Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra
“Hita hoe mihamaro ny olana atrehin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Hanao ahoana re ny fiainana ao an-tokantrano raha samy manana an’ity toe-tsain’i Jesosy ity ny ao an-trano e? [Vakio ny Matio 20:28, ary avelao izy hamaly.] Misy hevitra dimy avy amin’ny modely nomen’i Jesosy ity lahatsoratra ity.” Asehoy ilay lahatsoratra manomboka eo amin’ny pejy 16.
Mifohaza! Novambra
“Ahoana no fahitanao ny fivavahana? Mampifankatia ny olona ve, sa mampisara-bazana? [Avelao izy hamaly.] Toa maro no tsy manaraka an’ity tenin’i Jesosy ity. [Vakio ny Matio 5:44, 45.] Misy mahavita mitia ny fahavalony ve? Ho hitanao ato ny valin’izany.” Asehoy ilay lahatsoratra manomboka eo amin’ny pejy 10.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra
“Mbola hofoanan’Andriamanitra ve ny fijaliana eto an-tany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Manome fanantenana antsika ity voalazan’ny Baiboly ity. [Mamakia andinin-teny iray eo amin’ny pejy 7.] Rahoviana no hofoanan’Andriamanitra ny fijaliana? Ho hitanao ato amin’ity gazety ity ny valiny.”
Mifohaza! Desambra
“Mino ny olona sasany hoe nisy namorona izao rehetra izao. Misy indray mihevitra fa nisy ho azy teo fotsiny izany, ary tsy fantatra izay antony. Ahoana kosa ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Jereo ange ity voalazan’ny Baiboly ity e! [Vakio ny Hebreo 3:4.] Hazavain’ity gazety ity hoe ahoana no nampisy an’izao rehetra izao, ary inona no antony nanaovana azy.”