Sahy Nefa Tia Fihavanana
1 Maro ny olona milaza amim-pahatsorana ny zavatra inoany rehefa itoriantsika, nefa mifanohitra amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ilay izy. Marina fa tokony ho sahy hitory isika, nefa koa te ‘hihavana amin’ny olona rehetra’, ka mitandrina mba tsy hanafintohina azy ireo tsy amin’antony. (Rom. 12:18; Asa. 4:29) Inona àry no azontsika atao mba ho sahy hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana isika, nefa koa ho tia fihavanana?
2 Mitadiava marimaritra iraisana: Tsy miady hevitra ny olona tia fihavanana. Tsy hihaino ny hafatra torintsika ny olona mafana fo amin’ny fivavahany, raha toherintsika befahatany ny zavatra inoany. Afaka mitady marimaritra iraisana angamba isika ka hanasongadina hevitra iombonana, raha milaza zavatra diso ilay olona. Tokony hahay handanjalanja isika rehefa manao izany. Hanampy azy ho vonon-kandray kokoa isika amin’izay, ka hanohina ny fony.
3 Mampandefitra ny fahamarinana ve isika, raha avelantsika amin’izao fotsiny ny hevi-diso lazain’ny olona? Tsia. Ny hitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra no nanendrena antsika Kristianina, fa tsy ny hitsikera izay hevi-diso rehetra hitantsika. (Matio 24:14) Toy izay hampiseho avy hatrany hoe diso izay lazain’ilay olona, nahoana raha manararaotra izany mba hamantarana ny heviny?—Ohab. 16:23.
4 Hajao ny olona: Tsy maintsy manana fahasahiana sy herim-po isika indraindray, rehefa manaporofo fa diso ny fampianarana sasany. Tia fihavanana anefa isika, ka tsy maneso an’ireo mino sy mampianatra zavatra diso, na miantso azy ireny amin’ny anarana manambany. Tsy hihaino antsika ny olona raha manambony tena isika. Ho mora kokoa amin’ireo tia ny fahamarinana kosa ny handray ny hafatra torintsika, raha manetry tena isika, tsara fanahy, ary manaja ny olona sy ny zavatra inoany.
5 Nandinika tsara ny zavatra ninoan’ny olona nitoriany ny apostoly Paoly, ka niezaka nitady fomba hanohinana ny fon’izy ireo. (Asa. 17:22-31) Vonona ho tonga “zava-drehetra ho an’ny karazan’olona rehetra” izy, mba ‘hisy hovonjeny na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.’ (1 Kor. 9:22) Manahaka azy isika raha tia fihavanana sy manana fahasahiana rehefa mitory ny vaovao tsara.