FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/06 p. 1
  • Tsidiho Izay Rehetra Liana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsidiho Izay Rehetra Liana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Mitovitovy Aminy
  • Miverina Mitsidika mba Hitarihana Fampianarana Baiboly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Ataovy azo antoka ny hiverina hitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Misikìna Fahasahiana mba Hanao Fiverenana Mitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Ampio ny Olona ‘Manana Toe-po Tsara’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
km 12/06 p. 1

Tsidiho Izay Rehetra Liana

1 Maro amintsika no lasa Vavolombelon’i Jehovah satria niverina nitsidika antsika ny mpitory, rehefa nahamarika fa nandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana isika. Nanam-paharetana izy ireo ka niverina imbetsaka angamba, mba ho liana kokoa isika. Tokony hiverina hitsidika ny olona koa isika ary tsy hanao tsirambina izany, raha hitantsika fa liana izy na dia kely fotsiny aza. Mankatò ilay baiko ‘hanao mpianatra’ tokoa isika raha miverina mitsidika.—Matio 28:19, 20.

2 Voamarikao ve fa liana ilay olona? Tsy nandray boky na gazety angamba ny olona nitoriantsika. Mety hiverina any aminy anefa isika raha voamaritsika tamin’ny endriny, na ny feony, na ny teniny, fa tiany ny hafatra momba ilay Fanjakana. Niverina nitsidika olona iray, ohatra, ny rahalahy iray, nandritra ny herinandro dimy nisesy. Tsy nandray boky na gazety anefa ilay olona, raha tsy tamin’ny fitsidihana faninenina. Nianatra Baiboly izy tatỳ aoriana.

3 Miverena haingana raha voamarikao fa liana ny olona nitorianao. Tsidiho, ohatra, izy andro vitsivitsy atỳ aoriana. Aza avela hanala izay nafafy tao am-pony, “ilay ratsy.” (Matio 13:19) Hajao ny fotoana nomenao raha efa nampanantena ny hiverina ianao.—Matio 5:37.

4 Fitoriana eny an-dalana: Miezaka mitsidika an’ireo olona liana nitorianao tsy ara-potoana na teny an-dalana ve ianao? Afaka milaza, ohatra, ianao rehefa vita ny resakareo hoe: “Nahafinaritra iny resatsika iny. Aiza no mety hahitako anao mba hiresahantsika indray?” Mety hanome ny nomeraon’ny telefaoniny na ny adiresiny ny mpitory sasany, na hangataka ny an’ilay olona, raha mety izany. Na dia tsy nanome ny nomeraony na ny adiresiny aza izy, dia mbola misy azonao atao mba hahaliana kokoa azy, rehefa mihaona indray ianareo.

5 Faly erỳ isika rehefa maniry tsara ny zavatra nambolentsika sy notondrahantsika! Faly be koa isika rehefa mandroso tsara ny olona iray, satria niverina nitsidika azy isika. (1 Kor. 3:6) Ataovy tanjona àry ny hiverina hitsidika an’izay rehetra liana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara