Rahoviana no Tokony Hotsidihina ny Olona Liana?
1. Inona no anisan’ny asa fanaovana mpianatra?
1 Anisan’ny fanaovana mpianatra ny miverina mitsidika an’izay te hianatra momba ny Fanjakan’i Jehovah. (Mat. 28:19, 20) Inona no fotoana tsara indrindra hitsidihana ny olona liana? Miankina amin’ny fotoanantsika sy ny an’ilay olona izany, matetika. Nahoana anefa isika no tokony hiverina hitsidika azy, fotoana fohy aorian’ny itoriana aminy?
2, 3. Nahoana isika no tokony hiezaka hiverina haingana araka izay azo atao?
2 Nahoana no mila miverina haingana? Hifarana tsy ho ela ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana”, ary efa akaiky ny faran’ity tontolo ity. (Mat. 24:14; 1 Pet. 4:7) Tsy maintsy ‘mitory ny teny tsy misy hataka andro’ àry isika, satria mbola “andro famonjena” ny olona liana izao. Mila miverina haingana araka izay azo atao any amin’ilay olona isika mba tsy ho lefy ny fahalianany.—2 Kor. 6:1, 2; 2 Tim. 4:2.
3 Tsy andrin’i Satana izay hanesorana ny voan’ilay Fanjakana nafafintsika tao am-pon’ny olona liana. (Mar. 4:14, 15) Matetika no maneso an’ilay olona ny havany, ny mpiara-miasa aminy, na olon-kafa. Miverina haingana any aminy àry isika mba hanohy ny resaka nifanaovana taminy, dieny mbola tsy vonoin’ny sasany ilay fahalianany kely vao mitsiry.
4. Inona no azontsika atao rehefa mitory, mba hahafahana hitsidika an’ilay olona?
4 Mifanaova fotoana: Tsara ny manome fotoana voafaritra tsara mba hitsidihana an’ilay olona, alohan’ny handaozanao azy. Mametraha fanontaniana, ary lazao fa amin’ny manaraka ianao manome ny valiny. Tena ilaina ny mandray an-tsoratra tsara. Azonao atao ny milaza fa hiverina ianao ny ampitso na rehefa afaka andro vitsivitsy, arakaraka ny fahafahanao. Raha faran’ny herinandro ianao no nitory taminy, nefa miasa izy ny andavanandro, dia ny faran’ny herinandro manaraka angamba no mety. Hajao ny fotoana nomenao.—Mat. 5:37.
5. Nahoana no manampy antsika hanao mpianatra ny miverina haingana any amin’ny olona liana?
5 Tokony hiverina haingana araka izay azo atao any amin’ilay olona liana isika. Mifanaova fotoana aminy, ary tsidiho haingana izy satria “kely sisa ny fotoana tavela.” (1 Kor. 7:29) Azo inoana fa hahita vokatra kokoa isika, raha miverina haingana any amin’ireo olona liana.