Valin’ny Fanontanianareo
◼ Ahoana no hahalalana raha azo omena boky na gazety ny olona iray na tsia?
Tena ilaina ny mijery raha liana ilay olona. Raha tena liana izy, dia azontsika omena gazety roa na bokikely na boky na zavatra hafa. Azo atao izany na dia kely aza ny vola omeny, na tsy manam-bola izy mba hatao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany. (Joba 34:19; Apok. 22:17) Tsy tokony homentsika boky sy gazety kosa izay hita fa tsy mankasitraka izany. Sarobidy mantsy ny bokintsika.—Mat. 7:6.
Ahoana anefa no hahafantarantsika hoe tena liana ny olona iray? Tena liana izy raha manaiky hiresaka amintsika, mihaino tsara, ary mamaly ny fanontaniantsika sy maneho ny heviny. Asehony koa fa manaja ny Tenin’Andriamanitra izy raha manaraka ao amin’ny Baiboly rehefa mamaky andinin-teny isika. Tsara matetika ny manontany azy hoe tena te hamaky an’ilay boky na gazety ve izy. Ilaina àry ny mandinika tsara raha liana ilay olona na tsia. Rehefa mitory eny an-dalana koa isika, dia tsy mety ny mizara be fahatany ny gazety na bokikely na boky amin’izay rehetra mandalo. Raha tsy haintsika hoe tena liana ilay olona, dia tsara kokoa ny manome azy taratasy mivalona.
Mila mitadidy koa ny mpitory fa izay boky sy gazety ilainy eny amin’ny saha ihany no tokony halainy, na dia betsaka aza ny vola fanomezana omeny. Tsy natao hamoahana boky sy gazety fotsiny mantsy ireny vola ireny, fa natao hanohanana ny asa rehetra mifandray amin’ny fitoriana eran-tany. Mankasitraka an’izany asa izany isika, na mahantra na manankarena, raha manome avy amin’ny fo, fa tsy hoe manome satria hoe manana tahiry betsaka. (Mar. 12:41-44; 2 Kor. 9:7) Raha mahay mankasitraka koa isika, dia izay boky sy gazety ilaintsika ihany no halaintsika. Tsy ho verivery fotsiny amin’izay ny vola nanamboarana azy ireny.
[Teny notsongaina, pejy 2]
Ilaina ny mandinika tsara raha liana ilay olona na tsia