Fomba Haingana Hahazoana Boky sy Gazety Amin’ny Teny Vahiny
Mety hihaona amin’ny olona te hahazo ny bokintsika amin’ny fiteny vahiny isika indraindray, nefa tsy ananan’ny fiangonantsika izany. Fantatrao ve fa misy boky sy gazety azonao atao pirinty, raha manana Internet sy fitaovana fanaovana pirinty ianao? Misy amin’ny fiteny 400 eo ho eo izy ireo. Izao no fanaovana azy:
• Mankanesa ao amin’ny www.watchtower.org.
• Ahitana ampahan’ny lisitry ny fiteny, eo amin’ny sisiny havanana ao amin’ny fandraisana. Tsindrio eo amin’ilay sarina gilaoby raha tianao ho hita ny fiteny rehetra.
• Fidio izay fiteny tianao. Hisy pejy hisokatra avy eo ary homena ao izay azonao atao pirinty, toy ny taratasy mivalona, bokikely, na lahatsoratra hafa. Ho amin’ilay fiteny nofidinao io pejy io. Aza gaga àry raha amin’ny fiteny tsy hainao ireo lohateny ao.
• Fidio izay lahatsoratra tianao ao. Azonao atao pirinty ilay izy rehefa miseho.
Boky sy gazety vitsivitsy ihany no ao amin’io tranonkala io. Manaova fanafarana amin’ny alalan’ny fiangonana raha tena liana ilay olona.