FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/08 p. 1-4
  • Manomàna Tsara Rehefa Hiverina Hitsidika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manomàna Tsara Rehefa Hiverina Hitsidika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Miverina Mitsidika mba Hitarihana Fampianarana Baiboly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Ampio ny Olona ‘Manana Toe-po Tsara’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Ataovy azo antoka ny hiverina hitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Misikìna Fahasahiana mba Hanao Fiverenana Mitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 7/08 p. 1-4

Manomàna Tsara Rehefa Hiverina Hitsidika

1. Nahoana no tsy maintsy nitarina eran-tany ny fitoriana natombok’i Kristy?

1 Nampiofana tsara ny mpianany i Jesosy, mba hahitan’izy ireo vokatra rehefa mitory “ny vaovao tsaran’ilay fanjakana.” (Matio 4:23; 9:35) Tany amin’ny faritr’i Palestina no nitoriany sy nampiofanany azy ireo. Nilaza anefa i Jesosy talohan’ny niakarany tany an-danitra fa hitatra eran-tany ny fitoriana, mba hahafahana ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’—Matio 28:19, 20.

2. Inona no tafiditra amin’ilay didin’i Jesosy ‘hanao mpianatra’?

2 Anisan’ny asa fanaovana mpianatra ny fiverenana mitsidika an’ireo olona liana amin’ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, sy ny fampianarana azy ireo hitandrina izay rehetra nandidian’i Kristy. Mila manomana tsara àry isika rehefa hiverina hitsidika.

3. Ahoana no azo anomanana ny sain’ny olona ho amin’ny fiverenana mitsidika, rehefa mitory aminy?

3 Omano ny sain’ilay olona: Mametraka fanontaniana amin’ny olona itoriany ny mpitory sasany alohan’ny handehanany, ary mampanantena fa hiverina hanome ny valiny. Hitan’izy ireo fa nanampy azy hanomboka fampianarana Baiboly avy hatrany, ny fanomezana fanazavana avy ao amin’ny boky Ampianarina rehefa niverina nitsidika.

4. Nahoana isika no tsy tokony hiandry ny fahatongavan’ny gazety manaraka vao hiverina hitsidika?

4 Marina fa gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! laharana iray no apetraka isam-bolana. Tsy voatery miandry ny laharana manaraka anefa isika vao hiverina hitsidika. Mety ho afaka hiresaka hevitra avy ao amin’ny gazety efa ananan’ilay olona isika, mba hahatonga azy ho liana kokoa.

5. Inona no mahatsara ny mieritreritra mialoha izay horesahina?

5 Eritrereto mialoha izay horesahina: Alohan’ny hiverenanao any amin’ilay olona, dia manokàna minitra vitsivitsy hijerena ny fandraisanao an-tsoratra, ary eritrereto mialoha izay horesahinao. Afaka miresaka hevitra avy ao amin’ny gazety napetrakao farany ianao, na mametraka gazety na boky mifandray amin’ny resakareo farany. Raha nametraka fanontaniana ianao tamin’ny farany, dia valio izany. Ny Baiboly mihitsy ampiasaina rehefa mamaky andinin-teny manaporofo ilay hevitra resahinao ianao.

6. Inona no tanjontsika rehefa miverina mitsidika?

6 Ny tanjontsika: Ny hanomboka fampianarana Baiboly no tanjontsika. Nanasa lehilahy iray hianatra Baiboly ny rahalahy iray rehefa niverina nitsidika azy, saingy tsy nety izy io. Niverina tany aminy indray ilay rahalahy, ary nitondra ny gazety farany. Hoy izy: “Efa eto ihany izahay, ka mba te hametraka fanontaniana iray aminao, ary hilaza ny valiny omen’ny Baiboly.” Rehefa avy nilaza ny heviny ilay lehilahy, dia namaky andinin-teny iray ilay rahalahy, ary namaky fehintsoratra iray mifandray amin’ilay foto-kevitra, avy tao amin’ny boky iray fianarana Baiboly. Nianatra Baiboly tsy tapaka ilay lehilahy tamin’ny farany.

7. Efa nanampy anao hanomboka fampianarana Baiboly ve ny fanomanana tsara? Tantarao.

7 Ilana fiezahana ny manokana fotoana hanomanana fiverenana mitsidika. Mendrika ny hatao anefa izany, satria hampitombo ny fifaliantsika. Mety ho afaka hanampy ny olona “manana toe-po tsara” koa isika, mba hahazoany fiainana mandrakizay.—Asa. 13:48.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara