Ezaka Manokana Hatao ny 20 Oktobra–16 Novambra!
1 Hisy ezaka manokana hatao maneran-tany manomboka ny alatsinainy 20 Oktobra, ary haharitra iray volana eo ho eo izy io. Hizara an’ilay taratasy mivalona vaovao hoe Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? isika. Manantena isika fa hihamaro ny olona te hianatra Baiboly, satria ao ihany no misy ny fahamarinana.—Jaona 17:17.
2 Ireto fanontaniana lehibe enina ireto no valian’ilay taratasy mivalona: “Tena miahy antsika ve Andriamanitra?” “Hifarana ve ny ady sy ny fijaliana?” “Inona no manjo ny maty?” “Mbola hahita ny havantsika efa maty ve isika?” “Ahoana no ahazoako valim-bavaka?”, ary “Ahoana no hahasambatra ahy?” Mbola tsy nanome valiny mahafa-po momba an’ireo mihitsy ny fiangonan’ny Kristianisma Anarana. Mieritreritra momba an’ireo koa na dia ny olona tsy Kristianina aza, saingy mety tsy fantany hoe ao amin’ny Baiboly ny valiny. Antenaintsika àry fa hahaliana olona maro ilay taratasy mivalona.
3 Vitao ny faritany: Iezaho tratrarina ny olona rehetra ao amin’ny faritaninareo. Ahoana anefa raha lehibe ny faritany? Mety hanapa-kevitra ny anti-panahy fa azo asiana taratasy mivalona iray eo am-baravaran’izay tsy tratra an-trano. Omeo koa ny mpiray tanàna aminao, havanao, mpiara-miasa na mpiara-mianatra aminao, na ny olon-kafa fantatrao. Azonao alamina angamba ny fotoananao, mba hanaovana mpisava lalana mpanampy amin’ny Oktobra na Novambra. Manan-janaka na mpianatra Baiboly mandroso tsara ve ianao? Miresaha amin’ny anti-panahy, raha hitanao hoe mahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa izy, ka mety ho afaka hiaraka amintsika hanao an’ilay ezaka.
4 Ahoana no anolorana azy io? Ataovy fohy ny resaka, mba ho maro no hahazo ilay taratasy mivalona. Apetraho amin’ilay olona fotsiny ny iray amin’ireo fanontaniana enina eo amin’ny fonon’ilay taratasy mivalona. Asehoy azy avy eo ny valiny ao anatiny. Ho afaka hanovaova ny fomba fitoriny ny mpitory amin’izay, arakaraka ny zavatra ilain’ny olona. Raiso an-tsoratra izay olona liana, ary tsidiho izy ireny. Atolory miaraka amin’ny gazety ilay taratasy mivalona, rehefa faran’ny herinandro. Hampiasaina toy ny taratasy mivalona hafa rehetra ilay izy, raha misy ambiny aorian’ny 16 Novambra. Ny boky Ampianarina no hatolotsika rehefa tapitra ilay ezaka manokana.
5 Manomboha fampianarana Baiboly: Natao manokana mba hanombohana fampianarana Baiboly ilay taratasy mivalona. Rehefa mitsidika an’ireo liana ianao, dia anontanio izy hoe inona no fahamarinana ara-baiboly nampahery azy, tao amin’ilay taratasy mivalona. Asehoy ny pejy farany amin’ilay izy, izay manazava ny fampianarana Baiboly ataontsika. Omeo boky Ampianarina izy avy eo. Asehoy ny toko miresaka momba an’ilay fahamarinana nampahery azy. Miaraha mandinika fehintsoratra iray na roa, raha mety.
6 Mitady an’ireo te hivavaka aminy “araka ny fanahy sy ny fahamarinana”, i Jehovah. (Jaona 4:23) Enga anie isika rehetra ka handray anjara amin’io ezaka manokana io, mba hanampiana ny olona hahafantatra ny marina!