FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/02 p. 6
  • Mamerina Haingana ny Tatitrao ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mamerina Haingana ny Tatitrao ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mandraisa Anjara Tsy Tapaka Amin’ny Asa Fanompoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Ampio ny Mpiandraikitra ny Fianarana Boky Misy Anao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 12/02 p. 6

Mamerina Haingana ny Tatitrao ve Ianao?

1 Fitantarana ara-baiboly maro no manome isa voafaritra tsara, ka manampy antsika hahazo sary an-tsaina ireo zava-nitranga. Ireto misy ohatra: Lehilahy 300 monja no nentin’i Gideona nandresy ny tafik’i Midiana. (Mpits. 7:7) Namono miaramila asyrianina 185 000 ny anjelin’i Jehovah iray. (2 Mpanj. 19:35) Tokony ho 3 000 no natao batisa tamin’ny Pentekosta taona 33, ary nitombo ho 5 000 teo ho eo ny isan’ny mpino taoriana kelin’izany. (Asa. 2:41; 4:4) Mazava àry fa niezaka nanangona tatitra feno sy marina tsara ny mpanompon’Andriamanitra fahiny.

2 Manasa antsika hanao tatitra momba ny fanompoantsika isam-bolana ny fandaminan’i Jehovah. Voara-maso tsara ny asa fitoriana rehefa manao izany tsy tapaka isika. Mety hasehon’ireo tatitra fa ilaina hohatsaraina ny lafiny iray amin’ny fanompoana, na koa misy faritra sasany mila mpitory bebe kokoa. Manampy ny anti-panahy koa ny tatitra, satria ahitany hoe iza no afaka hanitatra ny fanompoany ary iza no mila fanampiana. Mampahery ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina rehetra koa ny tatitra momba ny fandrosoan’ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Mamerina haingana ny tatitrao àry ve ianao mba ho marina ny tatitra rehetra amin’ny fitambarany?

3 Ny andraikitrao manokana: Sarotra aminao ve ny mitadidy ny fanompoana vitanao rehefa faran’ny volana? Raha izany no izy, maninona raha soratana izay vitanao isaky ny avy manompo ianao? Misy mampiasa kalandrie na fandraisana an-tsoratra. Ny hafa kosa mitondra taratasy fanaovana tatitra rehefa mandeha manompo. Omeo ny mpiandraikitra ny fianarana boky misy anao haingana ny tatitrao rehefa mifarana ny volana. Azonao atao ao amin’ilay boaty fasiana tatitra any amin’ny Efitrano Fanjakana koa izany, raha tianao. Raha sendra hadinonao ny mamerina ny tatitrao, dia miresaha haingana amin’ilay mpiandraikitra fianarana boky, fa aza miandry azy hanatona anao. Asehonao fa manaja ny fandaminan’i Jehovah sy miahy amim-pitiavana ny rahalahy voatendry hanangona sy hikarakara ny tatitra ianao raha tsy mitaredretra mamerina azy io.—Lioka 16:10.

4 Ny anjaran’ny mpiandraikitra fianarana boky: Mpiandry mailo sy be fiheverana izy, ka manisy fiheverana izay nataon’ny mpitory ao amin’ny fianarana bokiny nandritra ny volana. (Ohab. 27:23) Fantany ny mombamomba ny mpitory tsirairay, toy ny hoe tsy tapatapaka ve izy, mandray anjara tsara ve izy, ary faly ve izy manompo. Mailaka koa ilay mpiandraikitra manampy izay tsy nandeha nanompo nandritra ny iray volana. Teny kely fampaherezana na torohevitra tsara iray na fanasana azy hiara-manompo aminy fotsiny matetika no ilaina.

5 Ataon’ilay mpiandraikitra fianarana boky azo antoka fa samy efa namerina tatitra ny rehetra rehefa mifarana ny volana. Amin’izay dia afaka manao tatitra marina tsara momba ny asan’ny fiangonana ny mpitan-tsoratra ary handefa izany any amin’ny biraon’ny sampana, alohan’ny fahenin’ny volana. Tsara raha mampahatsiahy ny mpitory ilay mpiandraikitra fianarana boky, rehefa akaiky hifarana ny volana, no sady mitondra taratasy fanaovana tatitra any amin’ilay toerana fianarana. Afaka mampahatsiahy sy mampahery izay nanadino namerina tatitra izy.

6 Marina tsara ny tatitra voangona momba izay vita teny amin’ny saha, rehefa mamerina haingana ny tatitra momba ny fanompoana isika. Hamerina haingana ny tatitra momba ny fanompoanao isam-bolana ve ianao mba ho marina ny tatitra rehetra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara