Tombontsoa Sarobidy ny Mitory Ilay Fanjakana
1 Olona an’arivony tapitrisa isan’andro no mandray soa amin’ireo zavatra maro, omen’i Jehovah mba hahavelomana. (Matio 5:45) Vitsy kely anefa no maneho fankasitrahana azy amin’ny alalan’ilay tombontsoa tsy manan-tsahala, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Matio 24:14) Tena mankamamy io tombontsoa sarobidy io ve ianao?
2 Manome voninahitra an’Andriamanitra ny fitoriana ilay Fanjakana. Mitondra fanantenana sy fiadanan-tsaina ho an’ny olona ory koa izy io, amin’izao vanim-potoana feno hotakotaka izao. (Heb. 13:15) Afaka hiaina mandrakizay izay mandray tsara azy io. (Jaona 17:3) Misy asa tsy ara-pivavahana mitondra fitahiana toy izany ve? Hita tamin’ny fomba nanatanterahan’i Paoly ny fanompoany, fa nankamamy azy io izy. Nihevitra izany ho toy ny harena izy.—Asa. 20:20, 21, 24; 2 Kor. 4:1, 7.
3 Aoka isika hankamamy io tombontsoa sarobidy io: Mankamamy ny tombontsoa hitory isika, rehefa manao izay hanatsarana azy io. Manokana fotoana ve isika mba hanomanana fomba fampiseho manohina ny fon’ny mpihaino? Inona no azontsika atao mba hahaizana kokoa mampiasa ny Soratra Masina sy mampisaintsaina ny olona? Mamita tsara ny faritany nanendrena antsika ve isika? Mahay manomboka sy mitarika fampianarana Baiboly ve isika? Toy ny Kristianina mahatoky fahiny sy ankehitriny, dia mihevitra ny asa fitoriana ho tombontsoa koa isika, ka mankamamy azy io.—Matio 25:14-23.
4 Miatrika olana angamba isika noho ny fahanterana na aretina na toe-javatra hafa. Mampahery anefa ny mahafantatra fa tena sarobidy foana ny ezaka mafy ataontsika, mba handraisana anjara amin’ny fanompoana. Manome toky i Jehovah ao amin’ny Teniny, fa sarobidy aminy izany, na dia toa tsy hitan’ny olon-kafa aza indraindray.—Lioka 21:1-4.
5 Tena mahafa-po ny mitory ilay Fanjakana. Hoy ny anabavy iray 92 taona: “Tena faly aho rehefa mieritreritra indray ireo 80 taona mahery natokako hanompoana an’Andriamanitra. Tsy manenina mihitsy aho! Raha afaka mamerina indray ny fiainako aho, dia izany ihany no ho nataoko, satria tena ‘tsara noho ny aina ny famindram-pon’Andriamanitra.’ ” (Sal. 63:3) Enga anie isika koa hankamamy ny asa fitoriana ilay Fanjakana, satria tombontsoa sarobidy avy amin’Andriamanitra izy io.