FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/03 p. 3-4
  • Mitoria ary Manaova Fanambarana Feno

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitoria ary Manaova Fanambarana Feno
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Tadiavina — Mpisava Lalana Mpanampy 600
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Hanao Azy Io Indray ve Isika? — Antso Hafa Iray mba Hisian’ny Mpisava Lalana Mpa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Ambarao Hatraiza Hatraiza ny Hatsaran-toetran’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Afaka ny ho mpitory maharitra mpanampy ve ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 2/03 p. 3-4

Mitoria ary Manaova Fanambarana Feno

1 Nanomana ny mpianany hitory amin’ny faritra midadasika i Jesosy, ilay “mpanapaka sy komandy.” (Isaia 55:4; Lioka 10:1-12; Asa. 1:8) Hoy ny apostoly Petera momba ilay asa nanirahan’i Jesosy azy ireo: “Izy nandidy anay hitory amin’ny olona ka hanambara [na hanao fanambarana feno] fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.” (Asa. 10:42) Ahoana no hanaovantsika fanambarana feno?

2 Betsaka ny zavatra azontsika ianarana rehefa mandinika ny fomba nitorian’ny apostoly Paoly isika. Nampahatsiahy ny anti-panahy teo anivon’ny fiangonan’i Efesosy izy hoe: “Tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano; ary nambarako [tamin’ny fomba feno] tamin’ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” Niezaka nitory ny vaovao tsara tamin’ny olona betsaka araka izay azony natao i Paoly, na dia niaritra fisedrana aza. Tsy ny fahamarinana fototra ihany no nambarany tamin’izay nihaino azy, fa “ny saina rehetra natolotr’Andriamanitra” koa. Vonona hikely aina sy hanao sorona izy mba hahavitana izany. Hoy koa izy: “Tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara [amin’ny fomba feno] ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra.”​—Asa. 20:20, 21, 24, 27.

3 Ahoana no anahafantsika ny ohatr’i Paoly ankehitriny? (1 Kor. 11:1) Manahaka azy isika rehefa mitady ireo olona mendrika, na dia miatrika zava-tsarotra aza ny tenantsika. Manahaka azy koa isika, rehefa mitory ny vaovao tsara amin’ny olona avy amin’ny foko rehetra sy ny fiteny rehetra, ary mazoto manampy ny olona liana. (Matio 10:12, 13) Mitaky fotoana sy ezaka ary fitiavana izany.

4 Afaka hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy ve ianao? Afaka manararaotra manao ny asan’ny mpisava lalana ianao amin’ny Martsa sy Aprily, mba hanaovana fanambarana feno. Tena nampahery tokoa ny nahita mpitory maro nanao ezaka manokana, mba ho mpisava lalana mpanampy tamin’ny herintaona!

5 Nientam-po noho ny fampirisihan’ny fandaminan’i Jehovah ny anabavy iray, izay 80 taona sady nanana aretina maro. Nanoratra toy izao izy: “Vao mainka izany namelona ilay faniriana efa tato amiko hatry ny ela. Tsapako fa tsy maintsy manao ny asan’ny mpisava lalana indray aho, fara fahakeliny, indray mandeha.” Ny volana Martsa no nofidiny hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Hoy izy: “Nandinika izay hamitana azy io aho aloha. Niresaka tamin’ny zanako vavy aho, satria nila ny fanampiany. Gaga aho rehefa nahita azy nangataka ho mpisava lalana mpanampy koa.” Nahavita 52 ora teny amin’ny fanompoana io anabavy be taona io, tamin’iny volana iny. Hoy izy: “Imbetsaka aho no nivavaka tamin’i Jehovah, mba hanomezany ahy hery vaovao rehefa vizana. Tena faly sy afa-po aho, rehefa nifarana ny volana, ary imbetsaka aho no nisaotra an’i Jehovah, satria nanampy ahy izy. Mbola te ho mpisava lalana indray aho amin’ny manaraka.” Ny fifaliana tsapan’io anabavy io dia mety hampahery ny olona tena te ho mpisava lalana mpanampy nefa marary mafy.

6 Voaroaka tampoka tamin’ny asany ny rahalahy iray, ka nanararaotra mba ho mpisava lalana mpanampy. Lasa narisika kokoa tamin’ny fitoriana izy ary nanomboka fampianarana Baiboly, taloha kelin’ny faran’ny volana. Hoy izy rehefa nisaintsaina izany: “Izany ka volana nahafa-po!” Faly be izy, satria nahazo tari-dalana sy fanampiana avy tamin’i Jehovah! Tena notahin’i Jehovah io rahalahy io, noho ny ezaka bebe kokoa nataony teo amin’ny fanompoana. Hanao izany ho anao koa izy.​—Mal. 3:10.

7 Tsy mora amin’ny olona maro ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Afaka nanao izany anefa ny rahalahy sy anabavy maro, na dia teo aza ny asa sy ny andraikiny ara-pianakaviana ary ny zava-manahirana azy manokana. Matetika isika no mila mahafoy ny fotoana sy hery kely ananantsika mba hanaovana fanambarana feno. Mandray valisoa tsy manan-tsahala anefa isika avy eo.​—Ohab. 10:22.

8 Mety tsara mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy ny volana Martsa sy Aprily. Misy faran’ny herinandro dimy ny volana Martsa. Afaka ny ho mpisava lalana mpanampy ny olona miasa manontolo andro, raha manompo izy amin’ireo faran’ny herinandro ireo sy ny takariva. Azonao hararaotina koa ny fotoana tsy iasana mandritra ny volana Aprily. Afaka hanatratra ny 50 ora takina ny sasany, satria mety tsy hianatra, na tsy hiasa. Azonao atao ve ny mampiasa ny iray amin’ireo fandaharam-potoana, miaraka amin’ity lahatsoratra ity, mba hanompoana adiny 50 mandritra ny Martsa na Aprily? Resaho amin’ny hafa ny fandaharam-potoananao, fa hanosika azy ireo hiara-manompo aminao izany. Raha tsy afaka ny ho mpisava lalana mpanampy ianao, dia manàna tanjona mazava tsara mandritra ireo volana ireo, ary miaraha miasa amin’izay afaka manao izany. Manaova fandaharana dieny izao mba hanompoana bebe kokoa mandritra ny Martsa sy Aprily.

9 Manehoa fankasitrahana ny Fahatsiarovana: Olona maro isan-taona no ‘manararaotra’ ireo herinandro mialoha sy manarakaraka ny Fahatsiarovana, mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, noho ny fankasitrahany ny avotra. (Efes. 5:15, 16) Nisy mpisava lalana mpanampy 1 949 teto Madagasikara, tamin’ny Martsa, ary 807 tamin’ny Aprily. Izany hoe samy nisy mpisava lalana mpanampy 1 378 avy ireo volana roa, tamin’ny antsalany. Tena betsaka izany, satria 302 teo ho eo isam-bolana ny isan’ny mpisava lalana mpanampy, nandritra ny enim-bolana talohan’izay. Afaka maneho fankasitrahana amin’ny fo manontolo ny sorom-panavotan’i Kristy koa isika mandritra ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana, ka hampitombo ny fanompoantsika eny amin’ny saha.

10 Saintsaino hoe midika ho inona ho anao ny Fahatsiarovana, rehefa manakaiky ny 16 Aprily. Eritrereto ny zava-nitranga izay nitarika ny fahafatesan’i Kristy, sy ireo zavatra nameno ny sainy sy ny fony. Saintsaino koa ny fifaliana napetraka teo anoloany sy ny hoe, ahoana izany no nanampy azy hiaritra ireo fampijalijaliana. Eritrereto ny toerana tanany ankehitriny noho izy Lohan’ny fiangonana, ka miandraikitra ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra. (1 Kor. 11:3; Heb. 12:2; Apok. 14:14-16) Asehoy avy eo fa mankasitraka izay rehetra nataon’i Kristy ianao, ka manaova fanompoana betsaka araka izay vitanao.

11 Ampirisiho ny hafa hanao fanambarana feno: Tsara toerana mba hampirisika ny hafa hanao izany ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana, rehefa izy mihitsy no mpisava lalana mpanampy. Tena afaka manampy ny mpitory handray anjara feno amin’io asa manokana mandritra ny Martsa sy Aprily io izy ireo, rehefa miaraka aminy eny amin’ny saha, sy manao fitsidihan’ny mpiandry. Aoka hataontsika rehetra antom-bavaka izany, amin’izay mba hahomby kokoa ny fiarahantsika miezaka hanao fanambarana feno.

12 Hanaraka ny fandaharam-pitoriana alamin’ny fiangonana ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana rehetra, mandritra ny Martsa sy Aprily. Ny mpiandraikitra ny fanompoana anefa no tena tokony handamina ny toerana sy andro ary ora hanaovana ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Tokony hety amin’ny ankamaroan’ny mpitory izany, sady tokony hampandrenesina matetika mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Tokony hisy fivoriana alohan’ny fanompoana maromaro mandritra ny andro, mba hahafahan’ny fiangonana hitory amin’ny endriny maro samy hafa. Anisan’izany, ohatra, ny fitoriana eny an-tsena, eny an-dalana, isan-trano, ary ny fanaovana fiverenana mitsidika. Tokony hataony ampy tsara koa ny boky sy gazety ary ny faritany hiasana mandritra ireo volana ireo.

13 Ny boky Fahalalana no hapetraka amin’ny Martsa, ary ny hanomboka fampianarana Baiboly no tanjona. Misy torohevitra tsara mba hametrahana ny boky Fahalalana ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2002. Ny gazety Tilikambo sy Mifohaza! kosa no hapetraka amin’ny Aprily. Ampiasao ireo fanoloran-kevitra ao amin’ny “Fomba Fanolorana Gazety.” Tokony haka fotoana hanomanana tsara ny rehetra.

14 Sambatra tokoa isika fa miasa eo ambany fitarihan’i Kristy Jesosy, ilay Lohan’ny fiangonana, sady manana tombontsoa mitory ny vaovao tsara! Mihamanakaiky ny volana Martsa sy Aprily. Andeha àry isika hiezaka indray, mba hahatonga azy ireo ho ny volana tsara indrindra, noho isika mankatò ny baikon’i Kristy hitory sy hanao fanambarana feno.

[Efajoro, pejy 4]

Fandaharana ho An’ny Mpisava Lalana Mpanampy Amin’ny Martsa sy Aprily 2003

Andro Ora

Alatsinainy 1 2 — — 2 —

Talata 1 — 3 — — —

Alarobia 1 2 — 5 — —

Alakamisy 1 — 3 — — —

Zoma 1 2 — — — —

Asabotsy 5 4 3 5 6 7

Alahady 2 2 3 2 2 3

Martsa 56 56 54 55 50 50

Aprily 50 50 51 53 — —

Afaka hanaraka ny iray amin’ireo fandaharana ireo ve ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara