FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/09 p. 1
  • Afaka Manitatra ny Fanompoanao ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Manitatra ny Fanompoanao ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana — Natao ho Anao ve Izy Io?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Afaka Manompo an’i Jehovah Amin’ny Maha-mpisava Lalana ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Afaka ny ho Mpisava Lalana ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Itaro ny Harenanao, dia ny Fanompoana Mifandray Amin’ilay Fanjakana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
km 7/09 p. 1

Afaka Manitatra ny Fanompoanao ve Ianao?

1. Inona no ilaina maika eny amin’ny saha, ary nahoana?

1 Hitan’i Jesosy fa maro be ny olona liana tamin’ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ka nilaza tamin’ny mpianany izy hoe: “Iangavio ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.” (Mat. 9:37, 38) Efa eo amin’ny faran’ny fotoam-pijinjana isika ankehitriny, ka maika noho ny hatramin’izay ny asantsika. Tokony hodinihintsika amim-bavaka àry izay azontsika atao mba hanompoana bebe kokoa.—Jaona 14:13, 14.

2. Ilana mpiasa maro kokoa eny amin’ny saha, ka inona no nataon’ny sasany?

2 Fomba anitarana ny fanompoana: Noho ny fitarihan’i Jehovah sy ny fanampiany, dia maro no nahita fa afaka ny ho mpisava lalana izy ireo. (Sal. 26:2, 3; Fil. 4:6) Manao ezaka manokana ny sasany mba ho mpisava lalana mpanampy mandritra ny volana iray na maromaro ao anatin’ny taona. Tena fomba tsara anitarana ny fanompoana izany. Nahita fifaliana ireo nanao izany, ka nieritreritra ny ho tonga mpisava lalana maharitra ny maro taminy.—Asa. 20:35.

3. Inona no tsara dinihinao, raha efa mpisava lalana ianao taloha?

3 Afaka ny ho mpisava lalana indray ve ianao?: Efa mpisava lalana angamba ianao taloha. Azo inoana fa finaritra erỳ ianao mamisavisa an’ireny fotoana ireny. Efa nodinihinao tamim-bavaka ve sao mba afaka ny ho mpisava lalana indray ianao? Efa tsy misakana anao intsony angamba ireo toe-javatra nahatonga anao tsy ho mpisava lalana. Tonga angamba ankehitriny ny fotoana hiverenanao indray amin’io tombontsoa manokana io.—1 Jaona 5:14, 15.

4. Inona no tombontsoa mety ho azontsika rehetra?

4 Hifarana tsy ho ela ny asa fijinjana. (Jaona 4:35, 36) Enga anie isika rehetra handinika ny fiainantsika, ka hijery hoe misy azontsika amboarina ve ny asa aman-draharahantsika mba hahafahantsika hanitatra ny fanompoantsika. Ahoana raha tena hitantsika fa tsy afaka manitatra ny fanompoantsika isika? Afaka mitady fomba hahitana vokatra kokoa isika. (Mar. 12:41-44) Tombontsoa lehibe tokoa no misokatra ho anao raha toa ny fiainanao ka mamela anao hanao ny asan’ny mpisava lalana!—Sal. 110:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara