FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/04 p. 1
  • Ataovy Loha Laharana ny Fivoriana Tsy Tapaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ataovy Loha Laharana ny Fivoriana Tsy Tapaka
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Fanatrehana Fivoriana — Andraikitra Lehibe Iray
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Ataovy Azo Antoka fa Mametraka Ireo Zava-dehibe Indrindra eo Amin’ny Toerana Voa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Handray Soa Ianao Raha Miara-mivory Aminay
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Nahoana Isika no Tokony Hivory?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 2/04 p. 1

Ataovy Loha Laharana ny Fivoriana Tsy Tapaka

1 Loha laharana eo amin’ny fiainan’ny fianakaviana kristianina ny famonjena fivoriana tsy tapaka. Mety hampisy olana anefa ny adidy aman’andraikitra eo amin’ny fiainana. Manomboka maka amin’ny fotoana natokanao ho an’i Jehovah ve ny raharaha ao an-trano, na ny asa, na ny devoara? Hanampy antsika hamantatra izay tokony hatao loha laharana ny fananantsika ny fomba fijerin’i Jehovah.​—1 Sam. 24:7; 26:11.

2 Ninia tsy niraharaha ny fomba fijerin’i Jehovah ny lehilahy israelita iray, ka nanangona kitay tamin’ny andro sabata. Nihevitra angamba izy fa nanome izay nilain’ny fianakaviany, na koa zavatra kely fotsiny izany. Nasehon’i Jehovah tamin’ny didim-pitsarany anefa, fa raharaha lehibe ny fanaovana zavatra tsy dia manao ahoana, mandritra ny fotoana natokana ho azy.​—Nom. 15:32-36.

3 Fiatrehana ilay zava-tsarotra: Betsaka no miady mafy mba tsy hahatonga ny asany hanakantsakana ny famonjeny fivoriana. Niresaka tamin’ny mpampiasa azy, ohatra, ny sasany, na nifanakalo asa tamin’ny mpiara-miasa, na nitady asa mety kokoa, na koa nanatsotra ny fiainany. Azo antoka fa mampifaly an’i Jehovah ny fanaovana sorona noho ny fivavahana marina toy izany.​—Heb. 13:16.

4 Mety hiteraka zava-tsarotra koa ny devoara. “Ataoko alohan’ny fivoriana ny sasany amin’ny devoarako, ary ny sisa vitaiko rehefa avy mivory”, hoy ny tanora iray. Raha misy tsy vita ny devoara rehefa misy fivoriana takariva, dia manazava amin’ny mpampianatra ny ray aman-dreny sasany fa loha laharana amin’ny fianakaviany ny fivoriana.

5 Ho vita tsara ny raharaha ao an-trano, sady ho tonga ara-potoana any am-pivoriana ny mpianakavy, raha miara-miasa sy manao fandaharana tsara. (Ohab. 20:18) Azo ampianarina hiakanjo ny ankizy, ka ho vonona handeha hivory amin’ny fotoana voafaritra tsara. Tafalentika tsara ao an-tsain’ny ankizy ny hasarobidin’ny fivoriana, raha manome ohatra ny ray aman-dreny.​—Ohab. 20:7.

6 Mitombo ny fahasahiranana eto amin’ity tontolo ity, ka tena zava-dehibe ny hivoriana tsy tapaka. Enga anie isika hanana foana ny fomba fijerin’i Jehovah, ka hataontsika ho loha laharana foana ny famonjena fivoriana tsy tapaka.​—Heb. 10:24, 25.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara