Fitoriana Amin’ireo Miteny Vahiny
1. Inona no azontsika atao rehefa mitory ao amin’ny faritanintsika isika?
1 Nilaza mialoha i Jesosy Kristy fa hotorina eran-tany ny vaovao tsara, “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” Zava-dehibe amin’izay rehetra mandray anjara amin’ny asa fitoriana sy fampianarana ireo tenin’i Jesosy ireo. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Mety ho tojo olona miteny vahiny isika eny amin’ny fanompoana. Mendrika ny handre ny hafatra momba ilay Fanjakana koa izy ireny, ka hiandany amin’ny fahamarinana, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah. (Mal. 3:18) Ahoana no azontsika itoriana amin’ny olona miteny vahiny ao amin’ny faritanintsika?
2. Ahoana no anahafantsika an’i Jehovah rehefa tojo olona miteny vahiny isika?
2 Aoka ianao hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah momba an’ireo olona miteny vahiny: Tia ny olona rehetra tsy an-kanavaka i Jehovah. Raha tiantsika àry ny hanahaka azy, dia tokony haniry mafy hanampy ny olona rehetra ao amin’ny faritanintsika isika, mba hahatonga azy ireo hahalala marina an’i Jehovah, na inona na inona fiteniny. (Sal. 83:18; Asa. 10:34, 35) Marina fa ny olona mampiasa ny fitenin’ny fiangonantsika no tena ifantohantsika, nefa mila miahy an’ireo miteny vahiny koa isika, ka hitady fomba hitoriana amin’izy ireny. Tsy mety raha odiantsika tsy hita ny olona miteny vahiny, satria ny olona avy amin’ny firenena rehetra no tian’i Jehovah hitoriana. Ahoana àry no azontsika anampiana ny olona miteny vahiny?
3. Inona no fitaovana tsara azontsika ampiasaina, ary ahoana no iomanantsika hampiasa azy io?
3 Ampiasao ny bokikely Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra: Natao hampiasaina amin’ny olona miteny vahiny io bokikely io, ka ataovy any aminao foana. Fantaro tsara ireo lafiny mampiavaka an’ilay bokikely, ary miomàna hampiasa azy io. Asio marika ireo fiteny vahiny ampiasain’ny olona ao amin’ny faritaninareo. Raha misy amin’ireo fiteny ireo ny boky aman-gazetintsika, dia ataovy izay hahazoana vitsivitsy. Ho azonao apetraka amin’ny olona mampiasa an’ireo fiteny ireo izany, aorian’ny nandinihana ny hafatra ao amin’ilay bokikely.
4. Ahoana no azo ampiasana an’ilay bokikely Vaovao Tsara?
4 Ahoana no hatao raha tojo olona miteny vahiny ianao, nefa tsy fantatrao hoe inona no fiteniny? Voalohany, asehoy ny fonon’ilay bokikely. Avadiho ao amin’ilay sarintany eo amin’ny fonony anatiny ilay izy, ka tondroy ny tenanao sy ny tany misy anao. Asehoy amin’ny alalan’ny fihetsika, avy eo, fa tianao ho fantatra koa ny tany niaviany sy ny fiteniny. Rehefa fantatrao ny fiteniny, dia jereo ny fanondroam-pejy, ary avadiho eo amin’ilay pejy voatondro ilay bokikely ka tondroy ilay sora-matevina erỳ an-tampony. Asaivo vakiny, avy eo, ilay pejy. Omeo taratasy mivalona amin’ny fiteniny izy rehefa voavakiny ilay izy, na tondroy ilay fehezanteny miloko volondavenona, izay milaza fa hitondra boky ho azy amin’ny fiteniny ianao. Tondroy, avy eo, ilay sora-matevina hoe “anarako”, ary lazao mazava tsara ny anaranao. Tondroy, avy eo, ilay sora-matevina hoe “anaranao”, ary avelao izy hamaly. Manomeza fotoana voafaritra tsara mba hitsidihana azy.
5. Inona no mbola tokony hatao raha hita fa liana ny olona iray miteny vahiny?
5 Fitsidihana: Tokony hanao izay rehetra azontsika atao isika mba hitsidihana ny olona liana, na inona na inona fiteniny. Mila mameno an’ilay taratasy Tsidiho Azafady (S-43) isika raha vao hitantsika hoe mahaliana an’ilay olona ny Baiboly sy ny momba an’Andriamanitra. Omeo ny mpitan-tsoratra avy hatrany ilay S-43, ary izy kosa handefa an’ilay izy any amin’ny sampana, mba ho mpitory mahay ny fitenin’ilay olona no hitsidika azy. Ny sampana kosa handefa an’ilay S-43 any amin’ny fiangonana na mpitory mampiasa an’ilay fiteny. Tokony hotsidihina tsy misy hataka andro ilay olona, rehefa voaray ilay S-43. Azon’ny mpitan-tsoratra omena dika mitovy amin’ilay S-43 ny mpiandraikitra ny fanompoana mba ho fantany hoe olona miteny inona avy no liana. Ny olona tena liana ihany anefa no ampiasana ny S-43.
6. Inona no andraikitsika raha liana ny olona iray miteny vahiny?
6 Nalefa ilay S-43, nefa mety mbola ho elaela aorian’izay ilay olona liana vao ho tena tafahaona amin’ny mpitory mahay ny fiteniny, izay nalefa hitsidika azy. Inona àry no azo atao mba tsy ho lefy ny fahalianany? Afaka mitsidika azy foana ilay mpitory nameno an’ilay S-43, mandra-pahatongan’izay mpitory mahay an’ilay fiteniny. Mety ho azo atao ny mampianatra Baiboly azy. Ahoana anefa no hahazoana boky sy gazety amin’ny fitenin’ilay olona, mandra-pahatongan’ilay mpitory mahay ny fiteniny?
7. Ahoana no ahazoana boky sy gazety amin’ny fitenin’ny olona itoriantsika?
7 Boky sy gazety amin’ny fiteny hafa: Tsy tokony hitahiry boky sy gazety be dia be amin’ny fiteny vahiny ny fiangonana. Raha hitan’ny mpiandraikitra ny fanompoana anefa fa manomboka liana amin’ny fahamarinana ny antokon’olona mampiasa fiteny vahiny iray, dia azo atao ihany ny mitahiry boky sy gazety vitsivitsy amin’iny fiteny iny. Afaka manafatra izany ny fiangonana raha tsy misy ao amin’ny tahiriny. Mety ho elaela ihany vao ho tonga ny boky sy gazety amin’ny fiteny vahiny. Azo atao anefa ny manao pirinty ny boky sy gazetintsika avy ao amin’ny www.watchtower.org ao amin’ny Internet. Misy boky sy gazety maro amin’ny fiteny an-jatony ao, ary afaka mamaky na maka izany mivantana ao ilay mpitory na ilay olona liana. Azo ampiasaina tsara mba hampitomboana ny fahalianan’ny olona miteny vahiny io tranonkala ao amin’ny Internet io.
8. Inona no tokony hataon’ny fiangonana mba tsy ho lefy ny fahalianan’ny olona miteny vahiny?
8 Ny tokony hataon’ny fiangonana: Mihamaro ny olona mampiasa fiteny vahiny iray, any amin’ny faritra sasany. Mety tsy hisy fiangonana manao fivoriana amin’io fiteny io anefa eny akaiky eny. Ahoana àry raha misy liana amin’ny fahamarinana ireny olona ireny? Tokony hasaina hiara-mivory amin’ny fiangonanao izy. Handray tsara azy sy hiahy manokana azy ny mpiara-manompo ka mety hampirisika azy hivory tsy tapaka izany. Marina fa mety hampisy elanelana eo amintsika sy ilay olona ny fiteny sy ny kolontsaina, eo am-boalohany. Tsy voasakan’izany anefa ny tena fitiavana kristianina eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. (Zef. 3:9; Jaona 13:35) Mahay miteny misosa tsara amin’ny fiteny vahiny iray ve ianao, ary te hanampy olona mampiasa an’io fiteny io? Ilazao àry ny mpitan-tsoratra mba hampahafantarany izany amin’ny biraon’ny sampana. Hilaina izany rehefa mitady mpitory hitsidika olona miteny vahiny ny sampana.
