FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/06 p. 4-5
  • Fomba Fanolorana ny Boky Ampianarina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Fanolorana ny Boky Ampianarina
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ady sy Fandriampahalemana
  • Baiboly
  • Fahafatesana sy Fitsanganana Amin’ny Maty
  • Fiainana Mandrakizay
  • Fianakaviana
  • Fivavahana
  • Hara-magedona
  • Jehovah Andriamanitra
  • Jesosy Kristy
  • Loza sy Fijaliana
  • Trano
  • Vavaka
  • Fomba Fanolorana Boky sy Bokikely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mamaly Fanontaniana Maro ny Fahalalana avy Amin’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • 1) Fanontaniana, 2) Andininy, ary 3) Toko
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Kolokoloy ny Fahalianana Hitanao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
km 1/06 p. 4-5

Fomba Fanolorana ny Boky Ampianarina

Misy soso-kevitra maromaro hanolorana ny boky Ampianarina ato amin’ity takelaka fanampiny ity. Mba hampisy vokany ny fitorianao, dia ataovy amin’ny fomba fiteninao ilay izy, ampifanaraho amin’ilay olona itorianao, ary fantaro tsara izay hevitra mahaliana ao amin’ilay boky. Azo ampiasaina koa izay fomba hafa mandaitra ao amin’ny faritaninao.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2005, p. 8.

Ady sy Fandriampahalemana

◼ “Tena maniry fandriampahalemana ny olona hatraiza hatraiza. Araka ny hevitrao, tena hisy ve izany sa nofinofy fotsiny? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Salamo 46:8, 9.] Hazavain’ity boky ity hoe ahoana no hanatanterahan’Andriamanitra an’io fikasany io, ary inona no hataony mba hisian’ny fandriampahalemana eran-tany.” Asehoy ny sary eo amin’ny pejy 35, ary diniho ny fehintsoratra 17-21, pejy 34.

Baiboly

◼ “Matetika ny olona no milaza fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Araka ny hevitrao, nahoana no mety ny hiantsoana azy io hoe Tenin’Andriamanitra, na dia olona ihany aza no nanoratra azy io? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny 2 Petera 1:21 sy ny fehintsoratra 5, pejy 19.] Ho hitanao ato amin’ity boky ity ny fomba amalian’ny Baiboly an’ireto fanontaniana ireto.” Asehoy ireo fanontaniana eo amin’ny pejy 6.

◼ “Betsaka ny fomba ahazoan’ny olona fahalalana ankehitriny. Araka ny hevitrao anefa, aiza no ahitantsika torohevitra tsara mba hananana fiainana sambatra sy mahafa-po? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny 2 Timoty 3:16, 17 sy ny fehintsoratra 12, pejy 23.] Hazavain’ity boky ity hoe ahoana no azontsika itondrana ny fiainantsika, mba hampifaliana an’Andriamanitra sy handraisantsika soa.” Asehoy ny lisitra sy ny sary eo amin’ny pejy 122-123.

Fahafatesana sy Fitsanganana Amin’ny Maty

◼ “Maro no manontany tena hoe manao ahoana ny olona rehefa maty. Azo fantarina ve ny amin’izany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Mpitoriteny 9:5 sy ny fehintsoratra 5-6, pejy 58.] Hazavain’ity boky ity koa ny soa horaisin’ireo hatsangana amin’ny maty.” Asehoy ny sary eo amin’ny pejy 75.

◼ “Ara-dalàna raha te hifankahita indray amin’ireo havantsika efa maty isika, sa ahoana no hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mampionona olona maro ny fampanantenana fitsanganana amin’ny maty, ao amin’ny Baiboly. [Vakio ny Jaona 5:28, 29 sy ny fehintsoratra 16-17, pejy 71-72.] Valiana ato amin’ity toko ity koa ireto fanontaniana ireto.” Asehoy ireo fanontaniana eo am-piandohan’ny pejy 66.

Fiainana Mandrakizay

◼ “Te ho salama tsara sy ho ela velona ny ankamaroan’ny olona. Raha afaka ny ho salama tsara sy ho ela velona ianao, tianao ve ny hitohizan’izany mandrakizay? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Apokalypsy 21:3, 4 sy ny fehintsoratra 17, pejy 54.] Hazavain’ity boky ity hoe ahoana no hahafahantsika hiaina mandrakizay, ary hanao ahoana ny fiainana rehefa ho tanteraka izany.”

Fianakaviana

◼ “Samy te hanana fiainam-pianakaviana sambatra isika, sa tsy izany? [Avelao izy hamaly.] Milaza ny Baiboly fa afaka manao izay hahasambatra ny fianakaviana ny mpianakavy tsirairay, raha maneho fitiavana toa an’Andriamanitra.” Vakio ny Efesianina 5:1, 2 sy ny fehintsoratra 4, pejy 135.

Fivavahana

◼ “Maro no lasa mieritreritra fa tsy mitondra vahaolana ireo fivavahana isan-karazany, fa vao mainka aza miteraka olana. Heverinao ve fa mitarika ny olona ho amin’ny lalana tokony halehany ny fivavahana? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Matio 7:13, 14 sy ny fehintsoratra 5, pejy 146.] Fakafakaina ato amin’ity toko ity ireo lafin-javatra enina, izay hanampy antsika hamantatra ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra.” Asehoy ilay lisitra eo amin’ny pejy 147.

Hara-magedona

◼ “Rehefa mandre ny hoe Hara-magedona ny olona maro, dia fandripahana ain’olona be dia be no tonga ao an-tsainy. Tokony tsy ho andrintsika anefa ny hahatongavan’io Hara-magedona io, raha ny marina. Mahagaga anao ve izany? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Apokalypsy 16:14, 16.] Jereo ange hoe hanao ahoana ny fiainana aorian’ny Hara-magedona e!” Vakio ny fehintsoratra 21, pejy 82.

Jehovah Andriamanitra

◼ “Maro ny mpivavaka no te hifandray akaiky kokoa amin’Andriamanitra. Fantatrao ve fa manasa antsika hifandray akaiky aminy ny Baiboly? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Jakoba 4:8a sy ny fehintsoratra 20, pejy 16.] Ity boky ity dia natao hanampiana ny olona hampiasa ny Baiboliny, mba hahafantarany bebe kokoa an’Andriamanitra.” Asehoy ireo fanontaniana eo am-piandohan’ny pejy 8.

◼ “Maro no mivavaka amin’Andriamanitra hoe: ‘Hohamasinina anie ny anaranao.’ Efa noeritreretinao ve hoe iza io anarana io? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Salamo 83:18 sy ny fehintsoratra 2-3, pejy 195.] Hazavain’ity boky ity hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany momba ny olombelona.”

Jesosy Kristy

◼ “Efa nandre momba an’i Jesosy Kristy ny ankamaroan’ny olona. Misy milaza fa lehilahy niavaka fotsiny izy. Ny sasany indray mihevitra azy ho Andriamanitra Mahery Indrindra, ka mivavaka aminy. Zava-dehibe ve izay inoantsika momba an’i Jesosy Kristy, araka ny hevitrao?” Avelao izy hamaly, ary vakio ny Jaona 17:3 sy ny fehintsoratra 3, pejy 37. Asehoy ireo fanontaniana eo am-piandohan’ny toko faha-4.

Loza sy Fijaliana

◼ “Rehefa mitranga ny loza, dia maro no manontany tena hoe: ‘Tena miahy ny olombelona ve Andriamanitra, ary mahita ny fijalian’izy ireo ve izy?’ Efa nieritreritra an’izany koa ve ianao? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny 1 Petera 5:7 sy ny fehintsoratra 11, pejy 11.] Hazavain’ity boky ity hoe ahoana no hamaranan’Andriamanitra tanteraka ny fijalian’ny olombelona.” Asehoy ireo fanontaniana eo am-piandohan’ny pejy 106.

Trano

◼ “Mihasarotra izao ny mahita trano metimety nefa tsy lafo loatra. Araka ny eritreritrao, hanana trano tsara daholo ve isika indray andro any? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Isaia 65:21, 22 sy ny fehintsoratra 20, pejy 34.] Hazavain’ity boky ity hoe ahoana no hahatanterahan’io fampanantenan’Andriamanitra io.”

Vavaka

◼ “Efa noeritreretinao ve hoe ahoana no fomba amalian’Andriamanitra ny vavaka ataontsika? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny 1 Jaona 5:14, 15 sy ny fehintsoratra 16-18, pejy 170-172.] Hazavaina ato amin’ity toko ity koa hoe nahoana isika no tokony hivavaka amin’Andriamanitra, ary inona no tsy maintsy ataontsika mba hihainoany antsika.”

[Efajoro, pejy 5]

Fomba Hiresahana Momba ny Fanomezana

“Raha te hanome vola kely ianao androany ho an’ny asa ataonay maneran-tany, dia horaisinay an-tanan-droa izany.”

“Tsy itakiana sarany ny bokinay, fa raisinay kosa izay vola foin’ny olona hanohanana ny asanay maneran-tany.”

“Tianao ho fantatra angamba hoe avy aiza ny vola anaovanay izao asa izao. Atao maneran-tany izy ity, ary fanomezana an-tsitrapo no ahafahana manao azy. Raha te hanome vola kely àry ianao androany, dia horaisinay an-tanan-droa izany.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara