Mandraisa Soa Amin’ny Fianarana ny Boky Manatòna An’i Jehovah
1 Nientam-po erỳ isika nahazo ny boky Manatòna An’i Jehovah, tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto.” Maro no namaky azy io avy hatrany. Azo antoka fa tsy vitsy koa no nanao izany, noho ilay andinin-teny ho an’ny taona 2003 hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jak. 4:8.
2 Hanomboka hianatra azy io any amin’ny Fianarana Boky isika amin’ny Martsa. Ahoana no handraisantsika soa be indrindra avy amin’izany? Tena ilaina ny fanomanana. Toko iray isan-tapa-bolana no hianarana, izany hoe fehintsoratra vitsivitsy isan-kerinandro. Hanam-potoana àry ianao hanomezana valin-teny avy amin’ny fo, momba ny hevitra hitanao nandritra ny fianarana sy fisaintsainana an’io boky io. Fohy kokoa ny fianarana isaky ny tapany farany amin’ny toko tsirairay, ka ho ampy tsara ny fotoana mba handinihana lafin-javatra mampiavaka an’io boky io.
3 Manomboka eo amin’ny toko faharoa, dia misy efajoro hoe “Fanontaniana Hosaintsainina”, eo amin’ny faramparan’ny toko tsirairay. Hodinihin’ilay mpiandraikitra fianarana boky miaraka amin’ny mpanatrika ireny efajoro ireny, aorian’ny fehintsoratra farany amin’ny toko tsirairay. Hasainy koa ny mpanatrika hilaza ny hevitra tsara hitany, tamin’izy nisaintsaina ireo andinin-teny. (Ohab. 20:5) Ankoatra ireo fanontaniana ao amin’ilay efajoro, dia ho azony atao koa ny mametraka fanontaniana toy ny hoe: “Inona no toetran’i Jehovah misongadina amin’io fanazavana io? Inona no vokatr’izany eo amin’ny fiainanao? Ahoana no hampiasanao azy io mba hanampiana olon-kafa?” Ny hanomezan’ny mpanatrika valin-teny avy amin’ny fo no tanjony, fa tsy ny hanontany momba izao tsipirian-javatra rehetra izao akory.
4 Tsy manan-tsahala ny boky Manatòna An’i Jehovah. Midera an’i Jehovah avokoa ny boky sy gazety avy amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, saingy io boky io no tena miompana amin’ireo toetran’i Jehovah. (Matio 24:45-47) Tena mampientam-po tokoa izany fandaharana miandry antsika izany! Handray soa betsaka isika, rehefa mandalina ireo toetran’i Jehovah. Enga anie ny fianarantsika an’io boky io, ka hanampy antsika hanatona akaiky kokoa an’ilay Raintsika any an-danitra, sady hahatonga antsika hahomby kokoa rehefa manampy olon-kafa mba hanao toy izany koa.