Hataony Ahoana no Fandre?
1. Nahoana no sarotra indraindray ny mitory, nefa nahoana isika no tsy kivy?
1 Mihamanatona haingana ny andron’i Jehovah. Ilaina maika àry ny manampy olona maro hahafantatra tsara an’Andriamanitra sy ny fikasany momba ny olombelona. (Jaona 17:3; 2 Pet. 3:9, 10) Sarotra izany indraindray, satria maro no tsy miraharaha na maneso antsika noho ny fitoriantsika. (2 Pet. 3:3, 4) Azo antoka anefa fa mbola misy olona te handre ny vaovao tsara ao amin’ny faritanintsika. Hataon’izy ireny ahoana no fandre raha tsy misy mitory aminy?—Rom. 10:14, 15.
2. Nahoana no mampahery antsika ny ohatra navelan’ny apostoly Paoly?
2 Fiatrehana fanoherana: Mbola maro ireo maniry hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana, ka tsy tokony ho kivy isika. Filipy no tanàna voalohany nitorian’ny apostoly Paoly ny vaovao tsara, tany Eoropa. Nisy nanendrikendrika izy sy Silasy tany, ka nokapohina tamin’ny hazo ary nogadraina. (Asa. 16:16-24) Tsy resin’ny tahotra anefa i Paoly na dia nampijalina toy izany aza, fa nanohy nitory foana. ‘Nisikina herim-po tamin’ny alalan’Andriamanitra’ izy, ka nanohy ny fitoriany tany Tesalonika. (1 Tes. 2:2) Tokony ‘tsy ho sasatra’ ny hitory tokoa isika, rehefa dinihina ny ohatra navelan’i Paoly.—Gal. 6:9.
3. Inona no mety hampiova ny olona sasany izay tsy nihaino antsika taloha?
3 Niova ny toe-pon’ny olona maro tsy nandray ny hafatra notorintsika. Mety ho nahatonga izany ny fahasahiranana ara-bola, aretina, fahafatesan’ny havana, na vaovao ratsy any amin’ny tany samihafa. (1 Kor. 7:31) Ny sasany indray nanana ray aman-dreny nanohitra, nefa efa olon-dehibe izy izao, ka vonona ny hihaino. Raha mitory foana isika, dia ho afaka ny ‘hiantso ny anaran’i Jehovah’ ny olona toy ireny, dieny mbola tsy tara loatra.—Rom. 10:13.
4. Inona no mandrisika antsika ‘tsy hitsahatra’ ny hanompo?
4 Aza mitsahatra: Raha tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona isika, dia handrisika antsika ‘tsy hitsahatra’ ny hitory sy hanao mpianatra toa an’ireo apostoly tamin’ny taonjato voalohany izany. (Asa. 5:42) Maro ankehitriny no “misento sy mitaraina noho ny zava-maharikoriko rehetra.” (Ezek. 9:4) Velom-panantenana sy maivamaivana erỳ ny olona toy ireny, rehefa mandre ny vaovao tsara! Na tsy mety mihaino aza ny ankamaroan’ny olona, dia manome toky antsika ny Soratra Masina fa tena faly i Jehovah amin’ny ezaka ataontsika.—Heb. 13:15, 16.