FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/06 p. 1
  • Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanambarana ‘ny Tenin’ny Faminaniana’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Apokalypsy—Mahafaly ny Fiafaran’ilay Fampiharihariana!
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Ambarao Ilay Hafatra Mampientam-po ao Amin’ny Apokalypsy
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Inona no azoko lazaina mba hanairana fahalianana bebe kokoa?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
km 11/06 p. 1

Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!

1 “Sambatra izay mamaky mafy sy ireo mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny, fa antomotra ny fotoana voatondro.” (Apok. 1:3) Hita avy amin’izany fa tena sarobidy ny bokin’ny Apokalypsy, indrindra amin’izao fotoana iainantsika izao. Ankehitriny mantsy no fotoana voatondro hahatanterahan’ny maro amin’ireo faminaniana raketin’io boky io. Tena mety àry ny hianarantsika ny boky Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka! amin’ny Fianarana Boky, ary hanomboka amin’ny herinandron’ny 8 Janoary 2007 izany.

2 Maro ny zavatra efa niova teo amin’ny sehatr’ity tontolo ity, hatramin’ny nianarantsika farany an’io boky io, tamin’ny Fianarana Boky. (1 Kor. 7:31) Ankoatra izany, dia maro amin’ireo mpitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana no mbola tsy nanatrika ny fianarana ny andininy tsirairay ao amin’ny Apokalypsy. Hanampy antsika rehetra hifoha hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy, ka ho vonona amin’izay hitranga amin’ny hoavy, ny fianarana ny boky Apokalypsy.—Apok. 16:15.

3 Ataovy foana izay hanatrehana fianarana boky isan-kerinandro. Hahatonga antsika hiambina hatrany izany. Hanampy antsika koa ireo hafatr’i Jesosy ho an’ny fiangonana fito, mba hisoroka an’ireo toe-javatra mety hisy vokany ratsy eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy ny fanompoantsika.—Apok. 1:11, 19.

4 Manomàna tsara: Vakio mialoha ireo andininy hodinihina ao amin’ny Apokalypsy, isaky ny hianatra boky. Araho tsara ny fanazavana an’ireo andinin-teny. Miezaha hahatakatra ny hevi-dehibe, mba hahatonga izany hanohina ny fonao. (Neh. 8:8, 12) Makà fotoana hisaintsainana, ary manontania tena hoe: ‘Inona no ianarako avy amin’izany momba an’i Jehovah sy ny fahatanterahan’ny fikasany? Ahoana no hampifanarahako ny fiainako amin’ny fikasany, ary ahoana no hanampiako ny hafa?’

5 Efa 92 taona izay no lasa, hatramin’ny nanombohan’ny “andron’ny Tompo” tamin’ny 1914. (Apok. 1:10) Kely sisa dia ho tanteraka ireo fisehoan-javatra lehibe nambara mialoha ao amin’ny Apokalypsy. Hamelombelona ny fontsika sy ny saintsika ny fianarana ny boky Apokalypsy. Hanamafy ny finoantsika koa izany fa efa akaiky ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, izay Hery Fara Tampony”, ary hanaraka azy io avy hatrany ny tontolo vaovao.—Apok. 16:14; 21:4, 5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara