Manàna Faharetana eo Amin’ny Fanompoana
1. Ahoana no nanehoan’i Jehovah faharetana tamin’ny olombelona?
1 Tena naneho faharetana tamin’ny olombelona Andriamanitra. (Eks. 34:6; Sal. 106:41-45; 2 Pet. 3:9) Anisan’ny manaporofo izany ny fitoriana ilay Fanjakana atao maneran-tany, efa ho 2 000 taona izao. Mbola mitaona an’ireo olona tso-po hanatona azy foana i Jehovah hatramin’izao. (Jaona 6:44) Ahoana no hanehoantsika faharetana toa azy?
2. Ahoana no anehoantsika faharetana, rehefa miasa ny faritanintsika?
2 Fitoriana isan-trano: Maneho faharetana toa an’i Jehovah isika, raha ‘tsy mitsahatra’ mitory, na dia mbola tsy liana aza ny olona ao amin’ny faritanintsika. (Asa. 5:42) Miaritra foana isika, na dia misy aza tsy miraika, na maniratsira, na manohitra mihitsy. (Mar. 13:12, 13) Maneho faharetana koa isika, rehefa miezaka manondraka ny voa nafafintsika, na dia tsy tratrantsika imbetsaka aza ny olona liana.
3. Nahoana no ilaina ny faharetana, rehefa mitsidika sy mampianatra Baiboly?
3 Fampianarana Baiboly: Ilaina ny faharetana rehefa mamboly. Azo kolokoloina tsara ilay voly, nefa tsy azo terena haniry haingana. (Jak. 5:7) Mandeha tsikelikely koa ny fandrosoana ara-panahy, sady misy ambaratongany. (Mar. 4:28) Mety ho sarotra amin’ny olona ampianarintsika ny hiala amin’ny fampianaran-diso na ny fanao tsy araka ny Soratra Masina. Tsy tokony hoterentsika hiova haingana izy. Mila maneho faharetana kosa isika, ka homentsika fotoana ampy tsara izy mba hiasan’ny fanahy masina ao am-pony.—1 Kor. 3:6, 7.
4. Nahoana no manampy antsika hitory amin’ny havana tsy Vavolombelona ny faharetana?
4 Havana tsy Vavolombelona: Tena tiantsika hahalala ny fahamarinana ny havantsika. Mila maneho faharetana anefa isika, ka miandry fotoana mety mba hitoriana amin’izy ireo. Mila mitandrina isika, sao hototofantsika fanazavana be loatra izy. (Mpito. 3:1, 7) Tokony hitondra tena tsara koa isika, sady ho vonona foana hanazava an’izay inoantsika, saingy amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana. (1 Pet. 3:1, 15) Hahita vokatra kokoa isika raha maneho faharetana, sady hampifaly an’ilay Raintsika any an-danitra.