Fomba Hamaliana Fanontaniana
1. Nahoana isika no tokony hanahaka an’i Jesosy rehefa ametrahan’olona fanontaniana?
1 Mbola gaga amin’ny fahaizan’i Jesosy mamaly fanontaniana ny olona hatramin’izao. Tsara àry ny hanahafantsika azy, rehefa ametrahan’olona fanontaniana samihafa isika eny amin’ny fanompoana.—1 Pet. 2:21.
2. Inona no mety hanampy antsika hahay hamaly fanontaniana?
2 Mihainoa aloha: Nihevitra ny antony nametrahan’ny olona fanontaniana i Jesosy. Ilaina indraindray ny manontany mba hahalalana izay tena eritreretin’ilay olona. Ny antony tsy ankalazanao Krismasy angamba no tena tian’ny olona iray ho fantatra, raha manontany izy hoe: “Mino an’i Jesosy ve ianao?” Fantaro àry izay tena eritreretin’ilay manontany, mba ho hainao kokoa ny hampisaintsaina azy.—Lioka 10:25-37.
3. Inona no fitaovana hanampy antsika hanome valin-teny ara-baiboly marina tsara?
3 Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra: Inona matetika no fomba tsara indrindra hamaliana fanontaniana? Ny fampiasana Baiboly. (2 Tim. 3:16, 17; Heb. 4:12) Hita fa nanampy ny mpitory hamaly araka ny marina tsara ny boky Fanjohian-kevitra sy ny “Foto-dresaka Ara-baiboly” ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Mety hahavita hilaza hevitra avy ao amin’ny Soratra Masina ihany ianao nefa tsy hampahatezitra an’ilay olona, na dia tsy ekeny aza hoe mbola manan-kery ny Baiboly. Ampirisiho izy handinika tsara ny fahendrena tsy tontan’ny ela ao amin’ny Baiboly. Raha manahaka an’i Jesosy ianao, dia ho “toy ny paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra” ny valin-teninao, ka ho feno fanajana sy hahafinaritra ary hitondra soa.—Ohab. 25:11.
4. Amin’ny toe-javatra manao ahoana avy no tsara kokoa raha tsy mamaly ny fanontaniana rehetra apetraka amintsika isika?
4 Tokony hamaly ny fanontaniana rehetra ve isika? Raha tsy hainao ny valin’ny fanontaniana iray, dia aza menatra milaza hoe: “Tsy haiko ny valiny fa hanao fikarohana aho ary hiverina.” Mety hanaiky ny hiverenanao ilay olona rehefa hitany fa manetry tena sy mitady izay hahasoa azy ianao. Ary ahoana raha hita fa manohitra ilay olona ary te hiady hevitra fotsiny? Manahafa an’i Jesosy ka aza miteny betsaka. (Lioka 20:1-8) Ahoana kosa raha olona tsy liana amin’ny fahamarinana no te hiady hevitra aminao? Farano amim-panajana ny resaka, ary ampiasao hitadiavana olona tso-po ny fotoananao.—Mat. 7:6.
5. Inona no modely nomen’i Jesosy, rehefa namaly fanontaniana izy?
5 Fantatr’i Jesosy fa tena nila niantehitra tamin’i Jehovah izy mba hamitana an’ilay asa nanirahana azy, dia ny “hanambara ny marina.” Tafiditra amin’izany ny famaliana ny fanontanian’ny olona tso-po. (Jaona 18:37) Manana tombony tokoa isika satria manahaka an’i Jesosy rehefa mamaly ny fanontanian’ireo ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’—Asa. 13:48.