Ny Fifaliana avy Amin’ny Fanompoana Manontolo Andro
1 Raha tanora ianao, dia azo antoka fa efa nieritreritra momba ny hoavinao. Milaza amintsika ny Ohabolana 21:5 fa “ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena.” Hahasoa anao ny fieritreretana tsara momba ny tanjonao eo amin’ny fiainana. Eritrereto hatao anton’asa ny fanompoana manontolo andro, rehefa manao fandaharana mialoha momba ny hoavinao ianao. Nahoana?
2 Miresaha ange amin’ireo olon-dehibe nanao ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny fahatanorany e! Anontanio azy ireo izay tsapany tamin’izany. Hitovitovy amin’izao daholo ny valin-teniny: “Ireny no fotoana tsara indrindra teo amin’ny fiainako!” Nilaza toy izao ny rahalahy iray efa lehibe, izay nahita fifaliana tamin’ny fanompoana manontolo andro hatramin’izy mbola tanora: “Afa-po tokoa ny tena mieritreritra ny fahatanorana, ka afaka milaza fa nanaraka ilay torohevitra feno fahendrena manao hoe: ‘Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao.’” (Mpit. 12:1) Dieny izao, dia mila manao fandaharana voahevitra tsara mialoha ianao sy ny ray aman-dreninao, mba hitadiavana hevitra hahafahanao hahita fifaliana toy izany koa eo amin’ny fahatanoranao.
3 Ry ray aman-dreny, ampirisiho hanao fanompoana manontolo andro izy ireo: Ray be fitiavana i Jehovah ka atorony tsara anareo ny lalan-kombana. (Isaia 30:21) Ohatra tsara ho anareo ray aman-dreny kristianina izy, noho izy manome izany tari-dalana feno fitiavana izany. Aza avela hifidy samirery izay lalana tsara indrindra ho azy ny zanakareo. Ampiofano amim-pahendrena kosa izy ireo hahita ny lalana tokony halehany mba hahazoany ny fitahian’i Jehovah ka rehefa mihalehibe izy ireo, dia hanampy azy ‘hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy’ ny fampiofananareo. (Heb. 5:14) Fantatry ny olon-dehibe, avy amin’ny zavatra niainany, fa tsy afaka miantehitra amin’izay saim-pantany fotsiny izy. Tsy maintsy miantehitra amin’i Jehovah izy mba handamina ny lalany. (Ohab. 3:5, 6) Vao maika aza mila an’izany ny tanora satria mbola tsy nahita fiainana firy.
4 Ry ray aman-dreny, dieny mbola zatovo ny zanakareo, na alohan’izany aza, dia resaho amin’izy ireo araka ny zava-misy izay anton’asa tiany hatao. Mety handresy lahatra azy ireo hikatsaka zavatra eo amin’izao tontolo izao na harena mantsy, ny mpanolo-tsaina any am-pianarana sy ny mpampianatra ary ny mpiara-mianatra. Ampio ny zanakareo hifidy fianarana izay manome fiofanana ilaina. Izany dia hanomana azy ireo hamelon-tena kanefa koa tsy hanao sorona ny tombontsoan’ilay Fanjakana. (1 Tim. 6:6-11) Matetika no afaka mamelon-tena ny tanora nahavita fianarana teny amin’ny lise sady nianatra asa sy/na nahazo fiofanana. Izay ihany angamba no ilainy raha vao manomboka ny fanompoan’ny mpisava lalana izy.
5 Ampirisiho izay tanora afaka mitoetra ho mpitovo mba hiezaka hihazona izany toerany izany. Amin’izay dia ho vonona hiantsoroka ny andraikitra mavesatra ao amin’ny fanambadiana izy ireo, raha tapa-kevitra ny hanambady any aoriana. (Jereo ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 2001, ilay takelaka fanampiny hoe “Vonona Hanompo ve Ianao?, fehintsoratra faha-19.) Resaho ny lafy tsaran’ny asan’ny mpisava lalana, ny fanompoana any amin’izay ilana mpitory maro kokoa, ny fanompoana ao amin’ny Betela, ary ny Fanorenana Efitrano Fanjakana. Izany no fomba handentehanareo ao an-tsain’ireo zatovo, dieny izy mbola kely, ny faniriana hanana fiainana mampifaly an’i Jehovah sy mahasoa ny hafa ary mahafaly ny tenany mihitsy koa.
6 Ry tanora, ataovy laharam-pahamehana ny fanompoana manontolo andro: Tsy mila maminavina ianao hoe toy inona izany asan’ny mpisava lalana izany. Afaka manandrana manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy ianao, isaky ny afaka manao izany, mandritra ny taom-pianarana na rehefa vakansy. Ho hitanao fa tena mahafinaritra ny asan’ny mpisava lalana! Afaka ny ho mpisava lalana mpanampy ve ianao amin’ireo volana manaraka?
7 Raha rahalahy tanora eo anivon’ny fandaminan’Andriamanitra ianao, dia eritrereto tsara koa ny fomba hahafenoana fepetra ho mpanampy amin’ny fanompoana. (1 Tim. 3:8-10, 12) Fidio koa izay hataonao rehefa feno taona, na hameno fangatahana hanompo ao amin’ny Betela, na hanao Fanorenana Efitrano Fanjakana. Handray lesona sarobidy ianao amin’izay zavatra iainanao mandritra ny fanompoan’ny mpisava lalana. Ohatra, ny fomba hanajana fandaharam-potoana, hanatsarana ny fahaiza-mandamin-javatra, hifanarahana tsara amin’ny olona, ary hahaizana mandray andraikitra. Hanomana anao ho amin’ny tombontsoam-panompoana lehibe kokoa any aoriana izany.
8 Tena ilaina ny fahazotoana amin’ny asa ara-panahy mba hahatontosana ny fanompoana manontolo andro. Nampirisika ny hananana izany fihetsika izany ny apostoly Paoly, ka niresaka momba ny fitahiana ho azo avy amin’izany: “Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, . . . satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny.” (Kol. 3:23, 24) Hamaly soa anareo anie i Jehovah mba hahitanareo fifaliana be dia be avy amin’ny fanompoana manontolo andro!