FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/03 p. 1
  • Fitadiavana Izay Mendrika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitadiavana Izay Mendrika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba fampiseho ny Vaovao Tsara amin’ny takariva
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Mety Hahitam-bokatra ny Fitoriana An-telefaonina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Efa Nanandrana ny Fitoriana Takariva ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Handray Soa Ianao Raha Manana ny Faritaninao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 12/03 p. 1

Fitadiavana Izay Mendrika

1 Mety ho sarotra amintsika ny manaraka ny toromarik’i Jesosy momba ny asa fitoriana. Hoy izy, ohatra: “Izay tanàna idiranareo, na kely na lehibe, dia tadiavo izay mendrika ao.” (Matio 10:11) Tsy ao an-trano matetika anefa ny olona ankehitriny, ka ahoana no ahafahantsika mitady izay mendrika?

2 Diniho ny faritaninao: Voalohany indrindra, dia diniho ny faritaninao. Rahoviana no tena azo antoka fa ao an-trano ny olona? Aiza no mety hahitana azy ireo mandritra ny andro? Amin’ny andro na ora toy inona izy ireo no mety ho vonona kokoa handray antsika? Hahazo vokatra tena tsara ianao raha mampifanaraka ny fanompoanao amin’ny fandaharam-potoanan’ny olona eo amin’ny faritaninao sy ny tarehin-javatra misy azy.​—1 Kor. 9:23, 26.

3 Mpitory maro no nahita olona tao an-trano, nandritra ny faran’ny herinandro. Tsy dia sahirana loatra sady mihaino kokoa ny olona sasany, amin’io fotoana io. Fomba hafa hizarana ny vaovao tsara amin’ny olona koa ny fitoriana any amin’ny faritany be toeram-piasana sy ny toerana be olona, toy ny tsena na ny arabe.

4 Nisy fiangonana iray nandamina fitoriana takariva isaky ny faran’ny herinandro, nandritra ny volana iray nanaovana fitoriana manokana. Nitory tany amin’ny faritany be toeram-piasana koa izy ireo. Tian’ny mpitory ilay fandaharana, ka tapa-kevitra ilay fiangonana fa hanohy azy io.

5 Mazotoa miverina mitsidika: Mety ho sarotra ny mahita olona rehefa miverina mitsidika. Mifanaova àry fotoana hentitra amin’ilay tompon-trano, raha vao avy mitory aminy ianao, na isaky ny miverina mitsidika azy. Hajao avy eo ny fotoana nifanaovanareo. (Matio 5:37) Hitan’ny mpitory sasany fa tsara raha eo anoloan’ilay tompon-trano mihitsy no soratana ilay fotoana. Ho tsapany hoe zava-dehibe ilay izy, rehefa hitany fa soratana.

6 Azo antoka fa hotahin’i Jehovah ny fiezahantsika mafy hitady izay mendrika sy hanampy ny olona liana.​—Ohab. 21:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara