FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/04 p. 7
  • Karatra Vaovao Hanampiana Antsika Hifady ny Ra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Karatra Vaovao Hanampiana Antsika Hifady ny Ra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • Fandaharana Hanampiana Antsika Hifady ny Ra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Miomàna Hiatrika Fitsaboana Tampoka Dieny Izao
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Efa Nofenoinao ve Ilay Izy?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Efa Nanao Safidy ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 12/04 p. 7

Karatra Vaovao Hanampiana Antsika Hifady ny Ra

Neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hampiasantsika karatra vaovao momba ny ra. Izy io no hisolo ilay karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra. Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana no anaran’io karatra vaovao io, ary afohezina hoe karatra FMF.

Afaka hilaza ny fanirianao ianao ao amin’io karatra io, ary hanan-kery foana izy io. Tokony hameno karatra FMF vaovao ianao any aoriana, raha 1) mila manova izay voasoratra ao anatiny. Ohatra: fanovana ny toromarikao, ny solontenanao, ny adiresy, ary ny nomeraon’ny telefaonina, na 2) very na simba ny karatrao.

Tokony hivavaka ianao mba hahazoana tari-dalana, alohan’ny hamenoana ilay karatra FMF. Fenoy tsara any an-trano izy io. Tsy maintsy misy vavolombelona roa anefa mahita anao manao sonia azy io, araka ny voalaza ao amin’ilay karatra. Tsara raha manontany matetika an’ireo mbola tsy nahafeno ny karany ny mpiandraikitra fianarana boky, sao mila fanampiana izy ireo.

Aza aforitra avy hatrany ilay karatra FMF, fa ataovy fotokopia mazava tsara aloha, mba hisy homena ny dokoteranao sy hotehirizinao. Afaka manao fotokopia ho an’ny mpianakavinao sy ny mpitan-tsoratry ny fiangonana koa ianao. Ataovy amin’ny taratasy lehibe mahazatra ilay fotokopia, ka ny lafiny iray ihany ampiasaina, sady ataovy eo afovoany ilay karatra FMF. Tsy tokony hisaraka aminao kosa ilay karatra tena izy (original).

Tsy niova kosa ny Karatra Famantarana ho an’ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah, misy ilay daty nanaovana pirinty 3/99. Tokony hojeren’ny ray aman-dreny raha feno tsara sy voaisy sonia ny karatry ny zanany mbola tsy ampy taona. Tokony hampitondraina azy ireo isaky ny mivoaka ny trano izy io.

Afaka manao taratasy manokana misy toromarika momba ny fitsaboana, ny mpitory tsy vita batisa sy ny zanany. Azony atao ny maka hevitra ao amin’ilay karatra FMF sy Karatra Famantarana. Tokony hanome karatra FMF ho an’izay rehetra vita batisa tamin’ity taona ity koa ny mpitan-tsoratra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara