FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/11 p. 1
  • Hisy Fitoriana Lehibe Amin’io

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hisy Fitoriana Lehibe Amin’io
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Raiso Tsara Izy Ireo!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Ampio Ireo Olona Manatrika ny Fahatsiarovana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Raiso Tsara Izay Rehetra Tonga
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Ataovy Izay Hahatsapan’izy Ireo fa Raisina Tsara Izy any Amin’ny Fahatsiarovana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
km 4/11 p. 1

Hisy Fitoriana Lehibe Amin’io

1. Ankoatra ny lahateny, inona koa no mety hisy vokany amin’ireo hanatrika ny Fahatsiarovana?

1 Amin’inona? Amin’ny alin’ny Fahatsiarovana. Miezaka mafy àry isika mba hanasa olona hanatrika azy io. Tsy izay ho ren’ireo nasaina ihany no hisy vokany eo aminy, fa ny zavatra ho hitany koa. Nanatrika ny Fahatsiarovana ny vehivavy iray, ka hitany fa tsara fanahy ny rehetra ary nahafinaritra sy nadio erỳ ilay trano nivoriana, sady voakojakoja tsara. Tsy ny mpandahateny ihany àry no mila miezaka fa isika rehetra mihitsy, mba ho fitoriana lehibe io fotoana miavaka indrindra ao anatin’ny taona io.—Efes. 4:16.

2. Inona no azontsika atao mba handraisana tsara an’ireo nasaina?

2 Arahabao amim-pifaliana ireo nasaina: Mitsikia ka arahabao tsara ireo vahiny. Efa fitoriana vita ho azy izany. (Jaona 13:35) Na tsy afaka miresaka amin’ny rehetra aza ianao, dia iresaho izay olona eo akaikinao, ary lazao aminy ny anaranao. (Heb. 13:1, 2) Jereo izay hoatran’ny sadaikatra satria tsy mahalala olona. Angamba izy nahazo fanasana tamin’ilay ezaka manokana. Azonao anontaniana izy hoe: “Vao sambany ve ianao no nanatrika fivoriana hoatr’izao?” Asao izy hiara-mipetraka aminao, ary lazao fa vonona ianao hamaly izay fanontaniany. Raha mila miala haingana ianareo mba hidiran’ny fiangonana manaraka, dia azo atao ny milaza hoe: “Mba tiako ho fantatra ny fahitanao an’ilay fandaharana teo. Ahoana no hifampiresahantsika amin’ny manaraka?”

3. Ahoana no azontsika andraisana an’ireo tsy mitory intsony?

3 Raiso tsara ireo tsy mitory intsony: Azo antoka fa ho avy koa ireo tsy mitory intsony. Rehefa Fahatsiarovana ihany ny sasany amin’izy ireny vao tonga mivory. Raiso tsara izy, ary asehoy fa tena faly ianao mahita azy. (Rom. 15:7) Afaka mitsidika azy any an-trano ny anti-panahy, tsy ela aorian’izay, mba hampirisika azy hiaraka amin’ny fiangonana indray. Mivavaka isika mba ho maro no hanome voninahitra an’Andriamanitra, tsy noho izay reny ihany, fa noho izay hitany koa, satria nanohina ny fony ‘ny asa tsara ataontsika.’—1 Pet. 2:12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara