Vonona Hanatrika Ilay Fanasambe ve Ianao?
1. Inona avy no fiomanana ilaina hatao rehefa misy fanasambe?
1 Maro ny zavatra ilaina homanina rehefa hanao fanasambe. Mila vidina ny sakafo, ary karakaraina tsara mba hatsiro sy hampilendalenda. Mila alamina koa ny fandrosoana ny sakafo sy ny toerana hanaovana an’ilay fanasana. Tsy izay ihany anefa, fa mila miomana koa ny vahiny, indrindra raha lavitra ilay toerana. Asa be tokoa ny manomana fanasambe. Mahafinaritra anefa ny mieritreritra hoe hiara-mankafy sakafo matsiro sy mahasalama amin’ny havana aman-tsakaiza. Tsy ho ela ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany dia hanatrika fanasambe! Efa ela no niandrasana azy io. Tsy inona izany fa ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe “Miambena Hatrany!” Efa tena mikarakara sy manao izay hahatomombana azy io ireo rahalahintsika. Voasa avokoa isika, ka mila miomana daholo raha te hanatrika sy hankafy ny sakafo ara-panahy haroso any!—Ohab. 21:5.
2. Inona no tokony hataontsika mba ho eo foana mandritra ilay fanasambe?
2 Te hankafy azy io ve ianao? Efa tsy andrintsika rehetra ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2009. Hiara-midera an’i Jehovah isika sy ny olon-kafa “mahatsapa fa mila” azy. (Mat. 5:3) Miezaha mba ho eo mandritra ny telo andro. Efa tena akaiky mantsy ny andron’i Jehovah, ka mila mifanerasera amin’ireo rahalahintsika be fitiavana isika. Mila fampaherezana koa isika mba hananana finoana matanjaka foana. (Zef. 1:14) Ilazao ny mpampianatra na mpampiasa anao fa takin’i Jehovah ny fanatrehana fivoriambe. Efa nanamboatra ny fandaharam-potoananao ve ianao mba ho eo foana mandritra ilay fanasambe? Efa nikarakara ny fitaterana sy ny filasiana ve ianao? Ry anti-panahy, efa misy mikarakara ve ny zokiolona sy ny kilemaina ary ny olon-kafa mila fanampiana?—Jer. 23:4; Gal. 6:10.
3. Inona no azonao atao raha te ho vonona tsara ianao, isaky ny manomboka ny fotoam-pivoriana?
3 Ataovy izay hahatongavana aloha isan’andro. Efa tafapetraka ianao amin’izay alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pivoriana. Topazo maso ny fandaharana. Hanampy anao hanomana ny fonao handray ny fampianaran’i Jehovah izany. (Ezra 7:10) Ankafizo ny mozika fanokafana, ary ataovy izay hahavonona anao ho amin’ny hira sy ny vavaka.
4. Inona no azon’ny mpianakavy atao mba handraisana soa faran’izay betsaka?
4 Tsara raha miara-mipetraka ny fianakaviana. Ho hitan’ny ray aman-dreny amin’izay raha mihaino tsara ny zanany na tsia. (Deot. 31:12) Ampirisihina ny rehetra mba hanaraka ao amin’ny Baiboliny rehefa misy andinin-teny vakina. Tsara koa ny mandray an-tsoratra fohy. Hanampy anao hifantoka sy hahatadidy ny hevi-dehibe izany. Aza miresadresaka na mandehandeha tsy amin’antony mandritra ny fotoam-pivoriana, ary jereo mialoha ny finday sao hanelingelina anao na ny hafa. Rehefa hariva, dia resaho izay zavatra nahafinaritra anao tamin’ilay fandaharana.
5. Inona no mampiavaka ny fivoriambentsika? Ahoana no hananantsika fotoana hanaovana izany?
5 Afaka mifandray akaiky amin’ny rahalahy sy anabavintsika isika amin’ny fivoriambe. Tsy fahita izany eto amin’ity tontolo ity. (Sal. 133:1-3; Mar. 10:29, 30) Miezaha àry hifankahalala amin’izay mipetraka eo akaikinao, ary miresaha amin’izy ireo mandritra ny fiatoana. Ahoana no hanananao fotoana hanaovana izany? Aza mitondra sakafo be loatra, ary aza mivoaka any ivelan’ny toerana anaovana fivoriambe rehefa hisakafo. Ho afaka hifampahery tsara amin’ny olona ianao amin’izay.—Rom. 1:11, 12.
