Hampiharihary ny Fahamarinana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra
1. Inona no hevitra ara-panahy noresahin’ny Israelita sy nosaintsaininy nandritra ireo fety fanao isan-taona?
1 Nasain’i Jehovah nanao fety ny Israelita, ka nanao fivoriambe intelo isan-taona. Ny lehilahy ihany no nasaina ho tonga, kanefa nandeha koa ny fianakaviany manontolo matetika. Nanao dia nankany Jerosalema izy ireo mba hanatrika an’ireny fivoriambe tena nahafaly ireny. (Deot. 16:15, 16) Nisaintsaina sy nifampiresaka hevitra ara-panahy izy ireo tamin’ireny fety ireny. Anisan’izany, ohatra, ny hoe be fitiavana sy malala-tanana i Jehovah, ary manome izay ilaintsika. (Deot. 15:4, 5) Anisan’izany koa ny hoe azo ianteherana i Jehovah rehefa mila tari-dalana sy fiarovana isika. (Deot. 32:9, 10) Tsy maintsy nosaintsainin’izy ireo koa hoe mitondra ny anaran’i Jehovah izy ireo, ka tsy maintsy mankatò azy. (Deot. 7:6, 11) Mandray soa toy izany koa isika rehefa manatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra.
2. Inona no fandaharana amin’ny fivoriambe manampy antsika hahatakatra kokoa ny fahamarinana?
2 Hanampy antsika hahatakatra kokoa ny fahamarinana ny fandaharana: Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny alalan’ny lahateny, tantara isan-karazany, fampisehoana, ary fanadinadinana. (Jaona 17:17) Be dia be ny asa natao mba hanomanana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ity taona ity. Nieritreritra manokana an’izay ilain’ny olona maneran-tany ny fandaminana, teo am-panomanana azy io. (Mat. 24:45-47) Tsy andrinao àry ve izay hanatrehana azy io?
3. Inona no tokony hataontsika, raha te handray soa amin’ny fandaharana?
3 Mazava ho azy fa mila manatrika an’ilay fivoriambe mandritra ny telo andro isika, sady mihaino tsara, raha tena te handray soa. Aza hadinoina àry ny mangataka andro tsy hiasana, raha mbola tsy nanao izany. Manaova ampy torimaso tsara koa isak’alina, mba ho velombelona tsara ianao mandritra ny fandaharana. Maro no mahita hoe mifantoka tsara izy rehefa mijery ny mpandahateny sy mandray an-tsoratra kely. Aza avela hanelingelina anao sy ny hafa, ny telefaonina. Aza miresaka na mandefa hafatra an-telefaonina, mandritra ny fandaharana. Aza misakafo na misotro zavatra koa, raha tsy hoe mitaky an’izany angaha ny fahasalamanao na mafana loatra ny andro.
4. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany handray soa amin’ny fivoriambe?
4 Nisy famakiana Lalàna tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo, natao isaky ny taona sabata. Nivory mba hanatrika izany ny fianakaviana israelita, ary nentin’izy ireo koa ‘ny ankizy madinika mba hihaino sy hianatra.’ (Deot. 31:12) Toy izany koa no ataon’ny fianakaviana maro rehefa fivoriambe. Mampahery ny mahita azy ireo miara-mipetraka, ary tsy matory ny ankizy sy ny tanora fa mihaino tsara. Azon’ny fianakaviana atao ny miara-mijery ny fandraisany an-tsoratra rehefa hariva, ary mandinika an’izay hevitra hitan’ny tsirairay hoe mahafinaritra. “Latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana”, ka tsy tsara raha “avela hanaram-po” na hanao izay tiany izy ireo, any amin’ny fivoriambe. Tokony hanara-maso ny zanany kosa ny ray aman-dreny, na amin’ny fiatoana na rehefa any amin’izay ilasian’izy ireo. Mila arahi-maso na dia ireo tanora aza.—Ohab. 22:15; 29:15.
5. Inona no vokany, raha miezaka hitondra tena tsara isika?
5 Mampamirapiratra ny fahamarinana ny fitondran-tenantsika: Manaitra ny olona ny fitondran-tena tsarantsika mandritra ny fotoanan’ny fivoriambe, ka toy ny hoe “mandravaka” ny fahamarinana. (Tit. 2:10) Voamarik’ireo mpamily sy ireo tompona trano ilasiana isika, rehefa manaraka tsara ny toromarika omeny sy tsara fanahy amin’ny olona ampiasainy. (Kol. 4:6) Niteny toy izao tamin’ny solontenan’ny sampana, ohatra, ny vehivavy iray nanome filasiana, tamin’ny herintaona: “Tena tianay ny mandray Vavolombelon’i Jehovah, satria mahafinaritra ianareo. Mahalala fomba sy tsara fanahy ianareo, ary manaja an’ireo mpiasa sady mitandrina mba tsy hanimba trano.”
6. Tokony hanao ahoana ny fitafiantsika mandritra ny fivoriambe, raha tiantsika ny hampamirapiratra ny fahamarinana?
6 Mampahafantatra ny olona momba ny fivoriambe isika sady manampy an’ireo mpanatrika hafa hahafantatra antsika, rehefa mitondra ny karatry ny fivoriambe. Fitoriana vita ho azy koa anefa izany. Ho voamariky ny olona isika rehefa manao ny karatry ny fivoriambe, sady manao fitafiana maotina sy milamina tsara, fa tsy manao akanjo mikorontana sy mampihanjahanja toy ny ataon’ny olona eto amin’ity tontolo ity. (1 Tim. 2:9, 10) Mila mitandrina tsara ny fomba fiakanjontsika sy ny taovolontsika àry isika, rehefa ao amin’ilay tanàna anaovana fivoriambe sy rehefa milasy any an-tranon’olona. Tsy dia mihaja ny sôrta sy ny tiserta amin’ny toe-javatra sasany. Tokony ho mendrika foana ny fomba fitafintsika, na dia hatao eny an-kalamanjana aza ny fivoriambe. Mety hisolo akanjo isika rehefa vita ny fandaharana, satria angamba hisakafo any amin’ny hotely. Mila mitadidy foana anefa isika fa mbola ao anatin’ny fotoanan’ny fivoriambe isika, ka tsy tokony hanao fitafiana baranahiny be.
7. Inona no azontsika atao raha tiantsika ny hahatsapa hoe miray saina tokoa isika?
7 Nifanerasera tamin’ny mpiray finoana avy any amin’ny faritra hafa sy ny firenena hafa ny Israelita, tamin’ireo fety fanao isan-taona. Nampiray saina azy ireo izany. (Asa. 2:1, 5) Misongadina amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra koa fa miray saina ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampiaiky ny olona matetika izany firaisan-tsaina izany, ary porofo fa ao amin’ny paradisa ara-panahy isika. (Sal. 133:1) Tsara àry raha mitondra sakafo maivana isika, fa tsy mividy sakafo any ivelan’ny toerana anaovana fivoriambe. Afaka manararaotra miresaka amin’ireo rahalahy sy anabavy eo akaikintsika isika amin’izay, ka hifankahalala amin’izy ireo.
8. Nahoana no tsara ny manao asa an-tsitrapo?
8 Gaga koa ny olona matetika, rehefa mahita hoe voalamina tsara ny fivoriambentsika, indrindra moa rehefa fantany hoe mpiasa an-tsitrapo daholo no manao ny asa. Afaka ‘manolo-tena’ hanao asa “an-tsitrapo” àry ve ianao mandritra ny fivoriambe? (Sal. 110:3) Misy fianakaviana sasany mirotsaka hanao asa an-tsitrapo daholo, satria tiany hozarina hahafoy tena ny zanany. Mety hahasoa anao koa ny manao asa an-tsitrapo, raha saron-kenatra ianao, satria ho afaka hifankahalala amin’ny mpiray finoana hafa ianao amin’izay. Hoy ny anabavy iray: “Ny fianakaviako sy ny namako vitsivitsy ihany no fantatro tany. Rehefa nanampy tamin’ny fanadiovana anefa aho, dia lasa nifankahalala tamin’ny ranadahy sy rahavavy maro. Tena nahafinaritra ilay izy!” Tena ho faly koa isika, raha mandray anjara amin’ny asa atao eny amin’ny fivoriambe, satria ‘hihamalalaka ny fontsika’ ka hahazo namana isika. (2 Kor. 6:12, 13) Raha mbola tsy nanao asa an-tsitrapo àry ianao, ka te handray anjara amin’izany, dia anontanio ny anti-panahy hoe inona no tokony hataonao.
9. Ahoana no hataontsika mba hanasana ny olona hanatrika ny fivoriambe?
9 Asao ny hafa mba hahafantatra ny fahamarinana: Hanao ezaka manokana hizarana taratasy fanasana indray isika, telo herinandro alohan’ny fivoriambe. Tokony hiezaka hamita faritany betsaka araka izay azo atao ny fiangonana. (Jereo ilay efajoro hoe “Ahoana no Hizarana Ilay Fanasana?”) Ento eny amin’ny fivoriambe izay fanasana tsy lany, mba hampiasain’ny mpanatrika hafa, hitoriana tsy ara-potoana.
10. Milazà zava-nitranga mampiseho hoe misy vokany ny fizarana fanasana.
10 Misy vokany ve ny fizarantsika taratasy fanasana? Izany tokoa. Nilaza tamin’ny mpikarakara mpanatrika, nitady toerana ho azy, ny mpivady iray hoe nahazo taratasy fanasana izy ireo. Hitan’izy ireo fa “nahaliana ilay izy”, ka nanao dia 320 kilaometatra tamin’ny fiarany izy ireo mba hanatrehana an’ilay fivoriambe. Nahita lehilahy iray liana tamin’ny fivoriambe koa ny anabavy iray, rehefa nizara fanasana isan-trano, ka nohazavainy tamin’ilay lehilahy ny zavatra voalaza tao amin’ilay taratasy. Hitan’ilay anabavy tany amin’ny fivoriambe tokoa io lehilahy io. Nitondra namana iray izy io, ary samy nivimbina ny boky vaovao nivoaka tamin’io fivoriambe io izy ireo.
