Mandraisa Soa Hatrany avy Amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!
Efa nofoanana izao ny fanaovana famandrihana amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Koa mila miezaka isika hanao izay hahazoana antoka fa manana ny nomerao tsirairay amin’izy ireny isika sy ny olona itoriantsika.
Ny gazetinao: Ampitomboy ny isan’ny gazety hafaranao rehefa tapitra ny famandrihanao. Tokony hanafatra gazety ampy tsara ny ray aman-dreny, mba samy hanana ny gazetiny ny mpianakavy. Asio anarana ny gazetinao, sao voapetraka tsy nahy eny amin’ny fanompoana. Hamoaka avy hatrany an’ireo gazety vao tonga ny rahalahy tompon’andraikitra, mba hahafahana haka azy ireny ao amin’ny Efitrano Fanjakana.
Fanaterana gazety: Tokony hiezaka ny mpitory hanatitra gazety tsy tapaka ho an’ny olona liana rehetra te hahazo ny nomerao tsirairay. Afaka manolokolo ny fahalianana sy manomboka fampianarana Baiboly isika, raha isika mihitsy no mandeha manatitra gazety ho an’ireny olona ireny.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, Oktobra 1998, pejy faha-8.
Ireo mila fanampiana manokana: Mety hisy olona tena liana, kanefa mipetraka any amin’ny faritany tsy misy mpitory. Azo andefasana gazety amin’ny alalan’ny famandrihana izy, mety haningana anefa ny toe-javatra toy izany. Mety hisy olona tena tia mandray ny gazetintsika koa, mipetraka ao amin’ny faritanin’ny fiangonana kanefa lavitra ka sarotra ny manatitra gazety any. Resaho amin’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana izany. Azo andefasana famandrihana izy, raha manaiky ny komity. Azo ampiasaina amin’izany ny taratasy fanaovana famandrihana (M-1 sy M-101).
Afaka matoky isika fa i Jehovah dia hamaly soa foana ny ezaka rehetra ataontsika mba hanambarana ilay Fanjakana amin’ny alalan’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!