9. Ahoana no ahalalana raha ilaina ny manangana kilasy fianarana fiteny vahiny, ary ahoana no andaminana azy io?
9 Fianarana fiteny vahiny: Ahoana no hatao rehefa manampy olona miteny vahiny? Ampirisiho izy hivory any amin’ny fiangonana mampiasa ny fiteniny, na dia somary lavitra aza ny mankany. Raha tena lavitra be anefa ny fiangonana mampiasa ny fiteniny, dia mety hanapa-kevitra ny hianatra an’ilay fiteny ny mpitory sasany mba hanampiana an’ireny olona liana ireny. Hodinihin’ny sampana hoe ilaina ve ny manangana kilasy fianarana fiteny vahiny, raha tsy misy fiangonana mampiasa an’ilay fiteny eny akaiky eny, nefa betsaka mpifindra monina ao amin’ilay toerana. Raha hitan’ny sampana hoe ilaina ilay kilasy, dia hilazany ireo fiangonana eny akaiky eny hoe ilana mpitory mahay an’io fiteny io ilay faritany. Hanao fampandrenesana momba ilay kilasy fianarana fiteny vahiny koa ny sampana. Inona no tokony ho tanjon’ireo manao fangatahana hanaraka an’ilay fianarana? Ny hifindra ao amin’ilay antoko-mpitory na fiangonana hampiasa an’ilay fiteny, mba hanampy an’ireo olona mampiasa an’ilay fiteny vahiny.
10. Inona no fepetra takina mba hamoronana antoko-mpitory miteny vahiny?
10 Famoronana antoko-mpitory: Misy fepetra efatra takina mba hamoronana antoko-mpitory amin’ny fiteny iray. 1) Tokony ho maromaro ihany ny olona liana, ka antenaina ny hisian’ny fitomboana. 2) Tokony hisy mpitory vitsivitsy mahay an’ilay fiteny na efa mianatra an’ilay izy. 3) Tokony hisy anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana mahay, afaka mikarakara ilay antoko-mpitory sy mitarika fivoriana iray isan-kerinandro, fara fahakeliny, ary atao amin’ilay fiteny vahiny izany fivoriana izany. 4) Tokony ho vonona hanohana an’ilay antoko-mpitory ireo anti-panahy ao amin’ny fiangonana iray. Rehefa azo lazaina hoe feno ireo fepetra ireo, dia hanoratra any amin’ny sampana ny anti-panahy, ka hanazava ny mombamomba an’ilay antoko-mpitory, ary hangataka mba hekena ho fiangonana mpiahy an’ilay antoko-mpitory miteny vahiny. (Jereo ny boky Voalamina p. 105-107.) Ilay anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana mikarakara an’io antoko-mpitory io no ho “mpiandraikitra ny mpitory” na “mpikarakara ny mpitory.”
11. Nahoana no tombontsoa ho antsika ny mitory amin’ny olona miteny vahiny ao amin’ny faritanintsika?
11 Tapany lehibe amin’ilay asa fitoriana eran-tany natombok’i Jesosy Kristy ny fitoriana amin’ny olona miteny vahiny ao amin’ny faritanintsika. Enga anie ka hazoto hanao izany isika, dia ho hitantsika ny fomba anozongozonan’i Jehovah an’ireo firenena mba hiditra ao an-tranony ireo olona sarobidy aminy. (Hagay 2:7) Mitondra fahafaham-po ho antsika ny mitondra ny anjara birikintsika amin’io asa io! I Jehovah anie hitahy ny fiarahantsika mifarimbona mba hitoriana amin’ny olona miteny vahiny ao amin’ny faritanintsika! Tsarovy fa afaka mampitombo ny voa nafafy izy, na amin’ny fiteny inona na amin’ny fiteny inona!—1 Kor. 3:6-9.