11. Nahoana no zava-dehibe ny fanatrehana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra?
11 Tia an’ireo Israelita i Jehovah, ka nandamina an’ireo fety fanao isan-taona, mba hanampiana azy ireo ‘hanompo azy amim-pahamarinana.’ (Jos. 24:14, f.a.p.) Manampy antsika koa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, mba ‘handeha foana ao amin’ny fahamarinana.’ Anisan’ny fanompoantsika an’i Jehovah koa izy io. (3 Jaona 3) Enga anie ka hotahin’i Jehovah ny ezaka ataon’ireo olona rehetra tia ny fahamarinana, mba hanatrehan’izy ireo ny fivoriambe sy handraisany soa avy amin’izy io.
[Teny notsongaina, pejy 4]
Mampamirapiratra ny fahamarinana ny fitondran-tena tsarantsika mandritra ny fotoanan’ny fivoriambe
[Teny notsongaina, pejy 5]
Hanao ezaka manokana hizarana taratasy fanasana isika, telo herinandro alohan’ny fivoriambe
[Efajoro, pejy 3-6]
Fampahatsiahivana Momba ny Fivoriambe 2012
◼ Fandaharam-potoana: Hanomboka amin’ny 9.20 maraina foana ny fivoriambe mandritra ny telo andro. Hivoha amin’ny 8.00 maraina ny vavahady. Tokony hipetraka daholo isika rehefa mandeha ny mozika fanokafana. Hanomboka amim-pilaminana ny fandaharana amin’izay. Hirava amin’ny 4.55 hariva ny fivoriambe ny zoma sy asabotsy, ary amin’ny 3.40 hariva ny alahady.
◼ Famandrihan-toerana: Izay olona miray fiara na trano aminao ihany, na ny olona ampianarinao Baiboly, no azonao amandrihana toerana.—1 Kor. 13:5.
◼ Sakafo antoandro: Iangaviana ianareo hitondra sakafo antoandro, fa tsy hitady sakafo any ivelan’ny toerana anaovana fivoriambe. Azo atao ny mitondra harona kelikely azo apetraka ao ambany seza. Tsy azo atao kosa ny mitondra harona lehibe loatra sy zavatra mora vaky.
◼ Fanomezana: Afaka mampiseho ny fankasitrahantsika ny fivoriambe isika, ka mandrotsaka fanomezana an-tsitrapo ho an’ny asa maneran-tany rehefa eny amin’ny fivoriambe.
◼ Raha misy loza na marary: Ilazao ny mpikarakara ny mpanatrika raha misy olona marary tampoka na maratra ka mila fitsaboana maika. Io rahalahy io kosa no hampandre avy hatrany an’ireo ao amin’ny fitsaboana vonjimaika. Izy ireo no hijery izay mahazo an’ilay olona sy hikarakara azy. Hitady fanampiana izy ireo, raha ilaina izany.
◼ Fanafody: Raha mila mihinam-panafody tsy tapaka ianao, dia ento eny amin’ny fivoriambe ilay izy satria tsy hanana azy io ny fitsaboana vonjimaika.
◼ Kiraro: Voamarika fa maro ny olona iharan-doza isan-taona satria tsy mety tsara ny kirarony. Mifidiana àry kiraro mendrika sy antonona anao tsara, sady mora andehanana amin’ny tohatra na vatovato na lalana malama.
◼ Taratasy Tsidiho Azafady: Tokony hosoratana ao amin’ilay taratasy hoe Tsidiho Azafady (S-43) ny mombamomba ny olona nitoriana tsy ara-potoana nandritra ny fivoriambe, ka nihaino tsara. Tokony hitondra iray na roa amin’io taratasy io any amin’ny fivoriambe ny mpitory. Omeo ny mpitan-tsoratry ny fiangonana ilay izy rehefa feno.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Mey 2011, pejy 3.
◼ Hotely fisakafoana: Aoka ianareo ho tsara fitondran-tena any amin’ny hotely mba hanomezam-boninahitra ny anaran’i Jehovah.
◼ Asa an-tsitrapo: Tokony hanatona ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana An-tsitrapo eny amin’ny fivoriambe izay te hanao asa an-tsitrapo. Afaka mandray anjara koa ny ankizy latsaka ny 16 taona, saingy tsara raha misy olon-dehibe manara-maso azy. Ohatra hoe ny rainy na ny reniny, na olon-kafa nahazo alalana tamin’izy ireo.
[Efajoro, pejy 6]
Ahoana no Hizarana Ilay Fanasana?
Tsara kokoa raha fohy ny resaka, mba ho vita daholo ny faritany. Azonao atao ny milaza hoe: “Manahoana Tompoko ô! Manao ezaka manokana izahay maneran-tany, mba hizarana an’ity fanasana ity. Intỳ ny anjaranao. Efa voalaza ao ny fanazavana momba an’ilay izy.” Aoka ianao hafana fo. Atolory ireo gazety raha azo atao, rehefa mizara fanasana amin’ny faran’ny herinandro.