6. Akanjo toy inona no tokony hanaovantsika any amin’ny fivoriambe?
6 Akanjo: Nandidy ny Israelita i Jehovah mba hanisy mikiramborambo teo amin’ny morontongotr’akanjony. Tsy maintsy nasiana kofehy manga koa teo ambonin’ilay mikiramborambo. (Nom. 15:37-41) Natao hampahatsiahivana azy ireo izany fa miavaka izy ireo, satria voatokana hanompo an’i Jehovah. Miavaka amin’ity tontolo ity koa isika rehefa manao akanjo mendrika sy maotina, any amin’ny fivoriambe. Mbola tokony ho maotina koa ny akanjontsika, na dia rehefa hisakafo any amin’ny hotely amin’ny hariva aza. Efa fitoriana vita ho azy mantsy izany! Eritrereto tsara àry izay akanjo hanaovanao.
7. Inona no azontsika atao, mba hitoriana ao amin’ny tanàna anaovana fivoriambe?
7 Mitoria: Raha mieritreritra kely fotsiny isika, dia hahita fomba hitoriana ao amin’ny tanàna anaovana fivoriambe. Nisakafo tany amin’ny hotely, ohatra, ny rahalahy iray sy ny vadiny. Nasehony an’ilay mpandroso sakafo fotsiny ny karatry ny fivoriambe teny aminy, ary nanontany izy hoe: “Efa nahita olona nanao hoatr’ity ve ianao?” Namaly ilay mpandroso sakafo hoe efa nahita ka lasa saina hoe inona no dikan’ireny. Afaka nitory taminy àry ilay rahalahy, ary nanasa azy hanatrika an’ilay fivoriambe.
8. Ahoana no hampisehoantsika fa mankasitraka ny fanasan’i Jehovah isika?
8 Marina fa ireo rahalahintsika no manao ny lahateny sy ny fanadinadinana ary ny fampisehoana rehetra amin’ny fivoriambe. I Jehovah Raintsika be fitiavana any an-danitra anefa no tena mikarakara an’io fanasambe isan-taona io. (Isaia 65:13, 14) Mankasitraka azy isika, raha tonga eo mandritra ny telo andro, ary mankafy ny sakafo rehetra arosony. Efa vonona ho amin’izany ve ianao?
[Efajoro, pejy 4]
Fampahatsiahivana Momba ny Fivoriambe
◼ Fandaharam-potoana: Hanomboka amin’ny 9.20 maraina foana ny fivoriambe mandritra ny telo andro. Hivoha amin’ny 8.00 maraina ny vavahady. Tokony hipetraka daholo isika rehefa manomboka ny mozika fanokafana. Hanomboka amim-pilaminana ny fotoam-pivoriana amin’izay. Hirava amin’ny 4.55 hariva ny fivoriambe ny zoma sy asabotsy, ary amin’ny 4.00 hariva ny alahady.
◼ Famandrihan-toerana: Izay olona miray fiara na trano aminao ihany no azonao amandrihana toerana.
◼ Sakafo antoandro: Iangaviana ianareo hitondra sakafo antoandro, fa tsy hitady sakafo any ivelan’ny toerana anaovana fivoriambe. Azo atao ny mitondra harona kelikely azo apetraka ao ambany seza. Tsy azo atao kosa ny mitondra harona lehibe loatra sy zavatra mora vaky.
◼ Fanomezana: Afaka mampiseho ny fankasitrahantsika ny fivoriambe isika, amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo ho an’ny asa maneran-tany. Azo atao any amin’ny Efitrano Fanjakana izany na any amin’ny fivoriambe.
◼ Raha misy loza na marary: Ilazao ny mpikarakara ny mpanatrika raha misy olona marary tampoka na maratra ka mila fitsaboana maika. Io rahalahy io kosa no hampandre avy hatrany an’ireo ao amin’ny fitsaboana vonjimaika. Izy ireo no hijery izay mahazo an’ilay olona sy hikarakara azy. Hitady fanampiana izy ireo, raha ilaina izany.
◼ Fandraisam-peo: Tsy azo ampifandraisina amin’ny fitaovana elektrika na fanamafisam-peon’ny fivoriambe ny fitaovana fandraisam-peo anao manokana. Azonao atao ny mampiasa fitaovana fandraisam-peo raha tsy manelingelina ny mpanatrika izany.
◼ Taratasy Tsidiho Azafady: Tokony hosoratana ao amin’ilay taratasy hoe Tsidiho Azafady (S-43) ny mombamomba ny olona nitoriana tsy ara-potoana nandritra ny fivoriambe, ka nihaino tsara. Tokony hitondra iray na roa amin’io taratasy io any amin’ny fivoriambe ny mpitory. Omeo ny Sampan-draharahan’ny Boky na ny mpitan-tsoratry ny fiangonana ilay izy rehefa feno.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Febroary 2005, p. 6.
◼ Hotely fisakafoana: Aoka ianareo ho tsara fitondran-tena any amin’ny hotely mba hanomezam-boninahitra ny anaran’i Jehovah.