FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/00 p. 5
  • Sekolin’ny Fanompoana Teokratika 2001

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sekolin’ny Fanompoana Teokratika 2001
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika Amin’ny Taona 2000
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Sekoly Mampiofana Antsika Hanao ny Zava-dehibe Indrindra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Sekolin’ny Fanompoana 2002
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Fanomanana Anjara ao Amin’ny Sekoly
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
km 12/00 p. 5

Sekolin’ny Fanompoana Teokratika 2001

1 Misy antony maro araka ny Soratra Masina tokony handraisantsika rehetra anjara, amin’ny fomba feno araka izay azo atao, amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. — Ohab. 15:23; Matio 28:19, 20; Asa. 15:32; 1 Tim. 4:12, 13; 2 Tim. 2:2; 1 Pet. 3:15.

2 Lafiny iray amin’ilay sekoly, ary efa nisy hatramin’ny ela, ny fandaharam-pamakiana Baiboly isan-kerinandro. Famakiana eo amin’ny pejy iray isan’andro eo ho eo amin’ny Baiboly no tafiditra amin’izany. Manomboka amin’ity taona ity, dia misy famakiana Baiboly koa atao isaky ny herinandron’ny famerenana an-tsoratra. Efa tapitra ilay fandaharam-pamakiana Baiboly fanampiny, izay tao amin’ny fandaharana nandritra ireo telo taona farany. Raha tianao anefa ny hanao famakiana Baiboly bebe kokoa noho ny ao amin’ny fandaharana, dia afaka manao ny fandaharam-pamakianao manokana ianao.

3 Ny Anjara No. 2 dia mampiofana rahalahy ho amin’ny ‘famakiana ny Tenin’Andriamanitra ampahibemaso’. (1 Tim. 4:13, NW ). Rehefa manana anjara famakian-teny ianao, dia vakio mafy imbetsaka izy io, ho fanazaran-tena. Azonao atao ny mampiasa ny kasetin’ny Fikambanana misy famakiana Baiboly mba hanatsarana ny fanononanao sy ny fiovaovam-peonao araka ny hevitra ambara, ary ny lafiny hafa amin’ny famakian-teny tsara.

4 Ny Anjara No. 3 sy No. 4 dia miorina amin’ny boky Fanjohian-kevitra, izay nomanina mba hampiasaina amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Raha betsaka loatra ka tsy ho voaresakao ao anatin’ny fotoana nomena ny anjaranao, dia izay ho azo ampiharina indrindra eny amin’ny faritanin’ny kongregasionanao ihany atao. Azo ampiasaina izay faritra rehetra mifanentana amin’ny faritaninao.

5 Manaova izay ezaka rehetra azo atao mba hanatanterahanao ny anjara rehetra anendrena anao amin’ny sekoly. Makà fotoana mba hanaovana fanomanana tsara, ary mitenena avy amin’ny fonao. Ho loharanom-pampaherezana ho an’ny kongregasiona ianao, ary handray soa ny tenanao amin’ny fandraisanao anjara amin’ny fo manontolo amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika 2001.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara