Tianao ve ny Hanao Bebe Kokoa?
1 Nampitovin’i Jesosy tamin’ny harena sarobidy ilay Fanjakana. (Matio 13:44-46) Harena sarobidy koa ny fampielezana ny vaovaon’ilay Fanjakana. Mendrika ny homena toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika io fanompoana io, na dia mila fandavan-tena aza ny fandraisana anjara feno amin’izy io. (Matio 6:19-21) Tianao ve ny hanao bebe kokoa amin’ny asan’ilay Fanjakana?
2 Diniho ireto zavatra tena ilaina ireto: Izao avy no ilaina hatao mba hanitarana ny fanompoantsika: 1) tapa-kevitra ny hametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainana (Matio 6:33); 2) maneho finoana an’i Jehovah sy miantehitra aminy (2 Kor. 4:1, 7); 3) mitady ny fanampian’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka amim-pahatsorana sy amim-pikirizana (Lioka 11:8-10); 4) manohy mivavaka sy manao zavatra mifanaraka amin’izany.—Jak. 2:14, 17.
3 Fomba hanitarana ny fanompoantsika: Afaka mametra ny fotoana holanintsika eny amin’ny fanompoana isam-bolana isika rehetra. Efa noeritreretinao koa ve anefa ny hanararaotra ny fahafahana rehetra mba hitoriana tsy ara-potoana, sy hiezaka hampisy heviny kokoa ny zavatra holazainao, hampahomby kokoa ny fiverenana mitsidika, ary hiezaka mafy hitarika fampianarana Baiboly mandroso? Mety ho afaka ny ho mpisava lalana mpanampy na maharitra ve ianao na hanompo any amin’izay ilana fanampiana kokoa? Afaka ny hiezaka handroso mba ho tonga mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy ve ianareo rahalahy vita batisa? (1 Tim. 3:1, 10) Afaka manitatra ny fanompoanao ve ianao amin’ny fanaovana fangatahana hanompo any amin’ny Betela, na hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, na ho mpisava lalana manokana?—Lioka 10:2.
4 Nampirisihina mba ho tonga mpisava lalana maharitra ny rahalahy iray izay niasa manontolo andro sy nandany fotoana be tamin’ny fanatanjahan-tena. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy izy, ary avy eo dia nanamboatra ny fiainany mba ho afaka hanao fanompoana manontolo andro. Nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana izy, tatỳ aoriana. Nanomana azy ho amin’ny asan’ny mpiandraikitra ny faritra izany. Faly be izy fa nanaraka ilay fampirisihana azony, ary matoky izy fa sambatra kokoa, noho ny fanapahan-keviny hanao bebe kokoa eo amin’ny asan’ilay Fanjakana.
5 Mitahy ireo vonona hanompo i Jehovah. (Isaia 6:8) Aoka tsy hisy na inona na inona hanakana anao tsy hanitatra ny fanompoanao sy tsy hahita fahafaham-po sy famelombelomana bebe kokoa avy amin’izany.