Asa Tahin’Andriamanitra
1 Vitsy ny mpanompon’Andriamanitra manam-pahaizana, na manan-karena, na manana toerana ambony eto amin’ity tontolo ity. Izany no mahatonga ny olona sasany tsy hiraharaha ny fanompoantsika sy hanao tsinontsinona azy io. (Isaia 53:3) Mampionona sy manome fanantenana ho an’ny olona an-tapitrisa maneran-tany anefa ny asa fampianarana Baiboly ataontsika. Inona no nanampy ny mpanompon’Andriamanitra hahazo izany vokatra miavaka izany? Tsy misy afa-tsy ny fitahian’Andriamanitra. (Matio 28:19, 20; Asa. 1:8) Nanazava ny apostoly Paoly hoe: “Andriamanitra nifidy ny zavatra malemy amin’izao tontolo izao mba hampahamenatra ny zavatra mahery.”—1 Kor. 1:26-29.
2 ‘Tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ ny ankamaroan’ny apostoly sy ny Kristianina hafa tamin’ny taonjato voalohany. (Asa. 4:13) Niezaka nanatanteraka ny asa nanirahana azy anefa izy ireo, dia ny fitoriana ny vaovao tsara, ka nitahy ny ezaka nataony i Jehovah. ‘Nahery ny fitomboan’ny tenin’i Jehovah sy ny fandreseny’, na dia teo aza ny fanakantsakanana sy ny fanoherana. Tsy nisy na inona na inona nahasakana ilay asa, satria notahin’Andriamanitra izy io. (Asa. 5:38, 39; 19:20) Toy izany koa ankehitriny. Na dia ny fanoherana mafy avy tamin’ny mpitondra matanjaka aza, dia tsy nahasakana ny vaovao tsara tsy handresy sy hitombo.—Isaia 54:17.
3 Andriamanitra no deraina: Tokony hidera tena ve anefa isika satria hoe manana tombontsoa manokana ho mpanompon’Andriamanitra? Mazava ho azy fa tsia. Izao no nosoratan’i Paoly momba ny fanompoana kristianina: ‘Manana izany harena izany ao anaty vilany tany izahay, mba ho avy amin’Andriamanitra ny hery fanampiny, fa tsy avy aminay.’ (2 Kor. 4:7) Niaiky i Paoly fa ny hery avy amin’Andriamanitra ihany no nahafahany nanatanteraka ny fanompoany.—Efes. 6:19, 20; Fil. 4:13.
4 Miaiky toa azy koa isika fa noho isika “nahazo ny fanampian’Andriamanitra” ihany no ahafahana manatanteraka ny asa fitoriana. (Asa. 26:22) Ampiasain’i Jehovah amin’ny fomba miavaka hampihorohoro ny firenena isika, amin’ny alalan’io asa fanambarana maneran-tany io. Fampitandremana ho an’ireo firenena izany, fa ho avy tsy ho ela ny fandringanana noho ny fanamelohana. (Hagay 2:7) Tena manana tombontsoa mihitsy isika ‘miara-miasa amin’Andriamanitra’ amin’ilay fijinjana ara-panahy lehibe!—1 Kor. 3:6-9.