FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/03 p. 3-6
  • Fanorenana Efitrano Fanjakana Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanorenana Efitrano Fanjakana Eran-tany
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Miitatra ny Fanompoam-pivavahana Marina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Mitaky Fanitarana Haingana ny Fitomboana Be
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Trano Manome Voninahitra An’i Jehovah
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Ny Tena Vahaolana Amin’ny Fahantrana
    Mifohaza!—2005
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 5/03 p. 3-6

Fanorenana Efitrano Fanjakana Eran-tany

Zava-bita Sasany any Eoropa

1 Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany amin’ny firenena sasany any Eoropa sy Eoropa Atsinanana, tato anatin’ireo folo taona faramparany. Navaivay ny fanenjehana matetika. Sarotra ny nivory tamin-kalalahana, ary saika tsy azo natao mihitsy ny nampiasa Efitrano Fanjakana mba hivoriana. Nandritra ireo taona faramparany anefa, dia “zava-dehibe no nataon’i Jehovah ho antsika, ka dia faly isika.”—Sal. 126:3.

2 Nihanalefaka ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1983. Nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Polonina sy Hongria, nanomboka tamin’ny 1989, ary toy izany koa ny tany Rosia, tamin’ny 1991. Nanomboka teo àry, dia niroborobo ny asa tany Rosia sy tany amin’ireo firenena anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana koa, teo anelanelan’ny volana Martsa 1996 sy Oktobra 1998, ny fangatahana fampisamboram-bola nataon’ireo biraon’ny sampana mikarakara firenena 11 any Eoropa, mba hanorenana Efitrano Fanjakana 359.

3 Rehefa mijery ireo sary ianao dia mba saintsaino ny fahagagana lehibe nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany. (Sal. 136:4) Tena mahafaly ny mahafantatra fa ampiasaina amin’ny fomba tsara ny fanomezana ataon’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany. Hita taratra eo amin’izy ireo tokoa ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 13:35, manao hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”

4 I Romania dia iray amin’ireo firenena eoropeanina mandray soa amin’ny fandaharam-panorenana Efitrano Fanjakana any amin’ny tany mahantra. Nisy Efitrano Fanjakana 36 naorina tany, nanomboka tamin’ny Jolay 2000. Nisy planina modely narahina tamin’ny fanorenana ny ankamaroan’ireo Efitrano Fanjakana any Ukraine. Efitrano Fanjakana 61 no naorina tany tamin’ny 2001, ary 76 hafa kosa nandritra ny taona 2002. Efitrano Fanjakana an-jatony no naorina tany Boligaria, Iogoslavia, Kroasia, Macédoine, Moldavia, ary Rosia, tamin’ny alalan’ny vola tao amin’ny Tahirim-bola ho An’ny Efitrano Fanjakana.

5 Sarotra ny manorina Efitrano Fanjakana any amin’ny tany sasany, ka nilana ezaka mafy ny fanombohana izany. Nandany fotoana koa matetika ny fanomanana ny fanorenana. Lafo be, mihoatra noho ny atỳ Afrika sy ny any Amerika Atsimo koa ny fanorenana Efitrano Fanjakana any amin’iny faritr’i Eoropa iny. Ilaina anefa ny fanorenana Efitrano Fanjakana an-jatony, any amin’ireo tany Eoropeanina mahantra, satria mitombo be ny isan’ny mpivavaka amin’i Jehovah!

6 Tena mahafinaritra tokoa ny mahita fa mihamaro hatrany ny Efitrano Fanjakana aorina! Asehon’ny zava-misy maro fa fitoriana vita ho azy amin’ny olona manodidina, ireny fanorenana ireny. Talanjona ny manam-pahefana any amin’ny toerana sasany, nahita ny toe-tsaina tia miara-miasa naseho tamin’ny fanarahana ny tsipiriany amin’ireo toromarika momba ny fanorenana.

7 Tena marina ny naminanian’i Isaia hoe hitombo ny isan’ny mpivavaka marina, amin’ny andro ankehitriny. Nanambara mialoha tamin’ny alalany Andriamanitra hoe: “Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” (Isaia 60:22) Voaporofo àry fa ireo folo taona farany no fotoana nofidin’i Jehovah hisian’ny fitomboana any Eoropa Atsinanana. Hitahy be dia be ny fiezahantsika anie i Jehovah, raha mbola manohana hatrany ny Tahirim-bola ho An’ny Efitrano Fanjakana isika, mba hanafainganana ny fanorenana atao any amin’ny tany maro! Hampitombo ny isan’ny Efitrano Fanjakana any amin’ny tany mahantra izany, ka hampiroborobo ny fivavahana marina any amin’ny faritra maro any Eoropa. Tena ho fitoriana lehibe “hatrany amin’ny faran’ny tany” àry izany.—Asa. 13:47.

[Sary, pejy 3]

Efitrano Fanjakana Moscou any Rosia

[Sary, pejy 4-6]

Efitrano Fanjakana Vaovao any Eoropa Atsinanana

Strumica any Macédoine

Daruvar any Kroasia

Bitola any Macédoine

Sokal any Ukraine

Mladost any Boligaria

Kurdzhipskoye any Rosia

Bački Petrovac any Iogoslavia

Plovdiv any Boligaria

Tlumach any Ukraine

Rava-Ruska any Ukraine

Stara Pazova any Iogoslavia

Zenica any Bosnia-Herzegovina

Sokal any Ukraine

Zhydachiv any Ukraine

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara