Torio ny Hafatra Momba Ilay Fanjakana
1 ‘Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra Aho, satria izany no nanirahana Ahy.’ (Lioka 4:43) Asehon’ireo tenin’i Jesosy ireo tsara fa ny Fanjakan’Andriamanitra no foto-kevitry ny fanompoany. Io Fanjakana io koa no votoatin’ny hafatra torintsika ankehitriny, araka ny voalaza mialoha ao amin’ny Matio 24:14, hoe: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” Inona avy no fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra tokony ho ren’ny olona?
2 Efa manapaka any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hisolo toerana ny fanjakan’olombelona tsy ho ela. Efa noroahina avy tany an-danitra ny Devoly, ary efa ao anatin’ny andro farany ity tontolo ity. (Apok. 12:10, 12) Ho rava tanteraka ny tontolo ratsin’i Satana, fa tsy hihozongozona kosa ny Fanjakan’Andriamanitra. Haharitra mandrakizay izy io.—Dan. 2:44; Heb. 12:28.
3 Hanome fahafaham-po amin’ny zava-tsoa rehetra irin’ny olombelona mpankatò io Fanjakana io. Hanala ny fahoriana vokatry ny ady, heloka bevava, tsindry hazo lena, ary fahantrana izy io. (Sal. 46:8, 9; 72:12-14) Ho be dia be ny sakafo ka hahazo daholo ny olona rehetra. (Sal. 72:16; Isaia 25:6) Tsy hisy intsony ny aretina sy ny kilema. (Isaia 33:24; 35:5, 6) Ho tonga lavorary tsikelikely ny olombelona. Ho lasa paradisa ny tany, ary hiara-miaina amim-pihavanana ny mponina eo aminy.—Isaia 11:6-9.
4 Asehontsika amin’ny fomba fiainantsika fa te ho olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra isika. Tokony hanan-kery eo amin’ny fiainantsika manontolo ny hafatra momba ilay Fanjakana. Anisan’izany ny tanjontsika sy izay zavatra heverintsika ho lehibe kokoa. Ohatra, tsy maintsy mamelona ny ankohonantsika isika, nefa tsy tokony havelantsika hanakantsakana ny asan’ilay Fanjakana izany. (Matio 13:22; 1 Tim. 5:8) Tsy maintsy mankatò izao fananaran’i Jesosy izao kosa isika: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany [zavatra ilaina eo amin’ny fiainana].”—Matio 6:33.
5 Mila mandre haingana ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona, dieny mbola mamela ny fotoana, ka manao zavatra mifanaraka amin’izany. Aoka àry isika hanampy azy ireo hanao izany ka ‘hampiaiky azy ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.’—Asa. 19:8.