Andro Manokana Hanasana ny Olona Hianatra Baiboly
1 Manomboka amin’ny Janoary, dia hanokana andro iray isam-bolana ny fiangonana tsirairay, mba hanasana ny olona hianatra Baiboly. Amin’ny faran’ny herinandro no hanaovana azy io, izany hoe asabotsy na alahady, arakaraka izay mety eo an-toerana. Raha tsy manaiky hianatra Baiboly ilay olona itoriana, amin’io andro io, dia mety ho azo atao ihany ny manome azy boky Ampianarina na gazety farany. Tokony hazoto handray anjara amin’io fandaharana io ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana rehetra. Hanampy ny mpitory hanomboka fampianarana Baiboly koa izy ireo.
2 Ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana no hamaritra hoe asabotsy na alahady fahafiry amin’ny volana no hatokana hanasana ny olona hianatra Baiboly. Ilaina hampahatsiahivina matetika ny mpitory, mba hiomanany sy hiezahany hanomboka fampianarana amin’io andro manokana io, rehefa mitory isan-trano izy na mitsidika olona liana.
3 Fanomanana: Misy fomba azo anombohana fampianarana Baiboly ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2006 sy ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 12. Tian’ny mpitory hafa koa angamba ny hampiasa an’ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Ary ahoana no anombohana fampianarana Baiboly amin’ireo nandray gazety? Misy soso-kevitra ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aogositra 2007, pejy 3. Hanana anjara hitarika fivoriana alohan’ny fanompoana ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana. Haharitra 10 ka hatramin’ny 15 minitra izany. Horesahina amin’izany, na hatao fampisehoana, ny fomba iray na roa azo anombohana fampianarana Baiboly.
4 Marina aloha fa tsy ny rehetra no hanaiky hianatra Baiboly, na hanohy hianatra foana. Tsy tokony ho kivy anefa isika, satria i Jehovah, raha ny marina, no mitaona ny olona toy ny ondry hanatona ny fandaminany. (Jaona 6:44) Tsy ny hamafy ny voan’ny fahamarinana ihany no andraikitsika, fa ny hamboly sy hanondraka an’ireo efa mamaka koa. Tafiditra amin’izany ny fampianarana Baiboly an’ireo manana toe-po tsara. Miara-miasa amin’Andriamanitra isika raha manao izany.—1 Kor. 3:9.