Ahoana no Hanomanana Fomba Fanolorana Gazety?
1. Nahoana no tsara kokoa ny manomana fomba fanolorana gazety, fa tsy manao tsianjery an’izay ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana fotsiny?
1 Hoy angamba ianao: ‘Nahoana isika no tokony hanomana fomba fanolorana gazety, nefa efa misy foana ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana isam-bolana?’ Maro no mahita fa tena manampy ireny fomba fanolorana gazety ireny. Ilaina ihany anefa ny manomana, na izany aza. Mety handaitra any amin’ny faritany sasany mantsy ilay izy, nefa tsy hety any amin’ny hafa. Tsy voatery hanao tsianjery azy ireny àry isika. Tena tsara kosa raha lazaintsika amin’ny fomba fitenintsika ilay hevitra, na dia mety hampiasa an’ilay fomba fanolorana gazety aza isika.
2. Inona no tokony hataonao rehefa mifidy lahatsoratra hasongadina?
2 Mifidiana lahatsoratra iray: Vakio aloha ilay gazety, ary mifidiana lahatsoratra iray mifanentana amin’ny faritaninareo sy tena mahaliana anao. Mety haniry hamaky an’ilay gazety koa ny olona, raha tena mino ny zavatra lazainao ianao sady mafana fo. Hanasongadina lahatsoratra iray mahaliana olona maro ao amin’ny faritaninareo angamba ianao. Fantaro tsara koa anefa ny lahatsoratra hafa ao amin’ilay gazety. Ho afaka hanova resaka ianao amin’izay, raha sendra olona liana kokoa amin’ny foto-kevitra hafa.
3. Inona no karazana fampidiran-dresaka hitanao fa mandaitra indrindra?
3 Mametraha fanontaniana: Omano tsara avy eo ny fampidiran-dresakao. Tena zava-dehibe mantsy izy io. Mety ho tsara ny mametraka fanontaniana mampisaintsaina, mba hahaliana ny olona ilay lahatsoratra nofidinao horesahina. Ny fanontaniana ahalalana ny fomba fiheviny no mandaitra indrindra matetika. Aza mametraka fanontaniana mahasanganehana na miteraka adihevitra anefa.
4. Inona no mahatsara ny mamaky Baiboly, raha azo atao?
4 Mamakia Baiboly: Mifidiana andinin-teny iray, amin’ny farany, ary vakio raha azo atao. Mety ho andinin-teny ao anatin’ilay lahatsoratra ilay izy. Ho hitan’ny olona fa mitory ny Tenin’Andriamanitra isika, raha mamaky Baiboly. (1 Tes. 2:13) Efa mandre ny hafatra torintsika koa izy amin’izay, na tsy mandray gazety aza. Hitan’ny mpitory sasany fa nahaliana ny olona ny resaka nataony, rehefa namaky Baiboly izy talohan’ny nametrahany fanontaniana voafaritra tsara. Afaka miteny toy izao, ohatra, ianao rehefa hamaky Baiboly: “Mba tiako ho fantatra, tompoko, ny hevitrao momba an’ity andinin-teny ity.” Miresaha hevitra mifandray amin’izany, ao amin’ilay gazety, avy eo. Ampio fanazavana fohy izany mba hahaliana kokoa an’ilay olona, ary atolory ilay gazety.
5. Inona no toro lalana fototra tokony hotadidinao foana, rehefa manomana fomba fanolorana gazety?
5 Tsy misy fitsipika hentitra arahina rehefa manolotra gazety. Ataovy tsotra sy fohy foana ilay izy, fa izay no tsara indrindra. Ampiasao izay fomba fitory manavanana anao sy ahitana vokatra. Asongadino fa tena tsara ny gazetintsika, ary aoka ianao hafana fo. Raha manomana tsara ianao dia hahita vokatra kokoa, rehefa manolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! amin’ireo ‘manana toe-po tsara.’—Asa. 13:48.