FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/06 p. 8
  • Manana Faritany ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manana Faritany ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Mitovitovy Aminy
  • Handray Soa Ianao Raha Manana ny Faritaninao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Voasa Tsara ve ny Faritaninao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Tontosainao Tsara ve ny Fanompoanao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Fomba Itoriana ny Vaovao Tsara
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
km 12/06 p. 8

Manana Faritany ve Ianao?

1. Inona no atao hoe faritaninao manokana?

1 Izay faritany nanendrena anao no atao hoe faritaninao manokana. Mety aminao tsara angamba izy io, satria vetivety ianao dia tonga ao, sady afaka mitory irery na miaraka amin’ny mpitory hafa. Tsara ny miara-mitory amin’ny fiangonana, raha mbola azo atao. Ho afaka hanazava tsara ny fahamarinana anefa ianao, raha miasa amin’ny faritaninao, amin’ny fotoana hafa, indrindra raha midadasika ny faritanin’ny fiangonanareo.—Asa. 10:42.

2. Inona no soa ho azontsika, raha manana faritany isika?

2 Soa azo: Hitan’ny mpitory sasany fa andraisan-tsoa kokoa ny mitory ao amin’ny faritany akaikin’ny toeram-piasany, mandritra ny fiatoana amin’ny antoandro na vao mirava avy miasa. Ny hafa indray kosa faly erỳ niara-nitory tamin’ny fianakaviany teny amin’ny faritra misy azy, nandritra ny adiny iray teo ho eo, talohan’ny hanatrehana Fianarana Boky. Tsy lavitra àry ny fiverenana mitsidika sy ny fampianarana Baiboly azony, ka afaka nampiasa ny heriny sy ny fotoanany ary ny volany tamin’ny fomba tsara kokoa izy ireo. Mety hahavita hanao mpisava lalana mpanampy tsindraindray na hirotsaka ho mpisava lalana maharitra mihitsy aza ny sasany rehefa manana faritany, satria betsaka kokoa ny fanompoana vitany na dia ao anatin’ny fotoana fohy kokoa aza. Lasa mifankahalala tsara amin’ireo olona ao amin’ilay faritany koa isika. Hatoky antsika izy ireo, noho izany, ary ho haintsika ny hampifanaraka ny fomba fitorintsika amin’ny zavatra mampanahy azy ireo. Hahomby kokoa ny fanompoantsika amin’izay.

3. Inona no soa azon’ny mpisava lalana iray rehefa nanana faritany izy?

3 Hoy ny mpisava lalana iray, izay nampirisihin’ny mpiandraikitra ny faritra mba hanana ny faritaniny: “Narahiko io torohevitra io, ka tsy ela aho dia nifankahalala tsara sy nifankazatra tamin’ireo olona tao amin’ny faritaniko. Nampifanarahiko tamin’izay fotoana nety tamin’izy ireo ny fotoana nitsidihako azy. Vokatr’izany, dia nitombo ny fiverenana mitsidika nataoko isam-bolana. Tafakatra 80 mahery izany, raha 35 teo aloha. Manana fampianarana Baiboly fito koa aho izao.”

4. Inona no tokony hataonao mba hananana faritany, ary ahoana no tokony hiasanao azy io?

4 Fomba hiasana azy io: Miresaha amin’ny mpikarakara ny faritany, raha te hanana faritany ianao. Aza misalasala manasa mpitory hafa hiara-miasa aminao. Raiso an-tsoratra ireo tsy tratra an-trano. Tokony hiezahanao hovitaina ao anatin’ny efa-bolana ilay faritany. Afaka mangataka fanampiana any amin’ny mpiandraikitra Fianarana Boky na olon-kafa ianao, raha tsy vitanao ao anatin’io fotoana io ilay izy. Azonao averina ilay faritany rehefa tapitra ny efa-bolana, na azonao angatahina indray. Tsy tokony hotazoninao anefa ilay faritany fa mila averina, mba ho afaka hangataka azy io koa ny hafa. Azonao atao ny mangataka ampahana faritany any amin’ny mpiandraikitra fianarana boky, raha somary kely ny faritanin’ny fiangonanareo.

5. Inona no ilaina mba hahavitantsika ny asa nanirahana antsika?

5 Lehibe ny asa nanirahana antsika, dia ny fitoriana ny vaovao tsara “manerana ny tany onenana.” (Matio 24:14) Mila mahay mandamin-javatra tsara isika, mba hahavitana izany. Hitory ny vaovao tsara amin’ny olona faran’izay betsaka isika, raha miara-mitory amin’ny fiangonana sady miasa ao amin’ny faritanintsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara