izany, dia hampitombo ny fifalianao koa. — Ohab. 21:5a.
6 Koa rehefa mahita olona mihaino ianao amin’ny manaraka, dia aza mieritreritra hoe hotsaroanao mora foana ilay fitsidihana. Raiso an-tsoratra kosa ilay izy, ka aza mitsahatra mieritreritra momba ilay olona, ary avy eo dia aza hadinoina ny miverina!