FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/04 p. 1
  • Asehoy fa Mahay Misaotra Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Asehoy fa Mahay Misaotra Ianao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • “Misehoa ho mahay mankasitraka”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • “Asehoy fa Mahay Misaotra Ianareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • “Aoka ho Feno Fisaorana Hianareo”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Velom-pankasitrahana Noho Izay Ananantsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 5/04 p. 1

Asehoy fa Mahay Misaotra Ianao

1 Manana antony maro isaorana an’i Jehovah isika, na dia miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” aza. (2 Tim. 3:1) Ny antony lehibe indrindra, dia ny nanomezany ny Zanany ho antsika. Tena fanomezana sarobidy izany. (Jaona 3:16) Ankoatra izany, dia mahazo sakafo ara-panahy tondraka isika, fa tsy toy ny olona ao amin’ny fivavahan-diso. (Isaia 65:13) Anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany koa isika, ary tena faly satria voninahitra ho antsika ny manitatra ny fivavahana marina. (Isaia 2:3, 4; 60:4-10, 22) Ahoana no ampisehoantsika fa mahay misaotra an’i Jehovah isika, noho ny fitahiana be dia be omeny?​—Kol. 3:15, 17.

2 Fanompoana amim-pifaliana sy amin’ny fo manontolo: Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly, rehefa niresaka momba ny fanomezana: “Ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Kor. 9:7) Mihatra amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra koa io toro lalana io. Mahay misaotra isika, rehefa mafana fo amin’ny fahamarinana, faly any amin’ny fivoriana kristianina, mazoto manompo, ary finaritra manao ny sitrapon’Andriamanitra.​—Sal. 107:21, 22; 119:14; 122:1; Rom. 12:8, 11.

3 Tsy nofaritan’ny Lalàna ny habetsahan’ny fanatitra sasany, teo amin’ny Israely fahiny. Arakaraka ny fitahiana azon’ny Israelita tsirairay tamin’i Jehovah, ny habetsahan’ny fanatitra nomeny azy, ho fankasitrahana azy. (Deot. 16:16, 17) Toy izany koa fa raha velom-pankasitrahana ny fontsika, dia ho voatosika handray anjara betsaka araka izay azo atao amin’ny fanompoana isika, arakaraka ny fahafahantsika. Manana fotoana bebe kokoa hanehoana fankasitrahana isika, amin’ireo volana ho avy. Misy manararaotra ny andro tsy iasana na ny fotoam-pialan-tsasatra mba hanompoana bebe kokoa. Misy mihitsy aza mirotsaka ho mpisava lalana mpanampy. Hampitombo ny fanompoanao àry ve ianao amin’ireo volana ireo?

4 Ho feno fisaorana: Fomba tena lehibe ahafahantsika misaotra an’i Jehovah ny vavaka. (1 Tes. 5:17, 18) Mampirisika antsika ny Tenin’Andriamanitra mba “ho feno fisaorana.” (Kol. 2:7) Tokony hisaotra an’i Jehovah foana isika ao amin’ny vavaka ataontsika isan’andro, na dia tena be atao sy mitebiteby aza indraindray. (Fil. 4:6) Enga àry anie isika hanolotra “fisaorana maro be ho an’Andriamanitra” amin’ny alalan’ny fanompoantsika sy ny vavaka.​—2 Kor. 9:12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara