Mahaiza Mampiasa ny Tenin’Andriamanitra
1 ‘Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin’izany andinin-teny izany nitory an’i Jesosy’ tamin’ny manam-pahefana iray. (Asa. 8:35) Nahay nampiasa “ny teny fahamarinana” i Filipo. (2 Tim. 2:15) Tsikaritry ny mpiandraikitra mpitety faritany anefa, fa misy Vavolombelona zara raha mampiasa Baiboly rehefa mitory. Mampiasa Baiboly ve ianao eny amin’ny fanompoanao?
2 Avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny zavatra rehetra inoantsika sy ampianarintsika. (2 Tim. 3:16, 17) Misarika ny olona ho amin’i Jehovah izy io sady mampianatra azy ireo momba ny fiainana. Zava-dehibe àry ny mampiasa Baiboly rehefa eny amin’ny fanompoana isika, fa tsy miresaka fotsiny momba izay foto-kevitra mahaliana antsika. (Heb. 4:12) Tsy mahay Baiboly ny ankamaroan’ny olona, ka mila mamaky azy io aminy isika, mba hahitany ny tari-dalana mahasoa sy ny hoavy atolotr’izy io ho an’ny olombelona.
3 Ny Baiboly mihitsy vakina: Azonao atao ny tsy mitondra kitapo rehefa mitory. Ataovy ao anaty fitoerany azo vimbinina ny zavatra tianao hatolotra ary vimbino na ataovy am-paosy ny Baibolinao. Tsy hieritreritra ilay olona hoe hanao sermonina ianao rehefa miresaka aminy, raha mora avoaka ny Baibolinao. Ataovy manatrika azy ilay izy mba hahafahany hanaraka ny vakiteny. Azonao asaina hamaky mafy andinin-teny angamba izy. Hiraikitra kokoa ao an-tsainy izay lazain’ny Baiboly raha izy mihitsy no mamaky an’izany fa tsy mihaino anao fotsiny. Mazava ho azy fa tsy maintsy hamafisinao avy eo ny teny fototra mba hahatakarany ny hevi-dehibe amin’ilay andinin-teny.
4 Fomba fampiseho ampiasana andinin-teny iray: Afaka miteny toy izao ianao rehefa avy nampahafantatra ny tenanao: “Mitady loharanon-kevitra isan-karazany ny olona mba hitari-dalana azy eo amin’ny fiainany. Inona no heverinao fa loharanon-kevitra tsara indrindra hahazoana tari-dalana mahasoa? [Avelao ilay olona hamaly.] Ahoana no hevitrao amin’ity andinin-teny ity? [Vakio ny Ohabolana 2:6, 7, ary avelao ilay olona hamaly] Hita ho tena tsy ampy ny fahendren’olombelona, ka mahakivy ny olona. Azo itokisana sy mahasoa kosa anefa ny fahendren’Andriamanitra.” Asehoy avy eo ilay zavatra atolotra, ary asongadino izay fahendrena mahasoa avy amin’Andriamanitra, hita ao.
5 Nampiasa ny Baiboly i Jesosy mba hanampiana ny olona tso-po. (Lioka 24:32) Noporofoin’i Paoly avy tamin’ny Soratra Masina izay zavatra nampianariny. (Asa. 17:2, 3) Ho faly sy hatoky tena kokoa isika eny amin’ny fanompoana raha mahay kokoa mampiasa ny Tenin’Andriamanitra.