FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/01 p. 1
  • “Tsy Manam-potoana Aho!”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tsy Manam-potoana Aho!”
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Fakana Fotoana Hamakian-teny sy Hianarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Misakafo Tsara ve Ianao eo Amin’ny Lafiny Ara-panahy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ny Fomba Akana ny Fotoana Azo Hararaotina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Aoreno eo Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah ny Fiainanao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 11/01 p. 1

“Tsy Manam-potoana Aho!”

1 Izany no fitarainan’ny maro amintsika, satria be zavatra hatao foana isika. Voalaza fa ny fotoana no fananana sarobidy indrindra, nefa mora lany indrindra. Aiza àry no hahitantsika fotoana ho an’ny zavatra tena lehibe, na zavatra tsara indrindra, toy ny famakiana sy fianarana ny Tenin’Andriamanitra?—Fil. 1:10.

2 Tsy ny mitady fotoana fanampiny akory no vahaolana fa ny manapa-kevitra hoe ahoana no hampiasantsika ny fotoana ananantsika. Samy manana 168 ora avy isika ao anatin’ny herinandro, ary lany amin’ny torimaso sy ny asa ny 100 ora eo ho eo. Ahoana àry no hampiasana tsara ny fotoana tavela? Manoro hevitra antsika ny Efesiana 5:15-17 ‘mba tsy hitondra tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hanararaotra ny andro azo anaovan-tsoa, [sy] hamantatra izay sitrapon’ny Tompo.’ Midika izany fa tokony hanararaotra hanao izay lazain’i Jehovah fa tena zava-dehibe isika, isaky ny afaka manao izany.

3 Nampitahain’i Jesosy tamin’ny andron’i Noa ny androntsika. (Lioka 17:26, 27) Revo tamin’ny raharahany andavanandro ny olona tamin’izany fotoana izany. Nanokana fotoana hanamboarana ilay sambo goavam-be sy hitoriana anefa i Noa. (Heb. 11:7; 2 Pet. 2:5) Tamin’ny fomba ahoana? Ny sitrapon’Andriamanitra no nataony voalohany, ary nankatò izy ka nanao “araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra.”—Gen. 6:22.

4 Inona no hatao voalohany? Hoy i Jesosy: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” (Matio 4:4) Mahazo “anjara hanina [ara-panahy] amin’ny fotoana” isika isan-kerinandro. (Lioka 12:42) Mitaky fandaharam-pamakiana sy fianarana manokana ny Baiboly atao tsy tapaka ny fandraisana izany rehetra izany mba tena hahasoa antsika. Tsy heverintsika ho toy ny tsakitsaky hohanina maimaika fotsiny ny sakafo ara-panahy, satria isika mankasitraka azy ireny. Maka fotoana kosa isika hianarana sy hankafizana ny sakafo ara-panahy, raha tena ankasitrahantsika tokoa izy ireny.

5 Mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ny fandraisana sakafo ara-panahy. (Jaona 17:3) Mendrika ny hataontsika loha laharana amin’ny fandaharam-potoanantsika isan’andro izy io. Afaka mahita fotoana hamakiana Baiboly isan’andro sy hanomanana fivoriana ve isika? Izany tokoa. “Valiny lehibe” no horaisintsika avy amin’ny fahalalana sy ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.—Sal. 19:7-11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara